Malagasy

Esperanto

Leviticus

6

1[Lalàna ho an'ny mpisorona ny amin'ny fanaterany ny fanatitra samy hafa, sy ny hizarazarana azy] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
1Kaj la Eternulo ekparolis al Moseo, dirante:
2Mandidia an'i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna ny amin'ny fanatitra dorana: Ny fanatitra dorana dia ho eo amin'ny fatana eo an-tampon'ny alitara mandritra ny alina mandra-pahamaraina, ary ny afon'ny alitara hirehitra eo.
2Se iu pekos kaj krimos antaux la Eternulo, neante al sia proksimulo koncerne konfiditajxon aux deponitajxon aux rabitajxon, aux se li trompe forprenos ion de sia proksimulo,
3Any hiakanjoan'ny mpisorona ny akanjony rongony fotsy, ary ny kalisaoniny rongony fotsy dia hataony manolo-koditra, dia handraoka ny lavenona avy amin'ny fanatitra dorana izay nolevonin'ny afo teo ambonin'ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan'ny alitara.
3aux se li trovos perditajxon kaj neos tion, aux se li jxuros mensoge pri io, kion homo faras, kaj per tio pekas:
4Ary hanala ny fitafiany izy ka hitafy fitafiana hafa, dia hamoaka ny lavenona ho eny ivelan'ny toby amin'izay fitoerana madio.
4tiam, se li pekis kaj kulpigxis, li redonu la rabitajxon, kiun li rabis, aux tion, kion li trompe forprenis, aux la deponitajxon, kiu estis deponita cxe li, aux la perditajxon, kiun li trovis;
5Ary ny afo eo ambonin'ny alitara hirehitra eo ka tsy havela ho faty, fa hotohofan'ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; ary ny fanatitra dorana halahany eo amboniny ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny saboran'ny fanati-pihavanana.
5aux cxion, pri kio li mensoge jxuris, li repagu per gxia plena valoro kaj aldonu plie kvinonon de gxi; al tiu, kies tio estas, li donu gxin en la tago, kiam li alportas sian kulpoferon.
6Dia hisy afo mirehitra mandrakariva eo ambonin'ny alitara ka tsy havela ho faty.
6Kaj kiel sian kulpoferon li alportu al la Eternulo sendifektan virsxafon el la malgrandaj brutoj, laux via taksado, kiel kulpoferon, por la pastro.
7Ary izao no lalàna ny amin'ny fanatitra hohanina: Ireo zanak'i Arona no hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah eo anoloan'ny alitara.
7Kaj la pastro pekliberigos lin antaux la Eternulo, kaj estos pardonite al li pri cxio, kion li faris kaj per kio li kulpigxis.
8Ary hangalany eran-tànan-ila ny koba tsara toto amin'ny fanatitra hohanina sy ny diloilony mbamin'ny ditin-kazo manipofona rehetra izay eo ambonin'ny fanatitra hohanina, dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
8Kaj la Eternulo ekparolis al Moseo, dirante:
9Ary izay sisa amin'ireny dia hohanin'i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin'izay fitoerana masina anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana.
9Ordonu al Aaron kaj al liaj filoj, dirante:Jen estas la legxo pri la brulofero:la brulofero restu sur la fajrujo sur la altaro dum tuta nokto, gxis la mateno, kaj la fajro de la altaro restu brulanta sur gxi.
10Tsy hasiana masirasira izany raha hendasina; fa efa nomeko ho anjarany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho Ahy izany; masina dia masina izany tahaka ny fanatitra noho ny ota sy tahaka ny fanati-panonerana.
10Kaj la pastro metu sur sin sian linan veston, kaj siajn linajn pantalonojn li surmetu sur sian korpon, kaj li deprenu la cindron, kiun la fajro elbruligis el la brulofero sur la altaro, kaj li metu gxin apud la altaron.
11Ny lehilahy rehetra amin'ny zanak'i Arona no mahazo mihinana izany. Ho anjara mandrakizay ho an'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany; ho masina izay rehetra manendry izany.
11Kaj li demetu siajn vestojn kaj metu sur sin aliajn vestojn kaj elportu la cindron ekster la tendaron sur puran lokon.
12Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
12Kaj la fajro sur la altaro restu brulanta sur gxi kaj ne estingigxu; kaj la pastro bruligu sur gxi lignon cxiumatene, kaj arangxu sur gxi la bruloferon kaj bruligu sur gxi la sebon de la pacoferoj.
13Izao no fanatitr'i Arona sy ireo zanany, izay hateriny ho an'i Jehovah amin'izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon'ny efaha no hatao fanatitra hohanina isan'andro, ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.
