1[Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Damaskosy] Indro, Damaskosy, dia rava tsy ho tanàna intsony, eny, tonga korontam-bato izy.
1Profetajxo pri Damasko: Jen Damasko ne plu estos urbo, sed gxi estos amaso da ruinajxoj.
2Efa lao ny tanànan'i Aroera ka ho an'ny andian'ny ondry aman'osy, handry ao ireo, ka tsy hisy hanaitaitra azy,
2Forlasitaj estos la urboj de Aroer; brutaroj tie pasxtigxos, kaj neniu ilin fortimigos.
3Ary tsy hisy tanàna mimanda intsony any Efraima, na fanjakana ao Damaskosy; Ary izay sisa amin'i Syria dia hitovy voninahitra amin'ny Zanak'Isiraely; Hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
3Kaj detruita estos la fortikajxo de Efraim, kaj la regno de Damasko kaj la restajxo de Sirio estos kiel la gloro de la Izraelidoj, diras la Eternulo Cebaot.
4Ary amin'izany andro izany dia hihena ny voninahitr'i Jakoba, ary hihena ny hataviny.
4En tiu tempo maldikigxos la gloro de Jakob, kaj lia grasa korpo malgrasigxos.
5Ary ho tahaka ny fanangon'ny olona ny vary an-tahony amin'ny fararano izany, ka tangosan'ny sandriny ny salohim-bary; Eny, ho tahaka ny fanangon'ny olona salohim-bary eny amin'ny lohosahan'ny Refaita;
5Kaj estos tiel, kiel kiam rikoltanto enkolektis la grenon kaj lia mano rikoltis la spikojn, kaj estos kiel post la rikolto de spikoj en la valo Refaim.
6Kanefa hisy sisa hotsimponina ihany izy tahaka ny amin'ny fikapohana ny hazo oliva: Hisy voany roa na telo ao an-tendrony ambony indrindra, efatra na dimy ao amin'ny rantsan'ny hazo mahavokatra, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
6Kaj restos tie postrikoltajxo, kiel cxe la skuado de olivarbo:du, tri olivoj sur la supro de alta brancxo, kvar, kvin sur la brancxoj fruktoportaj, diras la Eternulo, Dio de Izrael.
7Amin'izany andro izany dia hanandrandra ny Mpanao azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin'ny Isiraely,
7En tiu tempo la homo sin turnos al sia Kreinto, kaj liaj okuloj ekrigardos al la Sanktulo de Izrael.
8Fa tsy hanandrandra ny alitara, asan'ny tànany, intsony izy. Ary ny nataon'ny rantsan-tànany tsy hahoany, na ny Aseraha, na ny tsangankazo ho an'ny masoandro.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny][Na: tsangam-bato]
8Kaj li ne turnos sin al la altaroj, faritaj de liaj manoj, kaj ne rigardos al la faritajxo de siaj fingroj, al la sanktaj stangoj kaj la idoloj de la suno.
9Amin'izany andro izany ny tanànany mafy, dia ho tahaka ny tany lao any an'ala na any an-tampon-tendrombohitra Izay nilaozan'ny olona teo anoloan'ny Zanak'Isiraely, ka dia ho foana ny tany.
9En tiu tempo liaj urboj fortikigitaj estos kiel ruinoj en arbaro aux sur altajxo, kiujn oni forlasis pro la Izraelidoj, kaj ili estos dezertaj.
10Fa nanadino an'Andriamanitry ny famonjena anao ianao ary tsy nahatsiaro ny vatolampy fiarovana mafy ho anao, ka dia nanao voly mahafinaritra ianao ary zana-boaloboka avy amin'ny firenena hafa no nambolenao teo;
10CXar vi forgesis la Dion de via savo kaj ne memoris la Rokon de via forteco; tial vi plantis plantajxojn plezurigajn kaj kreskigis fremdan vinberbrancxon;
11Tamin'ny andro nambolenao azy dia nofefenao izy, ary nony maraina dia nampitsimohinao ilay nambolenao; nefa ho vokatra miavosa izany ho amin'ny andro fangirifiriana sy fanaintainana tsy azo sitranina. [Na: Nefa ho levona ny vokatra amin'ny andro hahazoana azy]
11en la tago, kiam vi plantis, vi zorgis pri la kreskado, kaj en la mateno, kiam vi semis, vi zorgis pri la floroj; sed en la tago de ricevado estas ne rikolto, sed doloro suferiga.
12[Ny handringanana ny Asyriana] Indrisy ny fihahohahon'ny firenena maro! Izay mihahohaho tahaka ny feon'ny ranomasina! Indrisy ny firohondrohon'ny olona maro be! Tahaka ny firohondrohon'ny rano manonja ny firohondrohony!
12Ho ve! bruo de multe da popoloj; ili bruas simile al la bruo de maroj; kaj tumulto de gentoj, kiel tumulto de grandaj akvoj.
13Eny, mirohondrohona tahaka ny firohondrohon'ny rano be ny firenena; kanefa hotezerana mafy izy, ka dia handositra lavitra ary ho lasa tahaka ny akofa eny an-tendrombohitra, raha paohin'ny rivotra, sy tahaka ny fakom-bary mitambolimbolina entin'ny tadio.Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran'izay mamabo antsika sy tambin'izay mandroba antsika.
13Gentoj bruas simile al la bruado de grandaj akvoj; sed Li minace ekkrios al ili, kaj ili forkuros malproksimen, kaj ili estos pelataj, kiel grenventumajxo sur la montoj estas pelata de vento, kaj kiel polvo estas pelata de ventego.
14Raha hariva ny andro, dia, injao, fampahatahorana; ary raha tsy mbola maraina akory aza, dia tsy ao intsony ireny. Izany no anjaran'izay mamabo antsika sy tambin'izay mandroba antsika.
14Dum la vespero jen estas teruro; sed antaux la mateno ili jam ne ekzistas. Tia estas la sorto de niaj premantoj kaj la loto de niaj rabantoj.