1[Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
1Ijob respondis kaj diris:
2Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra.
2Mi auxdis multe da similaj aferoj; Tedaj konsolantoj vi cxiuj estas.
3Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?
3CXu estos fino al la ventaj vortoj? Kaj kio vin incitis, ke vi tiel parolas?
4Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;
4Mi ankaux povus paroli, kiel vi. Se vi estus sur mia loko, Mi konsolus vin per vortoj Kaj balancus pri vi mian kapon.
5Mahazo mampahery anareo amin'ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana ataon'ny molotro.
5Mi fortigus vin per mia busxo Kaj konsolus vin per paroloj de miaj lipoj.
6Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangina aza aho, dia tsy misy mihena izany.
6Se mi parolos, mia doloro ne kvietigxos; Se mi cxesos, kio foriros de mi?
7Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra.
7Sed nun Li lacigis min, Li detruis mian tutan esencon.
8Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany.[Na: nosamborinao aho]
8Vi faris al mi sulkojn, tio farigxis atesto; Mia senfortigxo staras antaux mia vizagxo, kaj parolas.
9Amin'ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;
9Lia kolero dissxiras; Mia malamanto grincigas kontraux mi siajn dentojn; Mia premanto briligas kontraux mi siajn okulojn.
10Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy.
10Ili malfermegis kontraux mi sian busxon, insulte batas min sur la vangojn; CXiuj kune kontentigis sur mi sian koleron.
11Efa voatolotr'Andriamanitra ho amin'ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-tànan'ny mpanota.
11Dio transdonis min al maljustulo, JXetis min en la manojn de malbonuloj.
12Tamin'ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin'ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.
12Mi estis trankvila; sed Li frakasis min, Li kaptis min je la kolo, disbatis min, Kaj Li faris min por Si celo.
13Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin'ny tany.
13Liaj pafistoj min cxirkauxis; Li dishakas miajn internajxojn kaj ne kompatas, Li elversxas sur la teron mian galon.
14Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.
14Li faras en mi brecxon post brecxo, Li kuras kontraux min kiel batalisto.
15Lamba fisaonana no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin'ny vovoka ny tandroko.[Heb. lamba malailay]
15Sakajxon mi kudris sur mian korpon, Kaj en polvo mi kasxis mian kornon.
16Ny tavako tera-menan'ny fitomaniana, ary eo amin'ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;
16Mia vizagxo sxvelis de plorado, Kaj sur miaj palpebroj estas morta ombro;
17Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.
17Kvankam ne trovigxas perfortajxo en miaj manoj, Kaj mia pregxo estas pura.
18Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!
18Ho tero, ne kovru mian sangon, Kaj mia kriado ne trovu haltejon.
19Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin'ny avo.
19Vidu, en la cxielo estas mia atestanto, Kaj mia konanto estas en la altaj sferoj.
20Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan'Andriamanitra kosa aho,
20Parolistoj estas por mi miaj amikoj; Sed mia okulo larmas al Dio,
21Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak'olombelona amin'ny sakaizako.[Heb. sakaizany]Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin'ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho.
21Ke Li decidu inter homo kaj Dio, Inter homo kaj lia amiko.
22Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin'ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho.
22CXar la nombro de la jaroj pasos, Kaj mi iros sur vojon nereveneblan.