1[Fampahatsiarovana ny lasa, sy filazana ny ho avy, indrindra fa ny hanafahana ny Isiraely avy any Babylona] Mihainoa, ry taranak'i Jakoba, dia ianareo izay antsoina amin'ny anaran'Isiraely sy avy amin'ny loharanon'i Joda, ianareo izay mianiana amin'ny anaran'i Jehovah ary mankalaza ny anaran'Andriamanitry ny Isiraely, kanefa tsy araka ny marina, na araka ny hitsiny;
1Auxskultu tion, ho domo de Jakob, vi, kiuj estas nomataj per la nomo de Izrael, kiuj devenis el la fonto de Jehuda, kiuj jxuras per la nomo de la Eternulo kaj citas la Dion de Izrael, ne en vero kaj ne en justeco.
2Fa milaza ny tenany ho avy amin'ny tanana masina izy ka miankina amin'Andriamanitry ny Isiraely; Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany.
2Laux la sankta urbo ili sin nomas, kaj je la Dio de Izrael ili sin apogas; Eternulo Cebaot estas Lia nomo.
3Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin'ny fahiny, ary naloaky ny vavako izany sady nambarako; Tampoka no nanaovako izany, ary tonga izany.
3La estintajn okazintajxojn Mi anoncis antauxlonge, el Mia busxo tio eliris, kaj Mi gxin auxdigis; Mi agis subite, kaj cxio plenumigxis.
4Satria fantatro fa maditra ianao, ka ozaby ny hatokao, ary varahina ny handrinao,
4CXar Mi sciis, ke vi estas obstina kaj via kolo estas fera tendeno kaj via frunto estas kupra,
5Dia nambarako taminao hatramin'ny fahiny izany, eny, fony tsy mbola tonga aza izany, dia efa nambarako taminao rahateo, fandrao hataonao hoe: Ny sampiko no nanao izany, ary ny sarin-javatra voasokitra sy ny sarin-javatra anidina no nandidy izany.
5tial Mi anoncis al vi antauxlonge, Mi auxdigis al vi, antaux ol tio plenumigxis, por ke vi ne diru:Mia idolo tion faris, mia statuo kaj mia fanditajxo tion ordonis.
6Efa renao, ka dia jereo izany rehetra izany, moa ianareo tsy hanambara izany va? Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin'izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao.
6Vi auxdis; rigardo do cxion; cxu vi ne devas mem tion konfesi? Mi auxdigis al vi nun aferojn novajn kaj kasxitajn, kiujn vi ne sciis.
7Vao izao no namoronana azy, fa tsy hatramin'ny fahiny, ary tsy mbola nandre azy ianao talohan'ny andro anio, fandrao ianao hanao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany.
7Nun ili estas kreitaj, ne antauxlonge; ecx unu tagon antauxe vi ne auxdis pri tio, por ke vi ne diru:Jen, mi sciis pri ili.
8Fa tsy nandre na nahalala ianao; Eny, hatramin'ny fahiny aza no tsy mbola nisokatra ny sofinao; fa fantatro fa tena mpivadika ianao sady natao hoe mpiodina hatrany an-kibo.
8Vi ne auxdis, vi ne sciis, kaj via orelo antauxe ne estis malfermita; cxar Mi sciis, ke vi perfidos, de la momento de via naskigxo oni ja nomas vin nefidindulo.
9Noho ny anarako dia ononiko ny fahatezerako, ary mba hiderana ahy dia manindry fo aminao Aho, mba tsy hamongorana anao.
9Pro Mia nomo Mi prokrastas Mian koleron, kaj pro Mia gloro Mi detenas Min, ke Mi ne ekstermu vin.
10Indro, nodioviko ianao, nefa tsy toy ny volafotsy; Efa nizaha toetra anao tao amin'ny memy fahoriana Aho.
10Jen Mi vin refandis, sed ne rezultis argxento; Mi elprovis vin en la forno de mizero.
11Noho ny tenako, eny, noho ny tenako ihany no anaovako izany; indrisy, lotoina ny anarako! Ary ny voninahitro tsy homeko ny hafa.
