1[Fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra noho ny asany mahagaga tamin'ny nitondrany ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta] Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany.
1Gloru la Eternulon, voku Lian nomon; Sciigu inter la popoloj Liajn farojn.
2Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
2Kantu al Li, muziku al Li; Parolu pri cxiuj Liaj mirakloj.
3Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon'izay mitady an'i Jehovah.
3Lauxdu Lian sanktan nomon; GXoju la koro de tiuj, kiuj sercxas la Eternulon.
4Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany.
4Turnu vin al la Eternulo kaj al Lia potenco; Sercxu cxiam Lian vizagxon.
5Tsarovy ny asa mahagaga natao-ny Dia ny fahagagany sy ny fitsaran'ny vavany,
5Memoru Liajn miraklojn, kiujn Li faris, Liajn signomiraklojn kaj la jugxojn de Lia busxo;
6Ry taranak'i Abrahama mpanom-pony, Dia ianareo olom-boafidiny, taranak'i Jakoba.
6Vi, semo de Abraham, Lia sklavo, Filoj de Jakob, Liaj elektitoj.
7Jehovah, Izy no Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
7Li estas la Eternulo, nia Dio; Sur la tuta tero estas Liaj jugxoj.
8Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an'ny taranaka arivo mandimby,
8Li memoras eterne Sian interligon, La vorton, kiun Li testamentis por mil generacioj,
9Eny, ilay nataony tamin'i Abrahama, Sy ny fianianany tamin'Isaka;
9Kiun Li interkonsentis kun Abraham Kaj jxuris al Isaak.
10Izay naoriny ho lalana ho an'i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an'Isiraely,
10Li metis gxin por Jakob kiel legxon, Por Izrael kiel eternan interligon,
11Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin'ny famolaina,
11Dirante:Al vi Mi donos la landon Kanaanan Kiel vian parton heredan.
12Fony mbola olom-bitsy izy, Eny, vitsy sady vahiny tao,
12Kiam ili estis malgrandnombraj, Malmultaj, kaj fremduloj en gxi,
13Ary nifindrafindra tany amin'ny firenena, Sy nifindrafindra fanjakana ho amin'ny firenen-kafa,
13Kaj ili iradis de popolo al popolo, El unu regno al alia gento,
14Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:
14Tiam Li al neniu permesis premi ilin, Kaj Li punis pro ili regxojn, dirante:
15Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.
15Ne tusxu Miajn sanktoleitojn, Kaj al Miaj profetoj ne faru malbonon.
16Dia niantso ny mosary ho amin'ny tany Izy; Notapahiny avokoa ny mofo rehetra, izay tohan'aina;
16Kaj Li sendis malsaton en la landon, Rompis cxion, kio portis panon.
17Naniraka lehilahy hialoha azy Izy; Josefa namidy ho andevo;
17Li sendis antaux ili homon: Jozef estis vendita kiel sklavo.
18Nampijaliny tamin'ny fatorana ny tongony; Nogadrany vy izy.
18Oni enpremis liajn piedojn en katenojn, Fero sxargxis lian korpon,
19Mandra-pahatongan'ny fotoana hahatanterahan'ny teniny; Nizaha toetra azy ny tenin'i Jehovah.
19GXis la tempo, kiam venis Lia vorto; La parolo de la Eternulo lin elprovis.
20Naniraka ny mpanjaka hamaha azy, Eny, ny mpanapaka ny vahoaka, mba handefa azy.
20Regxo sendis kaj malligis lin, Reganto super popoloj liberigis lin;
21Nanao azy ho tompon'ny tranony izy Sy ho mpanapaka ny fananany rehetra,
21Li faris lin sinjoro super lia domo Kaj reganto super lia tuta havo,
22Mba hamatotra ny mpanapaka araka ny sitrapony, Sy hampianatra fahendrena ny loholony.
22Ke li submetu al si liajn eminentulojn Kaj sagxigu liajn maljunulojn.
23Ary Isiraely nankany Egypta; Eny, Jakoba nivahiny tany amin'ny tanin'i Hama.
23Kaj Izrael venis en Egiptujon, Kaj Jakob enmigris en la landon de HXam.
24Dia nahamaro ny taranaky ny olony ho be indrindra Izy ka nampahery azy noho ny fahavalony.
24Kaj Li tre kreskigis Sian popolon, Kaj faris gxin pli forta ol gxiaj malamikoj.
25Nampiova ny fon'ireny hankahala ny olony Izy Sy hihendry ny mpanompony.
