1[Ny teny voalohany nataon'i Bildada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
1Kaj ekparolis Bildad, la SXuhxano, kaj diris:
2Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?
2Kiel longe vi tiel parolos, Kaj la vortoj de via busxo estos kiel forta vento?
3Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?
3CXu Dio falsas la jugxon? CXu la Plejpotenculo falsas la justecon?
4Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.
4Se viaj filoj pekis kontraux Li, Li forpusxis ilin pro ilia malbonago.
5Fa raha ianao kosa mandroso mitady an'Andriamanitra ka mifona amin'ny Tsitoha.
5Se vi sercxas Dion Kaj petegas la Plejpotenculon,
6Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan'ny fahamarinanao,[Na: hiambina]
6Se vi estas pura kaj pia, Li maldormos super vi, Kaj restarigos la bonstaton en via virta logxejo.
7Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.
7Kaj se via komenco estis malgranda, Via estonteco forte kreskos.
8Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan'ny razany
8CXar demandu la antauxajn generaciojn, Kaj primeditu tion, kion esploris iliaj patroj;
9(Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin'ny tany);
9CXar ni estas de hieraux, kaj ni nenion scias; Nia vivo sur la tero estas nur ombro.
10Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?
10Ili instruos vin, diros al vi, Kaj el sia koro elirigos vortojn.
11Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin'ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?
11CXu povas kreski kano sen malsekeco? CXu kreskas junko sen akvo?
12Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan'ny zava-maitso rehetra.
12En tia okazo gxi velksekigxas pli frue ol cxiu herbo, Kiam gxi estas ankoraux en sia fresxeco, Kiam gxi ankoraux ne estas detrancxita.
13Toy izany no lalan'izay rehetra manadino an'Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,[Na: ratsy fanahy]
13Tiaj estas la vojoj de cxiuj, kiuj forgesas Dion; Kaj pereas la espero de hipokritulo,
14Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.
14Kies fido dehakigxas, Kaj kies espero estas araneajxo.
15Miankina amin'ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.
15Li apogas sin al sia domo, sed ne restos staranta; Li ekkaptos gxin, sed ne povos sin teni.
16Mitsimoka tsara tandrifin'ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin'ny tanimboliny;
16Li estis verda antaux la suno, Kaj super lia gxardeno etendigxas liaj brancxoj;
17Mifelipelika mifaniditra eo amin'ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;
17Amase plektigxas liaj radikoj, Inter sxtonoj ili tenas sin forte;
18Kanjo nony fongorany hiala amin'ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.
18Sed kiam oni elsxiras lin el lia loko, GXi malkonfesas lin:Mi vin ne vidis.
19Indro, izany ihany no fifalian'ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin'ny vovoka.
19Tia estas la gxojo de lia vivo; Kaj el la tero kreskas aliaj.
20Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;
20Vidu, Dio ne forpusxas virtulon Kaj ne subtenas la manon de malpiuloj.
21Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao.Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain'ny ratsy fanahy.
21Li plenigos ankoraux vian busxon per rido Kaj viajn lipojn per gxojkrioj.
22Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain'ny ratsy fanahy.
22Viaj malamantoj kovrigxos per honto; Sed la tendo de malpiuloj malaperos.