Malagasy

Esperanto

Joshua

23

1[Fananarana nataon'i Josoa] Ary rehefa ela, taorian'ny nanomezan'i Jehovah fitsaharana ho an'ny Isiraely ho afaka amin'ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana,
1Longan tempon post kiam la Eternulo donis al Izrael ripozon kontraux cxiuj iliaj malamikoj cxirkauxe, Josuo maljunigxis, atingis profundan agxon.
2dia nantsoin'i Josoa ny Isiraely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso fahanterana,
2Tiam Josuo alvokis la tutan Izrael, iliajn plejagxulojn kaj cxefojn kaj jugxistojn kaj observistojn, kaj diris al ili:Mi maljunigxis, mi atingis profundan agxon.
3ary ianareo efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ireo firenena rehetra ireo teo anoloanareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo.
3Kaj vi vidis cxion, kion faris la Eternulo, via Dio, al cxiuj tiuj popoloj antaux vi; cxar la Eternulo, via Dio, mem batalis por vi.
4Indreo, efa voazarako ho lovan'ny firenenareo tamin'ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin'ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe andrefana.
4Vidu, mi dividis por vi lote tiujn restintajn popolojn, kiel posedajxon por viaj triboj, komencante de Jordan, kaj cxiujn popolojn, kiujn mi ekstermis, gxis la Granda Maro, kie subiras la suno.
5Ary Jehovah Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo; ary handova ny taniny ianareo araka izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo.
5Kaj la Eternulo, via Dio, forpusxos ilin de antaux vi kaj forpelos ilin de antaux vi; kaj vi ekposedos ilian landon, kiel diris al vi la Eternulo, via Dio.
6Dia mahereza tsara ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia,
6Penu do bone, ke vi observu kaj plenumu cxion, skribitan en la libro de instruo de Moseo, ne forklinigxante de gxi dekstren nek maldekstren,
7mba tsy hankanesanareo any amin'ireo firenena sisa eo aminareo ireo; ny anaran'ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany;
7ne komunikigxante kun tiuj popoloj, kiuj restis kun vi; kaj la nomon de iliaj dioj ne citu, kaj ne jxuru per ili, kaj ne servu al ili, kaj ne adoru ilin;
8fa Jehovah Andriamanitrareo ihany no ifikiro, araka ny nataonareo mandraka androany.
8nur al la Eternulo, via Dio, alfortikigxu, kiel vi faris gxis la nuna tago.
9Fa nandroaka firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo Jehovah; ary dia tsy nisy olona nahajanona teo anoloanareo mandraka androany.
9Kaj la Eternulo forpelis de antaux vi popolojn grandajn kaj fortajn; kaj neniu rezistis antaux vi gxis la nuna tago.
10Ny lehilahy iray aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo.
10Unu el vi forpelas milon; cxar la Eternulo, via Dio, mem batalas por vi, kiel Li diris al vi.
11Dia tandremo tsara ny fanahinareo mba ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo.
11Gardu do bone viajn animojn, por ami la Eternulon, vian Dion.
12Fa raha mihemotra ianareo ka miray aminareo ireo firenena sisa eo aminareo ireo ary mifanambady aminy ka miditra ao aminy, ary izy kosa ao aminareo,
12CXar se vi forklinigxos, kaj aligxos al tiuj restintaj popoloj, kiuj restis kun vi, kaj vi boparencigxos kun ili, kaj vi iros al ili kaj ili al vi:
13dia ho fantatrareo tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony Jehovah Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana amin'ny tehezanareo, sy ho tsilo eo amin'ny masonareo, mandra-pahalany ritranareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.
13tiam sciu, ke la Eternulo, via Dio, ne plu forpelos tiujn popolojn de antaux vi; kaj ili farigxos por vi kaptilo kaj reto, kaj vipo por viaj flankoj, kaj pikilo por viaj okuloj, gxis vi forpereos de sur tiu bona tero, kiun donis al vi la Eternulo, via Dio.
14Ary, indro, efa handeha ho amin'ny lalana falehan'ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan'i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.
14Nun mi ekiras hodiaux la vojon de la tuta mondo; kaj vi sciu per via tuta koro kaj per via tuta animo, ke ne restis neplenumita ecx unu vorto el cxiuj bonaj vortoj, kiujn la Eternulo, via Dio, diris pri vi; cxio plenumigxis por vi, ne mankis el gxi ecx unu vorto.
15Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan'i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity.Amin'izay hivadihanareo ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, ary ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin'ny tany soa nomeny anareo.
15Sed kiel plenumigxis por vi cxiuj bonaj vortoj, kiujn la Eternulo, via Dio, diris al vi, tiel la Eternulo venigos sur vin cxion malbonan, gxis Li ekstermos vin de sur tiu bona tero, kiun donis al vi la Eternulo, via Dio.
16Amin'izay hivadihanareo ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, ary ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin'ny tany soa nomeny anareo.
16Se vi malobeos la interligon de la Eternulo, via Dio, kiun Li starigis kun vi, kaj vi iros kaj servos al aliaj dioj kaj adoros ilin:tiam ekflamos kontraux vin la kolero de la Eternulo, kaj vi forpereos rapide de sur la bona tero, kiun Li donis al vi.