1[Ny loza hanjo ny Isiraely noho ny nivadihany] Ataovy eo am-bavanao ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon'i Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalàko ireo.[Heb. lanilaninao]
1Metu trumpeton al via busxo! Li flugas kiel aglo al la domo de la Eternulo, pro tio, ke ili agis kontraux Mia interligo kaj defalis de Mia instruo.
2Izaho dia hitarainany hoe: Andriamanitro ô, izahay Isiraely mahalala Anao.
2Al Mi ili vokos:Ho mia Dio, ni, Izraelidoj, ekkonis Vin.
3Ataon'ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa; Ny fahavalo no hanenjika azy.
3Izrael forpusxis la bonon; malamiko lin persekutos.
4Ireny dia nanangana mpanjaka nefa tsy avy tamiko; Nifidy mpanapaka izy, nefa tsy fantatro; Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampiny mba hamongorana azy.
4Ili starigis regxojn, sed ne de Mi; ili starigis princojn, sed sen Mia scio; el sia argxento kaj oro ili faris al si idolojn, por pereigi sin.
5Maharikoriko ilay ombilahy kelinao, ry Samaria; Mirehitra aminareo ny fahatezerako; Mandra-pahoviana no tsy ho tohanareo ny fahadiovana?[Na: Ataony ho zava-maharikoriko][Heb. aminy][Heb. tohany]
5Forpusxita estas via bovido, ho Samario; ekflamis kontraux ili Mia kolero; kiel longe ankoraux ili ne povos purigxi?
6Fa avy tamin'ny Isiraely koa izany; Ny mpiasa no nanao azy, ka dia tsy Andriamanitra izy, fa ho torotoro ilay ombilahy kelin'i Samaria.
6CXar gxi estas faritajxo de Izrael; artisto gxin faris, kaj gxi ne estas dio; dispecetigxos la bovido de Samario.
7Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany; Tsy misy vary mitsangana, ny salohiny tsy hisy ventiny; Ary raha tàhiny hisy aza, dia ny olona hafa firenena no hihinana azy.
7CXar ili semas venton, ili rikoltos ventegon; grenon li ne havos; la kreskantajxo ne donos farunon; se gxi ecx donos, fremduloj gxin formangxos.
8Voatelina Isiraely; Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin'ny jentilisa.
8Izrael estas formangxata; nun ili farigxis inter la popoloj kiel senvalora vazo.
9Fa niakatra ho any Asyria izy Toy ny borikidia mandeha irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny [Heb. fitiavany]
9CXar ili iris en Asirion, kiel sovagxa azeno solece vaganta; la Efraimidoj donis amajn donacojn.
10Ary na dia nanangy tany amin'ny jentilisa aza izy, dia hovoriko ankehitriny; Ary hihavitsy izy noho ny entan'ny mpanjakan'ireo mpanapaka.
10Kvankam ili donis donacojn al la nacioj, Mi nun kolektus ilin, por ke ili iom ripozu de la sxargxo de la regxo de la princoj.
11Fa Efraima nanao alitara maro hanotana, eny, efa nahazo alitara hanotana izy.
11Sed multe da altaroj konstruis Efraim, por peki; ili farigxis por li altaroj pekigaj.
12Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin'ny lalàko aza, dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany.
12Mi skribis por li la multon de Miaj legxoj; sed li rigardas ilin kiel fremdajxon.
13Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan'izany, nefa tsy sitrak'i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta.Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin'izany ny trano vaventiny.
13La oferojn, donacatajn al Mi, ili bucxas nur pro viando, por gxin mangxi; la Eternulo ne deziras ilin; nun Li rememoros iliajn malbonagojn kaj punos iliajn pekojn; ili revenos en Egiptujon.
14Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin'izany ny trano vaventiny.
14Izrael forgesis sian Kreinton, kaj konstruas palacojn; Jehuda konstruis multe da fortikigitaj urboj; sed Mi sendos fajron sur liajn urbojn, kaj gxi ekstermos liajn palacojn.