1[Ny hanjo ny Isiraely noho ny nanaovany fihavanana tamin'i Egypta, sy ny mbola hamindrana fo aminy] Lozan'ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah, ary manao fanekena, nefa tsy avy amin'ny Fanahiko, mba hanampy ota amin'ny ota, [Heb.mandrary harato][Heb. fialokalofanareo]
1Ve al la filoj malobeemaj, diras la Eternulo, kiuj faras interkonsilojn, sed sen Mi, kaj arangxas interkonsentojn, sed sen Mia spirito, por aligi pekon al peko,
2Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin'ny vavako, handositra ho any amin'ny fiarovana mafin'i Farao sy hialokaloka ao amin'ny alokalok'i Egypta.
2kaj kiuj iras Egiptujon, ne demandinte Mian busxon, por defendi sin per defendo de Faraono kaj kasxi sin en la ombro de Egiptujo!
3Kanjo ho tonga henatra ho azy ny fiarovana mafin'i Farao, ary ho fanalam-baraka azy ny fialokalofany ao amin'ny alokalok'i Egypta.[Heb. anareo]
3Sed la defendo de Faraono estos por vi honto, kaj la kasxigxo en la ombro de Egiptujo-malhonoro.
4Fa tonga any Zoana ireo lehibeny, ary tonga any Hanesa ny irany.
4CXar liaj princoj estis en Coan, kaj liaj senditoj venis en HXaneson.
5Izy rehetra dia samy hahazo henatra noho ny amin'ny firenena tsy mahasoa azy, dia izay tsy mahavonjy na mahasoa, fa tonga henatra sy latsa kosa.
5CXiuj hontos pro la popolo, kiu ne servis al ili por helpo, nek por utilo, sed nur por honto kaj malhonoro.
6Faminaniana ny amin'ny behemota any amin'ny tany atsimo. Any amin'ny tany mampahory sy mahaporiporitra, izay ihavian'ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny menaran'afo manidina, no nitondrany ny hareny teny an-damosin'ny boriky tanora ary ny fananany teo amin'ny trafon'ny rameva ho any amin'ny firenena tsy mahasoa azy.[hipopotamosy]
6Jen oni vidas sxargxojn sur bestoj en sudo, en lando de mizero kaj suferoj, kie estas leonino kaj leono, vipuro kaj fluganta serpento; ili forportas sur la dorso de junaj azenoj siajn ricxajxojn kaj sur la gxibo de kameloj siajn trezorojn al popolo, kiu ne povas utili.
7Nefa zava-poana sy tsinontsinona ny famonjen'ny Egyptiana; Koa izany no nanaovako azy hoe: Ilay be rehaka tsy mety manao na inona na inona! [Na: Rehareha foana ireny, ka aoka izay!]
7La helpo de la Egiptoj estas vanta kaj vana; tial Mi diris pri tio:Ili fanfaronas, sidante hejme.
8Mandehana ankehitriny soraty amin'ny fàfana eo anatrehany izany, ary soraty amin'ny taratasy mba haharitra amin'ny andro any aoriana mandrakizay doria izany.
8Nun iru, skribu tion al ili sur tabelo kaj desegnu tion en libro, por ke tio restu por la tempo estonta, por cxiam, por eterne.
9Fa firenena maditra izy, zaza mandainga, dia zaza izay tsy mety mihaino ny lalàn'i Jehovah,
9CXar tio estas popolo malobeema, filoj mensogaj, filoj, kiuj ne volas auxskulti instruon de la Eternulo.
10Izay manao amin'ny mpahita hoe: Aza mahita, ary amin'ny mpaminany: Aza maminany zavatra marina aminay: Manaova vava malefaka aminay, maminania fitaka,
10Ili diras al la antauxvidistoj:Ne antauxvidu; kaj al la profetoj:Ne profetu al ni la veron, parolu al ni flatajxojn, profetu al ni gajajxon;
11Mialà amin'ny lalana, mivilia amin'ny aleha; Atsaharo ny Iray Masin'ny Isiraely tsy ho eo anoloanay intsony.
11flankigxu for de la vojo, deklinigxu de la irejo, forigu de antaux ni la Sanktulon de Izrael.