25Li malgxustigis ilian koron, Ke ili ekmalamis Lian popolon, ekruzis kontraux Liaj sklavoj.
26Naniraka an'i Mosesy mpanompony Sy Arona izay nofidiny Izy.
26Li sendis Moseon, Sian sklavon, Kaj Aaronon, kiun Li elektis.
27Ary izy ireo nanao ny famantarany teo aminy Sy fahagagana tany amin'ny tanin'i Hama.
27Ili faris inter ili Liajn pruvosignojn Kaj miraklojn en la lando de HXam.
28Nahatonga aizina Izy ka nahamaizina; Ary tsy nandà ny teniny izy ireo.
28Li sendis mallumon kaj mallumigis; Kaj ili ne atentis Liajn vortojn.
29Nahatonga ny ranony ho rà Izy Ka nahafaty ny hazandranony.
29Li sxangxis ilian akvon en sangon, Kaj senvivigis iliajn fisxojn.
30Nisy sahona betsaka ny taniny, Eny, na dia hatrao an-trano fandrian'ny mpanjakany aza.
30Ilia tero eksvarmigis ranojn, En la cxambroj de iliaj regxoj.
31Niteny Izy, dia tonga ny lalitra betsaka Sy ny moka teny amin'ny faritaniny rehetra. [Na: fihitra, na kalalao]
31Li diris, kaj venis fiinsektoj, Pedikoj en cxiuj iliaj regionoj.
32Nahatonga havandra ho solon'ny ranonorana Izy Sy afo midedadeda teny amin'ny taniny.
32Antataux pluvo Li donis al ili hajlon, Flamantan fajron en ilia lando.
33Namely ny voalobony sy ny aviaviny Izy Ka nanapatapaka ny hazo teo amin'ny taniny.
33Li batis iliajn vinbertrunkojn kaj iliajn figarbojn, Kaj rompis la arbojn en iliaj limoj.
34Niteny Izy, dia tonga ny valala Sy ny sompanga tsy hita isa;
34Li diris, kaj venis akridoj kaj skaraboj sennombraj
35Dia nihinana ny zava-maitso rehetra teny amin'ny taniny ireny Ka nandany ny vokatry ny taniny.
35Kaj formangxis la tutan herbon en ilia lando Kaj formangxis la produktojn de ilia tero.
36Ary namely ny lahimatoa rehetra tany amin'ny taniny Izy, Dia ny voalohan'ainy rehetra.
36Kaj Li mortigis cxiujn unuenaskitojn en ilia lando, La komencajxojn de cxiuj iliaj fortoj.
37Ary dia nitondra ny olony nivoaka Izy sady nampahazo azy volafotsy sy volamena; Ary tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza tamin'ny fireneny.
37Sed ilin Li elkondukis kun argxento kaj oro, Kaj en iliaj triboj estis neniu kadukulo.
38Faly Egypta tamin'ny nahalasanany; Fa efa nahazo azy ny fahatahorana ireo.
38GXojis Egiptujo, kiam ili eliris, CXar atakis gxin timo antaux ili.
39Namelatra rahona ho fialokalofana Izy Ary afo ho fanazavana nony alina.
39Li etendis nubon, kiel kovron; Kaj fajron, por ke gxi lumu en la nokto.
40Nangataka izy ireo, dia nahatonga papelika Izy, Ary mofon-danitra no namokisany azy.
40Ili petis, kaj Li sendis koturnojn, Kaj per pano cxiela Li ilin satigis.
41Nanokatra ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin'ny tany maina ho renirano.
41Li malfermis rokon, Kaj ekfluis akvo kaj ekiris kiel rivero en la dezerto.
42Fa nahatsiaro ny teniny masina Sy Abrahama mpanompony Izy,
42CXar Li memoris Sian sanktan vorton Al Abraham, Sia sklavo.
43Dia nitondra ny olony nivoaka tamin'ny fifaliana Izy Ary ny voafidiny tamin'ny fihobiana;
43Kaj Li elkondukis Sian popolon en gxojo, Siajn elektitojn kun kantado.
44Ka dia nanome azy ny tanin'ny jentilisa Izy; Ary nandova ny vitan'ny firenena maro ireny,Mba hitandremany ny didiny, Sy hankatoavany ny lalàny. Haleloia.
44Kaj Li donis al ili la landojn de popoloj, Kaj la laboron de gentoj ili heredis;
45Mba hitandremany ny didiny, Sy hankatoavany ny lalàny. Haleloia.
45Por ke ili plenumu Liajn legxojn Kaj konservu Liajn instruojn. Haleluja!