1Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Morastita tamin'ny andro nanjakan'i Jotama sy Ahaza ary Hezetia, mpanjakan'ny Joda, dia ilay hitany ny amin'i Samaria sy Jerosalema.
1Vorto de la Eternulo, kiu aperis al Mihxa, la Moresxetano, en la tempo de Jotam, Ahxaz, kaj HXizkija, regxoj de Judujo, kaj kiun li viziis pri Samario kaj Jerusalem.
2[Ny loza hanjo an'i Samaria sy Joda] Samia mihaino ianareo, ry firenena rehetra; Atongilano ny sofinareo, ry tany sy izay zavatra rehetra eo aminy; Ary aoka Jehovah Tompo no ho vavolombelona hanameloka anareo, Dia Jehovah avy ao amin'ny tempoliny masina.
2Auxskultu, cxiuj popoloj, atentu, ho tero, kaj cxio, kio estas sur gxi! La Sinjoro, la Eternulo, estu atestanto kontraux vi, la Sinjoro el Sia sankta templo.
3Fa, indro, Jehovah mivoaka avy ao amin'ny fitoerany Ary midina ka mandia ny havoana amin'ny tany.
3CXar jen la Eternulo eliras el Sia loko, iras kaj pasxas sur la altajxoj de la tero.
4Miempo ao ambaniny ny tendrombohitra, Ary mivava ny lohasaha, Tahaka ny savoka taninin'ny afo, Sy tahaka ny rano akorotsaka eny amin'ny hantsana.
4Kaj fandigxas la montoj sub Li, kaj la valoj disfendigxas, kiel vakso antaux fajro, kiel akvo, falanta de krutajxo.
5Noho ny fahadisoan'i Jakoba sy ny fahotan'ny taranak'Isiraely no isian'izany rehetra izany. Iza no nahadiso an'i Jakoba? Tsy Samaria va? Ary iza no fitoerana avon'i Joda? Tsy Jerosalema va?
5CXio cxi tio estas pro la krimo de Jakob kaj pro la pekoj de la domo de Izrael. Kiu krimigis Jakobon? cxu ne Samario? Kiu arangxis la altajxojn de Judujo? cxu ne Jerusalem?
6Koa Samaria dia hataoko korontam-bato any an-tsaha Sy tany fambolem-boaloboka; Ary hakorotsako ho any an-dohasaha ny vatony, Ka haharihariko ny fanorenany.
6Tial Mi faros Samarion sxtonamaso sur la kampo, por plantado de vinberoj; Mi disjxetos gxiajn sxtonojn en la valon kaj nudigos gxiajn fundamentojn.
7Hotorotoroina ny sampiny voasokitra rehetra, Ary hodorana amin'ny afo ny tanginy rehetra, Sady hofoanako ny sampiny rehetra; Tangin'ny vehivavy janga no nanangonany ireny, Ary hody ho tangin'ny vehivavy janga indray izy.
7CXiuj gxiaj idoloj estos disbatitaj, cxiuj gxiaj promalcxastaj donacoj estos forbruligitaj per fajro, kaj cxiujn gxiajn statuojn Mi ruinigos; cxar per promalcxastaj donacoj gxi ilin arangxis, kaj promalcxastaj donacoj ili farigxos denove.
8Koa izany no hitomaniako sy hidradradradrako, Ka handeha sady horobaina no mitanjaka aho; Hikaonkaona toy ny amboadia aho Ary hikiakiaka toy ny ostritsa.[Heb. hisaona][Na: jakala][Heb. hitomany]
8Pri tio mi ploras kaj gxemas, iras sensxue kaj nude; mi krias plende, kiel la sxakaloj, kaj estas malgaja, kiel la strutoj.
9Fa tsy azo sitranina ny ferin'i Samaria; Fa mihatra amin'i Joda izany, Ary mahatratra ny vavahadin'ny oloko aza, dia any Jerosalema.[He. ny feriny]
9CXar senespera estas gxia plago, gxi venis gxis Judujo, atingis gxis la pordego de mia popolo, gxis Jerusalem.
10Aza ambaranareo any Gata izany, Aza mitomany akory! Mihosinkosina vovoka ao Beti-le-afra aho.[Na: mihosinkosena... ianao][Beti-le-afra = fitoeram-bovoka]
10Ne diru tion en Gat, ne ploru lauxte; en Bet-Leafra rulu vin en cindro.
11Mandehana mitanjaka mitondra henatra, ry mponina ao Safira; Tsy mivoaka ny mponina ao Zanana; Ny fisaonan'i Beti-haezela no misakana anareo tsy hijanona ao.[Safira: = tsara tarehy]
11Foriru, ho logxantino de SXafir, en nudeco kaj honto; ne eliros la logxantino de Caanan; la plorado en Bet-Ecel ne permesos al vi tie halti.
12Fa malahelo ny soa ny mponina ao Marota, Satria loza no efa nidina avy tamin'i Jehovah ho ao am-bavahadin'i Jerosalema.[Heb. manaintaina][Marota = fangidiana]
12Afliktigxas pri sia bono la logxantino de Marot; cxar malfelicxo venis de la Eternulo al la pordego de Jerusalem.
13Fehezo amin'ny soavaly haingam-pandeha ny kalesy, ry mponina ao Lakisy; Niandohan'ny fahotan'i Ziona zanakavavy iny, Fa tao aminao no nahitana ny fahadisoan'Isiraely.
13Jungu al la cxaro kurcxevalojn, ho logxantino de Lahxisx; vi estas la komenco de pekoj de la filino de Cion, cxar cxe vi oni trovis la krimojn de Izrael.
14Koa izany no hanomezanao taratasy fisaorana ho an'i Moresetagata; Ranotrambo ho an'ny mpanjakan'ny Isiraely ireo tranon'i Akziba.[Akziba = ranotrambo]
14Tial vi sendos donacojn en Moresxet-Gaton; sed la domoj de Ahxzib trompos la regxojn de Izrael.
15Mbola hitondrako olon-kandova ianao. Ry mponina ao Maresa; Ho tonga hatrany Adolama aza ny voninahitr'Isiraely.[Maresa = lova]Miheteza sy mikakasa Noho ny zanakao nahafinaritra; Halehibiazo ny solanao ho toy ny an'ny voltora, Fa lasan-ko babo niala taminao izy. [karazam-borona lehibe izay sola]
15Mi alkondukos al vi ankoraux la posedonton, ho logxantino de Maresxa; gxis Adulam venos la gloro de Izrael.
16Miheteza sy mikakasa Noho ny zanakao nahafinaritra; Halehibiazo ny solanao ho toy ny an'ny voltora, Fa lasan-ko babo niala taminao izy. [karazam-borona lehibe izay sola]
16Detondu viajn harojn kaj razu vin pro viaj amataj filoj; largxigu vian kalvon kiel aglo, cxar ili estos forkaptitaj for de vi.