12Koa izao no lazain'ny Iray Masin'ny Isiraely: Satria mandà izany teny izany ianareo ary matoky ny fanaovana an-keriny sy ny fiolakolahana ka miankina amin'izany,
12Tial tiele diras la Sanktulo de Izrael:CXar vi malsxatas tiun vorton kaj fidas maljustajxon kaj trompon kaj apogas vin sur cxi tio:
13Dia ho aminareo ity heloka ity, tahaka izay mivava efa mila hianjera sy izay mibohitra amin'ny manda avo, ka ho tampoka dia tampoka no haharavany.
13tial cxi tiu kulpo estos por vi kiel fendo, minacanta disfalon kaj montranta sin sur alta muro, kies falo estos subita, neatendita.
14Ary hovakivakina izy tahaka ny fahavakivakin'ny vilanin'ny mpanefy tanimanga, raha montsamontsaniny ka tsy itondrany roa; Koa rehefa montsamontsana izy, dia tsy hisy vakiny ho azo atao fangalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano aza.
14Kaj Li frakasos gxin, kiel oni frakasas argilan vazon, frakasos senindulge, tiel ke en gxiaj rompopecoj ne trovigxos vazopeco, por preni fajron de la fajrujo aux cxerpi akvon el akvujo.
15Fa izao no lazain'ny Tompo, dia Jehovah, ny Iray Masin'ny Isiraely: Amin'ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin'ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian'ny herinareo; Nefa tsy nety ianareo;
15CXar tiele diras la Sinjoro, la Eternulo, la Sanktulo de Izrael:Per pento kaj trankvileco vi savigxus, en kvieteco kaj fido estus via forto; sed vi ne volis.
16Fa hoy kosa ianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; Koa noho izany dia handositra tokoa ianareo; Ary hoy ianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; Ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo.
16Vi diris:Ne, ni forkuros sur cxevaloj; tial vi forkuros; kaj:Sur rapiduloj ni forrajdos; tial rapidaj estos viaj persekutantoj.
17Ny arivo handositra, raha rahonan'ny anankiray, eny, handositra ianareo, raha rahonan'ny dimy, Mandra-pahatongan'ny sisa aminareo ho tahaka ny to-kazo avo any an-tampon'ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin'ny havoana.
17De la minaco de unu forkuros tuta milo, de la minaco de kvin vi cxiuj forkuros, gxis vi restos kiel signo sur la supro de monto kaj kiel flago sur monteto.
18Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin'ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.
18Tial la Eternulo atendos, antaux ol Li vin korfavoros, kaj tial Li levigxos, antaux ol Li vin kompatos; cxar la Eternulo estas Dio de jugxo; felicxaj estas cxiuj, kiuj fidas Lin.
19Fa ianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy.
19CXar, ho popolo de Cion, logxantoj de Jerusalem, vi ne plu ploros; Li korfavoros vin, kiam vi plorkrios; kiam Li auxdos vin, Li respondos al vi.
20Ary homen'ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao;
20Kaj la Sinjoro donos al vi panon en la mizero kaj akvon en la premado; kaj ne plu kasxigxos viaj instruantoj, kaj viaj okuloj vidos viajn instruantojn.
21Fa na mivily ho amin'ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin'ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano.
21Kaj kiam vi deklinigxos cxu dekstren, cxu maldekstren, viaj oreloj auxdos vortojn diratajn malantaux vi:Jen estas la vojo, iru laux gxi.
22Ary holotoinao ny takela-bolafotsy voapetaka amin'ny sampinao voasokitra sy ny takela-bolamena voapetaka amin'ny sampinao an-idina, ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; Mialà amiko! no teny hataonao aminy. [Heb.holotoinareo]
22Kaj vi rigardos kiel malpuran la argxentan tegon de viaj statuoj kaj la oran kovron de viaj idoloj; vi forjxetos ilin kiel malpurajxon, vi diros al ili:For!
23Ary dia hanome ranonorana ho an'ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; Ary amin'izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin'ny tany malalaka;
23Kaj Li donos pluvon al via semo, kiun vi semos sur la kampo, kaj panon, produkton de la tero, kaj gxi estos sukoplena kaj grasa; sur vasta pasxtejo pasxtigxos tiam viaj brutoj.
24Ny omby sy ny boriky tanora, izay miasa ny tany, dia hihinana vilona voaisy sira, izay voatsikerakera amin'ny sahiratsy sy ny fikororohana.
