Malagasy

Esperanto

Isaiah

65

1[Ny fandavan'i Jehovah ny maro noho ny fanao tsy marina narahiny, sy ny fitahiana kasainy ho amin'ny mibebaka] Notadiavin'zay tsy naniry Aho sy hitan'izay tsy nitady; hoy Izaho tamin'ny firenena izay tsy nantsoina tamin'ny anarako: Inty Aho! Inty Aho!
1Mi estis preta respondi al tiuj, kiuj tion ne petis; Mi estis trovebla por tiuj, kiuj Min ne sercxis; al popolo, kiu ne vokis Mian nomon, Mi diris:Jen Mi estas, jen Mi estas.
2Namelatra ny tanako mandritra ny andro Aho tamin'ny firenena miodina, izay mandeha amin'ny lalana tsy tsara araka ny fisainany ihany,
2CXiutage Mi etendis Miajn manojn al popolo obstina, al tiuj, kiuj iras vojon malbonan, laux siaj intencoj;
3Dia firenena izay nahatezitra ahy mandrakariva na dia eo imasoko aza, izay mamono zavatra hatao fanatitra eo amin'ny tanimboly Ary mandoro ditin-kazo manitra eny ambonin'ny tanimanga,
3al popolo, kiu konstante indignigas Min antaux Mia vizagxo; al homoj, kiuj bucxas oferojn en gxardenoj kaj incensas sur brikoj;
4Dia izay mipetraka any amin'ny fasana ary mitoetra mandritra ny alina ao am-pierena, sady mihinana henan-kisoa, ary ny ron'ny hena fahavetavetana no ao amin'ny loviany,
4al homoj, kiuj sidas inter la tomboj kaj noktas en kavernoj, mangxas viandon de porko, kaj havas abomenindan supon en siaj vazoj;
5Izay manao hoe: Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masina, fa tsy ianao, ireny dia setroka ao am-bavoroko, eny, afo mirehitra mandritra ny andro.
5kiuj diras:Iru for, ne alproksimigxu al mi, cxar mi estas pli sankta ol vi. Tiuj estas fumo por Mia nazo, fajro brulanta la tutan tagon.
6Indro, izao no voasoratra eo anatrehako: Tsy hangina Aho mandra-pamaliko anareo eny, mandra-pamaliko ho ao an-tratranareo [Heb. azy][Heb. tratrany]
6Tio estas enskribita antaux Mi:Mi ne eksilentos, gxis Mi repagos; kaj Mi repagos sur ilian bruston
7Ny helokareo sy ny heloky ny razanareo koa, hoy Jehovah, dia izay olona nandoro ditin-kazo manitra teny an-tendrombohitra ary nihaika Ahy teny amin'ny havoana; eny, hamatra ny valin'ny asany ho ao an-tratrany Aho aloha.
7viajn kulpojn kaj kune ankaux la kulpojn de viaj patroj, diras la Eternulo, kiuj incensis sur la montoj kaj ofendis Min sur la montetoj; kaj Mi remezuros al ili iliajn antauxajn farojn sur ilian bruston.
8Izao no lazain'i Jehovah: Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao antsampahony ka ataon'ny olona hoe: Aza simbana, fa misy fitahiana ao anatiny dia toy izany no hataoko noho ny amin'ny mpanompoko, ka tsy hanimba azy rehetra Aho.
8Tiele diras la Eternulo:Kiel se en vinberaro trovigxas mosto, oni diras:Ne difektu gxin, cxar en gxi estas beno, tiel Mi agos pro Miaj servantoj, ke Mi ne pereigu cxiujn.
9Hahatonga taranaka avy amin'i Jakoba Aho sy mpandova ny tendrombohitro avy amin'i Joda; Ary ireo voafidiko no handova azy, eny, ny mpanompoko no honina ao.
9Kaj Mi elirigos el Jakob semon kaj el Jehuda heredanton de Miaj montoj, kaj heredos ilin Miaj elektitoj, kaj Miaj servantoj tie logxos.
10Sarona ho tonga fiandrasana ondry ary ny lohasaha akora ho fandrian'omby, ho an'ny oloko izay nitady Ahy.
10Kaj SXaron estos pasxtejo de sxafoj, kaj la valo Ahxor kusxejo de bovoj por Mia popolo, kiu sercxas Min.
11Fa ny aminareo izay mahafoy an'i Jehovah sy manadino ny tendrombohitro masina, sady mamelatra latabatra ho an'i Gada sy mampidina divay noharoharoan-javatra ho an'i Meny, [Gada = Zara, ary Meny = Vintana; samy anaran'andriamani-tsi-izy ireo][Heb. mameno]
11Sed vin, kiuj forlasis la Eternulon, forgesis Mian sanktan monton, arangxas tablon por la Felicxo, kaj faras versxon por la Destino-
12Dia hotendreko ho voan'ny sabatra ianareo ka hankohofina hovonoina avokoa, satria niantso Aho, fa tsy namaly ianareo, niteny Aho, fa tsy nihaino ianareo, fa nanao izay ratsy eo imasoko, ary izay tsy sitrako no nofidinareo.
12vin Mi destinos por la glavo, kaj cxiuj vi genuos por la bucxo, pro tio, ke Mi vokis kaj vi ne respondis, Mi parolis kaj vi ne auxskultis, kaj vi faris malbonon antaux Miaj okuloj, kaj elektis tion, kio ne placxis al Mi.
13Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ny mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho mosarena; Indro, ny mpanompoko hisotro, fa ianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho menatra;
13Tial tiele diras la Sinjoro, la Eternulo:Jen Miaj servantoj mangxos, kaj vi malsatos; Miaj servantoj trinkos, kaj vi soifos; Miaj servantoj gxojos, kaj vi hontos;
14Indro, ny mpanompoko hihoby noho ny faharavoam-po, fa ianareo kosa hitoloko noho ny alahelom-po sy hidradradradra noho ny fahoriam-panahy.[Heb. fanaintanam-po][Heb. fahatorotoroam-panahy]
14Miaj servantoj kantos pro kora gajeco, kaj vi krios pro kora doloro kaj ploros pro aflikto de spirito.
15Ary hamela ny anaranareo ho fiozonana amin'ireo voafidiko ianareo, ary hahafaty anao Jehovah Tompo; fa ny mpanompony kosa dia homeny anaram-baovao;
15Kaj vi donos vian nomon al Miaj elektitoj por malbeno, kaj la Sinjoro, la Eternulo, vin mortigos; sed Siajn servantojn Li nomos per alia nomo.
16Ka izay miarahaba tena etỳ ambonin'ny tany dia hanao izany amin'ny anaran'Andriamanitry ny Amena; ary izay mianiana etỳ ambonin'ny tany dia hianiana amin'Andriamanitry ny Amena, satria efa hadino ny fahoriana taloha, sady voafina izany ka tsy hitan'ny masoko. [Amena = fahamarinana]
16Kiu sin benos sur la tero, tiu benos sin per la Dio vera; kaj kiu jxuros sur la tero, tiu jxuros per la Dio vera; cxar forgesitaj estos la antauxaj suferoj kaj forkasxigxos antaux Miaj okuloj.
17Fa, indro, Izaho mahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka dia tsy hotsarovana intsony ny taloha, na ho mby ao an-tsaina akory aza.
17CXar jen Mi kreos novan cxielon kaj novan teron; kaj la antauxajxo ne estos rememorigata, kaj oni ne pensos pri gxi.
18Fa mifalia kosa sy miravoravoa mandrakizay, satria mahary izany Aho; fa, indro, mahary an'i Jerosalema ho fifaliana Aho ary ny olony ho firavoravoana.
18Kaj vi nur gxojos kaj estos gajaj cxiam pri tio, kion Mi kreos; cxar jen Mi kreos Jerusalemon por gxojo kaj gxian popolon por gajeco.
19Dia ho faly amin'i Jerosalema Aho sy ho ravoravo amin'ny oloko; ary ny feo mitomany tsy ho re any intsony, na ny feo mitaraina.
19Kaj Mi gxojos pri Jerusalem, kaj Mi estos gaja pri Mia popolo; kaj oni ne plu auxdos en gxi vocxon de ploro, nek vocxon de plendo.
20Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina.[Na: Ary ny mpanota izay mahatratra zato taona ihany dia hatao ho voaozona]
20Ne plu estos tie infano aux maljunulo, kiu ne atingus la plenecon de siaj tagoj; cxar junulo mortos en la agxo de cent jaroj, kaj pekulo estos malbenata per agxo centjara.
21Hanao trano ny olona ka hitoetra ao; Ary hanao tanim-boaloboka ny olona ka hihinana ny vokatra aminy.
21Ili konstruos domojn kaj logxos en ili; ili plantos vinbergxardenojn kaj mangxos iliajn fruktojn.
22Tsy hanao trano hitoeran'olon-kafa izy, Na hamboly zavatra hohanin'olon-kafa; Fa ho tahaka ny andron'ny hazo ny andron'ny oloko, Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin'ny asan'ny tanany.
22Ili ne konstruos, ke alia logxu; ili ne plantos, ke alia mangxu; cxar kiel la tagoj de arbo estas la tagoj de Mia popolo, kaj Miaj elektitoj eluzos la produktojn de siaj manoj gxis plena malnovigxo.
23Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; Fa taranak'izay notahin'i Jehovah ireo, Ary ny terany ho ao aminy.[Na: Mbamin'ny terany koa]
23Ili ne laboros vane kaj ne naskos por pereo; cxar ili estos semo de benitoj de la Eternulo, kaj iliaj posteuloj kun ili.
24Raha tsy mbola miantso aza izy dia hamaly Aho; Ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho.Ny amboadia sy ny zanak'ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah.[lopa]
24Kaj estos tiel, ke antaux ol ili vokos, Mi respondos; ili estos ankoraux parolantaj, kaj Mi jam auxdos.
25Ny amboadia sy ny zanak'ondry hiara-komana, Ary ny liona hihina-mololo tahaka ny omby, Ary ny menarana, dia vovoka no ho fihinany; Ary tsy handratra na hanimba eran'ny tendrombohitro masina izy, hoy Jehovah.[lopa]
25Lupo kaj sxafido pasxtigxos kune, leono simile al bovo mangxos pajlon, kaj mangxajxo de serpento estos polvo. Ili ne faros malbonon nek difekton sur Mia tuta sankta monto, diras la Eternulo.