Malagasy

Esperanto

Isaiah

50

1[Ny amin'ny nisaorana ny Isiraely, sy ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah] Izao no lazain'i Jehovah: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo? Ary iza amin'izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.
1Tiele diras la Eternulo:Kie estas la eksedziga letero de via patrino, per kiu Mi sxin forpusxis? aux al kiu el Miaj kreditoroj Mi vendis vin? Jen pro viaj pekoj vi estas venditaj, kaj pro viaj krimoj estas forpusxita via patrino.
2Nahoana no tsy nisy olona, fony tonga Aho, ary tsy nisy namaly, fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy, ary moa tsy manan-kery ho enti-manafaka va Aho? Indro, amin'ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anaovako ny ony ho efitra; ary maimbo ny hazandranony noho ny tsi-fisian'ny rano sady matin-ketaheta.
2Kial neniu estis, kiam Mi venis? kial neniu respondis, kiam Mi vokis? CXu Mia mano farigxis tro mallonga, por liberigi? kaj cxu ne ekzistas en Mi forto, por savi? Jen per Mia severa vorto Mi sekigas maron, Mi faras el riveroj dezerton; iliaj fisxoj putras pro senakveco kaj mortas de soifo.
3Tafiako fahamaintisana ny lanitra, ary lamba fisaonana no ataoko fisaronany.
3Mi vestas la cxielon per mallumo, kaj sakajxon Mi faras gxia kovrilo.
4Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan'ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay [Heb.efa nampianarina]
4La Sinjoro, la Eternulo, donis al mi langon instruitan, por ke mi povosciu vigligi per vorto senfortigiton; Li vekas, cxiumatene vekas mian orelon, por ke mi auxskultu kiel instruatoj.
5Jehovah Tompo nanokatra ny sofiko, ary Izaho tsy naditra na nihemotra.
5La Sinjoro, la Eternulo, malfermis mian orelon, kaj mi ne kontrauxstaris, mi ne turnis min malantauxen.
6Ny lamosiko natolotro ho amin'ny mpikapoka, ary ny takolako ho amin'izay manongobaoka; ny tavako tsy nafeniko tamin'ny henatra sy ny rora.
6Mian dorson mi elmetis al la batantoj kaj miajn vangojn al la harsxirantoj; mian vizagxon mi ne kovris kontraux insultoj kaj kracxado.
7Fa Jehovah Tompo no hamonjy Ahy, ka dia tsy resin-kenatra Aho; Ary efa nohamafisiko ho tahaka ny afovato ny tavako, ka fantatro fa tsy ho menatra Aho.
7Sed la Sinjoro, la Eternulo, helpas al mi, tial mi ne estas hontigata; tial mi faris mian vizagxon kiel siliko, kaj mi scias, ke mi ne estos senhonorigata.
8Efa akaiky Izay manamarina Ahy: Iza no hiady amiko? Andeha hiara-mitsangana isika; iza no manana ady amiko? Aoka izy ho avy amiko.
8Proksima estas mia praviganto; kiu procesos kontraux mi? ni starigxu kune; kiu postulas jugxon kontraux mi, li alproksimigxu al mi.
9Indro, Jehovah Tompo no hamonjy ahy; koa iza no hanameloka ahy? Indro, izy rehetra ho tonga tahaka ny lamba mangarahara, ho lanin'ny kalalao izy.
9Jen la Sinjoro, la Eternulo, helpas al mi; kiu do malpravigos min? jen ili cxiuj elfrotigxos kiel vesto, tineoj ilin tramangxos.
10Iza aminareo no matahotra an'i Jehovah ka mihaino ny feon'ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin'ny maizina ka tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny anaran'i Jehovah sy hiankina amin'Andriamaniny. [Na: Na dia mandeha amin'ny maizina aza izy ka tsy misy famirapiratana]He! ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon'afo manodidina anareo, mandehana amin'ny lelafonareo sy amin'ny zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin'ny tanako: Handry amin'ny fahoriana ianareo.
10Kiu inter vi timas la Eternulon, auxskultas la vocxon de Lia servanto? Kvankam li iras en mallumo kaj nenio brilas al li, tamen li fidu la nomon de la Eternulo kaj apogu sin sur sia Dio.
11He! ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon'afo manodidina anareo, mandehana amin'ny lelafonareo sy amin'ny zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin'ny tanako: Handry amin'ny fahoriana ianareo.
11Jen vi cxiuj, kiuj ekbruligas fajron, cxirkauxas sin per flamoj, iru en la lumon de via fajro, kaj en la flamojn, kiujn vi ekbruligis. Per Mia mano tio farigxos al vi; en doloro vi kusxos.