1[Faminaniana ny loza hanjo an'i Babylona] Faminaniana hitan'Isaia, zanak'i Amoza, ny amin'ny loza hanjo an'i Babylona.
1Profetajxo pri Babel, kiun viziis Jesaja, filo de Amoc.
2Manangàna faneva eo an-tampon'izay tendrombohitra mangadihady ianareo, manandrata feo hiantso azy, hofay tanana izy hiditra amin'ny vavahadin'ireo mpanapaka.
2Sur senarba monto levu standardon, lauxte voku al ili, faru signon per la mano, ke ili eniru en la pordegon de la eminentuloj.
3Izaho efa nandidy ny nohamasiniko, eny, efa niantso ny lehilahy maheriko aho, dia ireo mibitaka amim-pireharehana, hahatanteraka ny fahatezerako.
3Mi ordonis al Miaj sanktigitoj, Mi kunvokis al Mia kolero Miajn fortulojn, kiuj gxojas pro Mia majesteco.
4Injany! ny horakoraka any an-tendrombohitra, tahaka ny an'ny vahoaka be! Dia ny fitabataban'ny fanjakan'ny firenena efa tafatambatra! Jehovah, Tompon'ny maro, no manomana miaramila hiady,[Na: firenena lehibe]
4Bruo de amaso estas sur la montoj, kvazaux de grandnombra popolo! bruo de la regnoj de nacioj kolektigxintaj! la Eternulo Cebaot cxirkauxrigardas la batalontan militistaron.
5Izay avy any amin'ny tany lavitra, any amin'ny faravodilanitra, dia Jehovah sy ireo fitaovan'ny fahatezerany, ho enti-mandrava ny tany rehetra.
5Ili venis el lando malproksima, de la rando de la cxielo, la Eternulo kaj la iloj de Lia kolero, por ruinigi la tutan landon.
6Midradradradrà ianareo, fa efa antomotra ny andron'i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fihaviny.
6GXemu, cxar proksima estas la tago de la Eternulo; kiel katastrofo gxi venos de la Plejpotenculo.
7Ary noho izany dia hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho kivy ny fon'ny zanak'olombelona rehetra;
7Tial cxiuj manoj senfortigxas kaj cxiu homa koro senkuragxigxas.
8Ho toran-kovitra izy; Fanaintainana sy fahoriana no hahazo azy, ka hijalijaly tahaka ny vehivavy mihetsi-jaza izy; samy ho talanjona izy ka hifampijery; Mitarehin-delafo ny tarehiny.
8Ili estas terurataj, spasmoj kaj doloroj ilin atakas, ili sin tordas, kiel naskantino; kun miro ili rigardas unu alian, iliaj vizagxoj flamas.
9Indro, avy ny andron'i Jehovah, dia loza sy fahavinirana ary firehetan'ny fahatezerana hanafoanana ny tany sy handringanana ny mpanota tsy ho ao.
9Jen venis la tago de la Eternulo, kruela kaj kolera kaj furioza, por fari la landon dezerto kaj ekstermi el gxi gxiajn pekulojn.
10Fa ny kintan'ny lanitra, na dia ireo Telonohorefy aza, dia tsy hampamirapiratra ny fahazavany; ny masoandro ho maizina amin'ny iposahany; Ary ny volana tsy hangarangarana.
10La steloj de la cxielo kaj gxiaj stelfiguroj ne donas sian lumon, la suno mallumigxis levigxante, kaj la luno ne briligos sian lumon.
11Ary hatsingeriko amin'izao tany rehetra izao ny faharatsiany, sy amin'ny ratsy fanahy ny helony; Ary hatsahatro ny fireharehan'ny mpiavonavona, Ary haetriko ny fiavonavonan'ny mpampahory.
11Mi repagos al la mondo la malbonon kaj al la malpiuloj ilian kulpon; Mi cxesigos la fierecon de la malhumiluloj, kaj la arogantecon de la potenculoj Mi malaltigos.
12Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza.
12Mi faros, ke viro estos pli kara, ol oro, kaj homo estos pli kara, ol la ora metalo el Ofir.
13Ary noho izany dia hampihorohoroiko ny lanitra, ary ny tany hientanentana hiala amin'ny fitoerany noho ny fahatezeran'i Jehovah, Tompon'ny maro, sy noho ny andro firehetan'ny fahatezerany.
13Por tio Mi ektremigos la cxielon, kaj la tero skuigxos el sia loko, pro la kolero de la Eternulo Cebaot kaj en la tago de Lia flama kolero.
14Ary ho tahaka ny gazela hazaina ny olona, sy ho tahaka ny ondry aman'osy tsy misy mpamory, ka dia samy ho lasa any amin'ny fireneny avy izy, eny, samy handositra ho any amin'ny taniny avy izy.
14Ili estos kiel gazelo persekutata, kiel sxafo forlasita; cxiu sin turnos al sia popolo, kaj cxiu kuros al sia lando.
15Izay rehetra azo dia holefonina, ary izay rehetra tratra dia ho lavon'ny sabatra.
15CXiu renkontita estos trapikita, kaj cxiu kaptita falos de glavo.
16Ary ny zanany madinika hotorotoroina eo imasony; Ny tranony hobaboina, ary ny vadiny hosavihina.
16Iliaj infanoj estos frakasitaj antaux iliaj okuloj; iliaj domoj estos prirabitaj, kaj iliaj edzinoj estos malhonoritaj.
17Indro, hamporisihiko hamely azy ny Mediana, izay manao ny volafotsy tsy ho zavatra ary tsy mankamamy ny volamena.
17Mi vekos kontraux ilin la Medojn, kiuj ne sxatas argxenton kaj oron ne avidas,
18Ny tsipìkany handripaka ny zatovo, ary izay ateraky ny kibo tsy hamindrany fo, eny, na dia ny zaza aza tsy hiantran'ny masony.
18sed per pafarkoj mortigas junulojn, frukton de ventro ne kompatas; infanojn ne indulgas ilia okulo.
19Ary Babylona, ravaky ny fanjakana maro Tabiha sy reharehan'ny Kaldeana, Dia ho rava tahaka ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora;
19Kaj Babel, la plej bela el la regnoj, la majesta belajxo de la HXaldeoj, estos kiel Sodom kaj Gomora, ruinigitaj de Dio;
20Tsy honenana mandrakizay izy ary tsy hitoerana intsony hatramin'ny taranaka fara mandimby, Tsy hisy Arabo hanorin-day any, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny any;
20neniu iam tie sidos, kaj por eterne gxi restos nelogxata; Arabo ne starigos tie sian tendon, kaj pasxtistoj tie ne ripozos.
21Fa ny bibi-dia any an-efitra no hitoetra any, ho feno vorondolo ny tranony, ny ostritsa no hitoetra any, ary ny osilahy no hitsambikimbikina any,[Na: hyena][Heb. seirima; izahao Lev. xvii. 7]Ny kary no hifampierena ao an-tranobeny, ary ny amboadia ao amin'ny lapa nanaranam-po; efa antomotra ny fotoany, ary ny androny tsy hatao ela.[Heb. jakala][Heb. mpitondratenany][Na: jakala]
21Ripozos tie sovagxaj bestoj, kaj iliaj domoj estos plenaj de gufoj, kaj strutoj tie logxos, kaj virkaproj tie saltados.
22Ny kary no hifampierena ao an-tranobeny, ary ny amboadia ao amin'ny lapa nanaranam-po; efa antomotra ny fotoany, ary ny androny tsy hatao ela.[Heb. jakala][Heb. mpitondratenany][Na: jakala]
22Kaj sxakaloj bruos en iliaj palacoj, kaj strigoj en la salonoj de amuzo. Kaj baldaux venos gxia tempo, kaj gxiaj tagoj ne dauxros.