11Por Mi, por Mi Mi tion faras; cxar kial oni blasfemu? Mian gloron Mi ne donos al iu alia.
12Mihainoa Ahy, ry Jakoba, sy y Isiraely izay nantsoiko: Tsy miova Aho; Izaho no voalohany, ary Izaho koa no farany.
12Auxskultu Min, ho Jakob kaj Mia alvokito Izrael:tio estas Mi; Mi estas la unua, kaj Mi estas la lasta.
13Eny, ny tanako no nanorina ny fanambanin'ny tany, ary ny tanako ankavanana no namelatra ny lanitra; Raha antsoiko ireo, dia indray miseho avokoa.
13Nur Mia mano fondis la teron, kaj Mia dekstra mano etendis la cxielon; se Mi vokos ilin, ili starigxos kune.
14Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza moa amin'ireny no mba efa nanambara izany; ilay tian'i Jehovah no hahefa ny sitrapony amin'i Babylona ary ny sandriny ho amin'ny Kaldeana.
14Kolektigxu vi cxiuj kaj auxskultu:kiu inter ili anoncis tion? tiu, kiun la Eternulo ekamis, plenumos Lian volon en Babel kaj aperigos Lian potencon super la HXaldeoj.
15Izaho dia Izaho ihany no miteny sady miantso azy, nitondra azy Aho, ka hambinina ny lalany.
15Mi, Mi tion diris, Mi lin alvokis, venigis, kaj sukcesigis lian vojon.
16Manatona Ahy ianareo, ka mihainoa; hatramin'ny taloha no efa tsy nitenenako tamin'ny mangingina, hatry ny fony vao nisian'ireo dia teo Aho, ary ankehitriny Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny.
16Alproksimigxu al Mi, auxskultu tion; de la komenco Mi ne parolis sekrete; de la momento, kiam la afero komencigxis, Mi tie estis. Kaj ankaux nun sendis min la Sinjoro, la Eternulo, kaj Lia spirito.
17Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra anao, dia ny Iray Masin'ny Isiraely: Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin'ny lalana tokony halehanao.
17Tiele diras la Eternulo, via Liberiganto, la Sanktulo de Izrael:Mi estas la Eternulo, via Dio, kiu instruas vin por via utilo, kiu kondukas vin laux la vojo, kiun vi devas iri.
18Toy izay anie ianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao, [Na: Enga anie ka hihaino ny didiko ianao]
18Ho, se vi atentus Miajn ordonojn! tiam via paco estus kiel rivero, kaj via justeco kiel la ondoj de la maro;
19Ary ho tahaka ny fasika ny taranakao, ary ny aloaky ny kibonao ho tahaka ny sombim-pasika; Ny anarany tsy ho tapaka na ho foana eo anatrehako.
19kaj via idaro estus kiel sablo, kaj viaj devenantoj kiel gxiaj grajnetoj; lia nomo ne estus ekstermita nek pereigita antaux Mi.
20Mivoaha hiala any Babylona; miezaha avy any amin'ny Kaldeana; torio amin'ny feo mahafaly, ary ambarao, ka aelezo hatrany amin'ny faran'ny tany, lazao hoe: Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba mpanompony.
20Eliru el Babel, kuru el HXaldeujo, anoncu kun vocxo gxojkria, auxdigu tion, disportu gxin gxis la fino de la tero, diru:La Eternulo liberigis Sian servanton Jakob.
21Ary tsy nangetaheta ireo tamin'ny nitondrany azy tany an-efitra; Nampiboiboika rano ho azy avy tamin'ny vatolampy Izy, Eny, nampitresaka ny vatolampy Izy, ka dia nigororoana ny rano.Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah.
21Kaj ili ne soifis en la dezertoj, tra kiuj Li kondukis ilin; Li elfluigis por ili akvon el roko, Li disfendis rokon, kaj ekfluis akvo.
22Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah.
22Sed por la malpiuloj, diras la Eternulo, ne ekzistas paco.