1[Teny fampibebahana ny Isiraely] Masìna ianareo, mihainoa izay lazain'i Jehovah: Mitsangàna, mandahara eo anoloan'ny tendrombohitra, Ary aoka ho ren'ny havoana ny feonao.
1Auxskultu, kion diras la Eternulo:Levigxu, havu jugxan disputon kun la montoj, kaj la montetoj auxdu vian vocxon.
2Mihainoa ny adin'i Jehovah ianareo, ry tendrombohitra, Sy ianareo, ry fanorena-matezan'ny tany; Fa Jehovah manana ady amin'ny olony, Eny, amin'ny Isiraely no ifandaharany.
2Auxskultu, ho montoj, la jugxan disputon de la Eternulo, kaj ankaux vi, ho potencaj fundamentoj de la tero; cxar la Eternulo havas jugxan disputon kun Sia popolo, kaj al Izrael Li volas doni moralinstruon.
3Ry oloko, inona no nataoko taminao? Inona no nanasarako anao? Tondroy maso ary Aho.
3Ho Mia popolo! kion Mi faris al vi, kaj per kio Mi faris al vi maljustajxon? respondu al Mi.
4Fa nentiko niakatra avy tany amin'ny tany Egypta ianao Sady navotako avy tao amin'ny trano nahandevozana: Dia nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama.
4Mi elkondukis ja vin el la lando Egipta, kaj el la domo de sklaveco Mi vin elacxetis, kaj Mi sendis antaux vin Moseon, Aaronon, kaj Mirjamon.
5Ry oloko, mba tsarovy ny saina nataon'i Balaka, mpanjakan'i Moaba, Sy izay navalin'i Balama, zanak'i Beora, azy, Ary izay natao hatrany Sitima ka hatrany Gilgala, Hahafantaranareo ny asa marina nataon'i Jehovah.
5Ho Mia popolo! rememoru, kion intencis Balak, regxo de Moab, kaj kion respondis al li Bileam, filo de Beor; de SXitim gxis Gilgal, por ke vi sciu la bonfarojn de la Eternulo.
6Inona no ho entiko manatona an'i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan'Andriamanitra Izay any amin'ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho?
6Kun kio mi povas starigxi antaux la Eternulo, klinigxi antaux Dio en la alto? cxu mi starigxu antaux Li kun bruloferoj, kun jaragxaj bovidoj?
7Ho sitrak'i Jehovah va ny ondrilahy arivoarivo, Na renirano diloilo iray alina? Hanolotra ny lahimatoako noho ny fahadisoako va aho, Na ny ateraky ny kiboko noho ny fahotan'ny fanahiko?
7CXu al la Eternulo faros plezuron miloj da sxafoj aux sennombraj torentoj da oleo? cxu mi donu mian unuenaskiton pro mia krimo, la frukton de mia ventro pro la peko de mia animo?
8Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain'i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena
8Estas dirite al vi, ho homo, kio estas bona kaj kion la Eternulo postulas de vi:nur agi juste, ami bonfarojn, kaj esti modesta antaux via Dio.
9Manaitra ny tanàna ny feon'i Jehovah, Ary mahita ny anaranao ny hendry; Henoinareo ny tsorakazo sy Izay nanendry azy.[Heb. ny fahendrena; na: ary fahendrena no kendren'ny anaranao]
9La vocxo de la Eternulo vokas al la urbo, kaj sagxuloj timas Vian nomon. Humiligxu antaux la puno, kaj antaux Tiu, kiu gxin destinis.
10Mbola misy rakitry ny faharatsiana ihany va ao an-tranon'ny ratsy fanahy Sy ny famarana tsy ampy izay voaozona? [Heb. efaha]
10Ankoraux restas en la domo de malpiulo trezoroj de malpieco, kaj malbeninda malgxusta mezurilo.
11Mety madio va aho, raha manana mizana mandainga Sy kitapo misy vato tsy marina?
11CXu Mi povas aprobi falsan pesilon kaj trompajn pezilojn en la saketo?
12Fa feno loza ny mpanankarenany, Mandainga ny mponina ao aminy, Ary ny lelany dia fitaka eo am-bavany.
12CXar la ricxuloj de la urbo estas plenaj de rabemo, kaj gxiaj logxantoj parolas mensogon, kaj la lingvo de ilia busxo estas falsajxo,
13Izaho kosa dia hikapoka maharary anao Amin'ny fandringanako anao noho ny helokao.
13tial Mi dolorige vin frapos per dezertigo pro viaj pekoj.
14Hianao hihinana, nefa tsy ho voky, Fa mbola ho ao anatinao ihany ny fahanoananao; Hampirina ianao, nefa tsy hahavonjy, Ary izay voavonjinao aza dia hatolotro ho amin'ny sabatra.
14Vi mangxos, sed ne farigxos sata; doloron pro malsato vi havos en via interno; vi kasxos, sed ne povos konservi; kaj kion vi konservos, tion Mi transdonos al la glavo.
15Hiantso hamafy, nefa tsy hijinja; Hianao hanosihosy oliva, nefa tsy hihosotra diloilo, Ary hanosihosy ranom-boaloboka, nefa tsy hisotro divay;Fa fatra-pitandrina ny lalàn'i Omry Sy ny asan'ny taranak'i Ahaba rehetra ianareo Sady manaraka ny fisainany, Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan'ny oloko ianareo.
15Vi semos, sed vi ne rikoltos; vi premos olivojn, sed vi ne sxmiros vin per oleo; vi premos vinberojn, sed vi ne trinkos vinon.
16Fa fatra-pitandrina ny lalàn'i Omry Sy ny asan'ny taranak'i Ahaba rehetra ianareo Sady manaraka ny fisainany, Mba hanolorako anao ho figagana, Ary ny mponina any ho zavatra mampisitrisitra, Ka dia hitondra ny latsan'ny oloko ianareo.
16Konservigxis cxe vi la moroj de Omri kaj cxiuj faroj de la domo de Ahxab, kaj vi sekvas iliajn konsilojn, por ke Mi faru vin dezerto, viajn logxantojn mokatajxo, kaj por ke vi portu sur vi la malhonoron de Mia popolo.