Malagasy

Esperanto

Psalms

111

1[Salamo abidy. Ny fahatsaran'Andriamanitra, sy ny soa ataony amin'ny olony] Haleloia. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho, Eo amin'ny fivorian'ny marina sy ny fiangonan-dehibe.
1Haleluja! Mi gloras la Eternulon per mia tuta koro, En rondo de piuloj kaj en kunveno.
2Lehibe ny asan'i Jehovah, Ka dinihin'izay rehetra mankasitraka azy.
2Grandaj estas la faroj de la Eternulo, Sercxataj de cxiuj, kiuj ilin amas.
3Madera sady malaza ny asany; Ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
3Bela kaj majesta estas Lia verko, Kaj Lia justeco restas eterne.
4Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah.
4Memorindaj Li faris Siajn miraklojn; Kompatema kaj favorkora estas la Eternulo.
5Nomeny hanina izay matahotra Azy; Tsarovany mandrakizay ny fanekeny.[Heb. toha]
5Li donas mangxon al tiuj, kiuj Lin timas; Li memoras eterne Sian interligon.
6Ny herin'ny asany nasehony tamin'ny olony. Tamin'ny nanomezany azy ny lovan'ny jentilisa.
6La potencon de Siaj fortoj Li aperigis al Sia popolo, Doninte al ili la heredon de gentoj.
7Ny asan'ny tànany dia fahamarinana sy fitsarana; Mahatoky avokoa ny didiny rehetra;
7La faroj de Liaj manoj estas vero kaj justeco; Perfektaj estas cxiuj Liaj ordonoj;
8Mitoetra mafy mandrakizay doria ireny, Fa natao tamin'ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
8Ili estas fortikaj por eterne, Faritaj per vero kaj honesto.
9Manatitra fanavotana ho an'ny olony Izy; Efa nanorina ny fanekeny ho mandrakizay Izy; Masina sy mahatahotra ny anarany.Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.[Heb. ireo]
9Liberigon Li sendis al Sia popolo; Li arangxis por cxiam Sian interligon. Sankta kaj respektinda estas Lia nomo.
10Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Fahalalana tsara no ananan'izay rehetra mankatò izany; Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.[Heb. ireo]
10Komenco de sagxeco estas timo antaux la Eternulo; Bonan prudenton havas cxiuj plenumantoj. Lia gloro restas eterne.