Malagasy

Esperanto

Proverbs

9

1[Ny fiantsoan'ny fahendrena sy ny fahadalana] Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy;
1La sagxo konstruis sian domon, CXarpentis gxiajn sep kolonojn.
2Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa;
2GXi bucxis sian bruton, versxis sian vinon, Kaj pretigis sian tablon.
3Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon'ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe:
3GXi sendis siajn servantinojn, Por anonci sur la pintoj de la altajxoj de la urbo:
4Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin'izany tsy ampy saina dia hoy izy:
4Kiu estas naiva, tiu sin turnu cxi tien! Al la senspritulo gxi diris:
5Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko.
5Venu, mangxu de mia pano, Kaj trinku el la vino, kiun mi enversxis.
6Ilaozy ny kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin'ny lalan'ny fahalalana.[Na: Mitsahara, ry]
6Forlasu la malsagxajxon, kaj vivu; Kaj iru laux la vojo de la prudento.
7Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny.
7Kiu instruas blasfemanton, tiu prenas sur sin malhonoron; Kaj kiu penas gxustigi malpiulon, tiu estas mokata.
8Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao.
8Ne penu gxustigi blasfemanton, ke li vin ne malamu: Penu gxustigi sagxulon, kaj li vin amos.
9Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy.
9Donu al sagxulo, kaj li ankoraux pli sagxigxos; Instruu justulon, kaj li lernos pli.
10Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.
10La komenco de la sagxo estas timo antaux la Eternulo; Kaj ekkono pri la Sanktulo estas prudento.
11Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao.
11CXar per mi plimultigxos viaj tagoj, Kaj aldonigxos al vi jaroj da vivo.
12Raha hendry ianao, dia hendry ho an'ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan'izany.
12Se vi sagxigxis, vi sagxigxis por vi; Kaj se vi blasfemas, vi sola suferos.
13Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona.
13Virino malsagxa, bruema, Sensprita, kaj nenion scianta,
14Fa mipetraka eo am-baravaran'ny tranony izy, Ary amin'ny seza eny amin'ny fitoerana avo eo an-tanàna,
14Sidas cxe la pordo de sia domo, Sur segxo sur altajxo de la urbo,
15Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin'ny alehany, ka manao hoe:
15Por voki la pasantojn, Kiuj iras sian gxustan vojon:
16Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin'izay tsy ampy saina dia hoy izy:
16Kiu estas naiva, tiu sin turnu cxi tien! Kaj al la senspritulo sxi diris:
17Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin'ny fiafenana,Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin'ny halalin'ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy.[Heb: Shoela]
17Akvoj sxtelitaj estas dolcxaj, Kaj pano kasxita estas agrabla.
18Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin'ny halalin'ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy.[Heb: Shoela]
18Kaj li ne scias, ke tie estas mortintoj Kaj ke sxiaj invititoj estas en la profundoj de SXeol.