13Eterna fajro brulu sur la altaro, ne estingigxu.
14Amin'ny lapoely no hanaovana azy ka hasiana diloilo; ary rehefa voaendy izy, dia ento; voaendy sady voavakivaky toy ny fanatitra hohanina no hanateranao azy ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah.
14Kaj jen estas la legxo pri la farunofero:la filoj de Aaron alportu gxin antaux la Eternulon sur la antauxan parton de la altaro.
15Ary ilay mpisorona avy amin'ny zanany, izay voahosotra handimby azy, no hanao izany; anjara mandrakizay ho an'i Jehovah izany ka hodorana ho fofona avokoa;
15Kaj la pastro prenu el gxi plenmanon el la delikata faruno de la farunofero kaj el gxia oleo, kaj la tutan olibanon, kiu estas sur la farunofero, kaj li bruligu sur la altaro kiel agrablan odorajxon, memorajxon al la Eternulo.
16fa ny fanatitra hohanina rehetra izay aterin'ny mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy hohanina.
16Kaj la restajxon el gxi mangxu Aaron kaj liaj filoj; senfermente ili gxin mangxu sur sankta loko, sur la korto de la tabernaklo de kunveno ili gxin mangxu.
17Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
17GXi ne estu bakata fermentinte; kiel ilian parton Mi donis gxin el Miaj fajroferoj; gxi estas plejsanktajxo, simile al pekofero kaj kulpofero.
18Mitenena amin'i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no Lalàna ny amin'ny fanatitra noho ny ota: Eo amin'ny famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanatitra noho ny ota eo anatrehan'i Jehovah; ho masina dia masina izany.
18CXiu virseksulo el la Aaronidoj povas gxin mangxi kiel eternan destinitajxon en viaj generacioj el la fajroferoj de la Eternulo; cxiu, kiu ektusxos ilin, devos esti sankta.
19ilay mpisorona manatitra azy noho ny ota no hihinana azy; eo amin'izay fitoerana masina no hihinanany azy, dia eo amin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana.
19Kaj la Eternulo ekparolis al Moseo, dirante:
20Ho masina izay rehetra manendry ny henany; ary raha misy fitafiana ipitihan'ny ràny, dia hosasanao eo amin'izay fitoerana masina izay ipitihany.
20Jen estas la ofero de Aaron kaj liaj filoj, kiun ili alportos al la Eternulo en la tago de sia sanktoleateco:dekono de efo da delikata faruno kiel konstanta farunofero, unu duono matene kaj la dua duono vespere.
21Ary ny vilany tany izay nandrahoana azy dia hovakivakina; fa raha vilany varahina kosa no nandrahoana azy, dia hofotsiana sy hosasan-drano izany.
21Sur pato kun oleo gxi devas esti preparita; bone bakitan alportu gxin; en formo de dispecigita farunofero alportu gxin kiel agrablan odorajxon al la Eternulo.
22Ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona no mahazo mihinana azy; masina dia masina izany.Fa ny fanatitra noho ny ota izay angalan-drà ho entina ao amin'ny trano-lay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin'ny fitoerana masina, dia tsy hohanina; hodorana amin'ny afo izany.
22Kaj la pastro, kiu el liaj filoj estos sanktoleita anstataux li, plenumos tion; gxi estu eterna legxo antaux la Eternulo; gxi tuta devas esti forbruligata.
23Fa ny fanatitra noho ny ota izay angalan-drà ho entina ao amin'ny trano-lay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin'ny fitoerana masina, dia tsy hohanina; hodorana amin'ny afo izany.
23Kaj cxiu farunofero de pastro estu forbruligata tuta; gxi ne estu mangxata.
24Kaj la Eternulo ekparolis al Moseo, dirante:
25Diru al Aaron kaj al liaj filoj jene:Jen estas la legxo pri la pekofero:sur tiu loko, sur kiu estas bucxata la brulofero, oni bucxu la pekoferon antaux la Eternulo; plejsanktajxo gxi estas.
26La pastro, kiu plenumas la pekoferon, mangxu gxin; sur sankta loko gxi estu mangxata, sur la korto de la tabernaklo de kunveno.
27CXiu, kiu ektusxos gxian viandon, devas esti sankta; kaj se iu aspergos per gxia sango la veston, li lavu la aspergitan pecon sur sankta loko.
28Kaj la argilan vazon, en kiu gxi estis kuirita, oni disrompu; kaj se gxi estis kuirita en kupra vazo, oni purigu cxi tiun kaj lavu gxin per akvo.
29CXiu virseksulo el la pastroj povas gxin mangxi; gxi estas plejsanktajxo.
30Sed cxiu pekofero, el kies sango oni enportos en la tabernaklon de kunveno por pekliberigo en la sanktejo, ne estu mangxata:per fajro oni gxin forbruligu.