24Kaj la bovoj kaj junaj azenoj, kiuj prilaboros la teron, mangxos miksitan nutrajxon, sxutitan per kribrilo kaj sxovelilo.
25Ary any amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy ony sy ranovelona amin'ny andro lehibe famonoana, dia amin'ny andro hianjeran'ny tilikambo.
25Kaj sur cxiu alta monto kaj sur cxiu alta monteto estos riveroj, torentoj da akvo, en la tago de la granda mortigado, kiam falos la turoj.
26Ary ny fahazavan'ny volana dia ho tahaka ny fahazavan'ny masoandro, ary ny fahazavan'ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan'ny hafitoana, Amin'ny andro hamehezan'i Jehovah ny fahatorotoroan'ny olony sy hanasitranany ny fery tamin'ny namelezana azy.
26Kaj la lumo de la luno estos kiel la lumo de la suno, kaj la lumo de la suno estos sepoble pli granda, kiel la lumo de sep tagoj, en tiu tempo, kiam la Eternulo bandagxos la difektojn de Sia popolo kaj resanigos gxiajn vundojn.
27Indro, avy any lavitra any ny anaran'i Jehovah, mirehitra amin'ny fahatezerany Izy Sady midonaka amin'ny setroka be; Ny molony dia feno fahatezerana, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona;
27Jen la nomo de la Eternulo venas de malproksime; Lia kolero flamas kaj estas pezega; Lia busxo estas plena de indigno, kaj Lia lango estas kiel fajro ekstermanta;
28Ary ny fofonainy tahaka ny riaka manafotra havozona, hanasivana ny firenena amin'ny sivana fandevonana, ary hisy lamboridy mampivily eo amin'ny valanoranon'ny olona.
28kaj Lia spiro estas kiel torento disversxigxinta, kiu atingas gxis la kolo, por trakribri la popolojn per kribrilo de pereo; kaj erariga brido estos sur la makzeloj de la popoloj.
29Ary ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin'ny alina fitandremana ny andro firavoravoana, ary ny hafalian'ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha omban'ny feon-tsodina ho any an-tendrombohitr'i Jehovah, dia any amin'ny Vatolampin'ny Isiraely; [Heb. fanamasinana]
29Kantado estos cxe vi, kiel en la nokto de celebrado de festo; kaj kora gxojo, kiel cxe tiu, kiu iras kun fluto, por veni sur la monton de la Eternulo al la Roko de Izrael.
30Ary Jehovah hanandratra ny feon'ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan'ny sandriny amin'ny firehetan'ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra sy ny orana mifafy ary ny havandra vaventy.
30Kaj la Eternulo auxdigos Sian majestan vocxon, kaj la pezon de Sia brako Li vidigos en bolanta kolero kaj en flamo de ekstermanta fajro, en ventego kaj pluvego kaj sxtona hajlo.
31Fa ny feon'i Jehovah dia haharaiki-tahotra ny Asyriana; Hasiany amin'ny tsorakazo ireo.
31CXar ektremos la Asiriano de la vocxo de la Eternulo, kiu frapos lin per la vergo.
32Ary na aiza na aiza no amelezan'ny tsorakazo voatendry, izay amelin'i Jehovah azy, dia harahina ampongatapaka sy lokanga izany; Ary amin'ny ady hamelezany mafy no hiadiany aminy.Fa efa voavoatra fahataloha Tofeta; Eny, efa nataony vonona ho an'ny mpanjaka izany; Efa nataony ]alina sady malalaka izy; Ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; Ary ny fofonain'i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy.
32Kaj penetranta estos cxiu ekbato per la bastono, kiun la Eternulo faligos sur lin kun tamburinoj kaj harpoj; kaj per bataloj senhaltaj Li batalos kontraux li.
33Fa efa voavoatra fahataloha Tofeta; Eny, efa nataony vonona ho an'ny mpanjaka izany; Efa nataony ]alina sady malalaka izy; Ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; Ary ny fofonain'i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy.
33CXar delonge estas preparita la bruligejo; gxi estas preta ankaux por la regxo, profundigita, vastigita; gxia lignaro enhavas multe da fajro kaj ligno; la blovo de la Eternulo ekbruligos gxin kiel torenton da sulfuro.