1[Hira fisaorana an'Andriamanitra noho ny soa nataony ho an'ny olony sy ny nampijaliany ny fahavalony kosa] Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.
1Ho Eternulo, Vi estas mia Dio; mi gloros Vin, mi lauxdos Vian nomon; cxar Vi faris miraklon; decidoj antikvaj farigxis efektivajxoj kaj verajxoj.
2Fa efa nataonao tonga korontam-bato ny tanàna; Ny tanàna mimanda dia rava tokoa; Ny lapan'ny fahavalo dia nataonao tsy vanon-ko tanàna; Tsy hatsangana intsony mandrakizay iny; [Heb. hafa firenena]
2CXar Vi faris el urbo amason da sxtonoj; urbon fortikigitan Vi faris ruino; la kasteloj de la barbaroj ne plu prezentas urbon kaj neniam rekonstruigxos.
3Ka dia hankalaza Anao ny firenena masiaka, Hatahotra Anao ny tanànan'ny firenena lozabe.
3Pro tio gloros Vin popolo potenca, urbo de fortaj gentoj Vin timos.
4Fa fiarovana mafy ho an'ny reraka Hianao, eny, fiarovana mafy ho an'ny malahelo amin'ny fahoriany, fierena amin'ny ranonoram-baratra, fialokalofana amin'ny hainandro, fa ny rivotry ny mahery dia tahaka ny ranonorana mifafy mamely ny ampiantany.
4CXar Vi farigxis fortikajxo por senhavulo, fortikajxo por malricxulo en lia mizero, rifugxejo kontraux pluvego, ombro kontraux varmego; cxar la spirito de potenculoj estas kiel pluvego kontraux muron.
5Tahaka ny fandresinao ny hainandro izay mamely ny tany karankaina no andresenao ny fitabataban'ny firenena hafa; Eny, tahaka ny amin'ny hainandro resin'ny aloky ny rahona matevina no andresena ny fanakoran'ny olon-dozabe.
5Kiel varmegon en dezerto Vi kvietigis la malhumilecon de la barbaroj; kiel varmego per ombro de nubo estas mallauxtigita la kantado de la potenculoj.
6Ary Jehovah, Tompon'ny maro, dia hanao fanasana ho an'ny firenena rehetra eto amin'ity tendrombohitra ity, dia fanasana amin'ny zavatra matavy, fanasana amin'ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka, divay efa niotrika ela sady voadio tsara.
6Kaj la Eternulo Cebaot faros por cxiuj popoloj sur tiu monto festenon el grasajxoj, festenon el bona vino, el grasajxoj sukoplenaj, el vinoj ne fermentintaj.
7Ary hofoanany eto amin'ity tendrombohitra ity, ny sarona izay manarona ny olona rehetra sy ny rakotra izay arakotra ny firenena rehetra.
7Kaj Li forigos sur tiu monto la kovrilon, kiu kovras cxiujn popolojn, kaj la kurtenon, kiu estas etendita super cxiuj gentoj.
8Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; Ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin'ny tava rehetra sady hanafa-tondromaso ny olony eny amin'ny tany rehetra, fa Jehovah no efa niteny.
8Li neniigos la morton por cxiam; kaj la Sinjoro, la Eternulo, forvisxos la larmojn de cxiuj vizagxoj, kaj la honton de Sia popolo Li forigos de la tuta tero; cxar la Eternulo tion diris.
9Ary holazaina amin'izany andro izany hoe: Indro Andriamanitsika, izay nandrasantsika hamonjy antsika; Indro Jehovah, Izay nandrasan-tsika, koa dia aoka ho faly sy ho ravoravo amin'ny famonjeny isika.
9Kaj oni diros en tiu tago:Jen estas nia Dio, al kiu ni esperis, kaj Li nin savis; jen estas la Eternulo, al kiu ni esperis, ni gxoju kaj estu gajaj pro Lia savo.
10Fa hipetraka amin'ity tendrombohitra ity ny tànan'i Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao amin'izay itoerany, dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin'ny rano ao am-pahitra;
10CXar haltos la mano de la Eternulo sur tiu monto; tiam Moab estos dispremita sur sia loko, kiel pajlo estas dispremata en sterka koto.
11Ary ireo dia hamelatra ny tanany eo ampovoan'izany, tahaka ny famelatry ny mpilomano ny tanany raha milomano; Fa Jehovah kosa hampietry ny fiavonavonany, na dia kanto aza ny fahamailamailaky ny tànany. [Heb. Izy]Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin'ny tany, dia hatramin'ny vovoka.
11Kaj se li etendos siajn manojn meze de gxi, kiel nagxanto etendas, por nagxi, tiam humiligxos lia fiereco kune kun la lerteco de liaj manoj.
12Ary ny mandanao mafy sy avo dia harodany ka haetriny sy hofongorany hatramin'ny tany, dia hatramin'ny vovoka.
12Kaj viajn altajn fortikajn murojn Li renversos, malaltigos, jxetos sur la teron al la polvo.