1[Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
1Ijob respondis kaj diris:
2Endrey! nanohana ny tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka ny sandry malemy!
2Kiel vi helpas al tiu, kiu ne havas forton! Kiel vi subtenas tiun, kies brako estas senforta!
3Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry sy nampahafantatra izay fahendrena betsaka!
3Kian konsilon vi donas al tiu, kiu ne havas sagxon, Kaj kiel grandan prudenton vi montras!
4Iza no nandaharanao teny? Ary fanahin'izay no nivoaka avy tao aminao?
4Al kiu vi parolas vortojn? Kaj kies spirito eliras el vi?
5Ny matoatoa dia ampanaintainina Any ambanin'ny rano sy any ambanin'ny mponina any.
5La mortintoj tremas sub la akvo, Kaj ankaux tiuj, kiuj vivas en gxi.
6Ny fiainan-tsi-hita miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra.[Heb. Sheola]
6SXeol estas malkovrita antaux Li, Kaj la abismo ne havas kovron.
7Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin'ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin'ny tsy misy.
7Li etendis la nordon super la malpleno, Li pendigis la teron sur nenio.
8Fonosiny amin'ireo rahony matevina ny rano, nefa ny fanambanin'ny rahona tsy mety triatra.
8Li ligas la akvon en Siaj nuboj, Kaj nubo ne krevas sub tio.
9Manakona ny seza fiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin'ny amelarany ny rahony hanarona azy.
9Li kovras la tronon Kaj etendas cxirkaux gxi Sian nubon.
10Asiany faritra manodidina eny ambonin'ny rano. Hatramin'izay ihaonan'ny mazava sy ny maizina.
10Li faris limon sur la akvo, GXis la loko, kie finigxas la lumo kaj la mallumo.
11Ny andrin'ny lanitra nihozongozona sady ankona amin'ny teny mafy ataony.
11La kolonoj de la cxielo sxanceligxas Kaj tremas de Lia krio.
12Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina, ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba; [Izahao ix. 13]
12Per Sia forto Li kvietigas la maron, Kaj per Sia sagxo Li frakasas Rahabon.
13Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tànany no nitomboka ny menarana mandositra.Indro, ireny dia vao ny sisintsisin'ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?
13Per Lia spirito belegigxis la cxielo; Lia mano trapikas la tordigxantan serpenton.
14Indro, ireny dia vao ny sisintsisin'ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?
14Jen tio estas parto de Liaj vojoj; Kaj nur iometon ni auxdis pri Li. Kiu povas kompreni la tondron de Lia potenco?