1[Vavaka ho an'ny tranon'Andriamanitra sy ny ankohonan'i Davida] Fihirana fiakarana. Jehovah ô, tsarovy Davida Noho ny fiahiany rehetra,[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]
1Kanto de suprenirado. Rememoru, ho Eternulo, Davidon kaj cxiujn liajn suferojn;
2Dia ilay nianiana tamin'i Jehovah Sy nivoady tamin'ny Maherin'i Jakoba hoe:
2Ke li jxuris al la Eternulo, Kaj donis sanktan promeson al la Potenculo de Jakob:
3Tsy mba hiditra ao an-daiko aho, Na hiakatra amin'ny farafara fandriako,
3Mi ne eniros en la sxirmejon de mia domo, Mi ne supreniros sur la liton, pretigitan por mi;
4Tsy mba havelako hatory ny masoko, Na ho rendrehana ny hodimasoko,
4Mi ne donos dormon al miaj okuloj, Nek dormeton al miaj palpebroj,
5Mandra-pahitako fitoerana ho an'i Jehovah. Dia fonenana ho an'ny Maherin'i Jakoba.
5GXis mi trovos lokon por la Eternulo, Logxejon por la Potenculo de Jakob.
6Indro, nandre azy tany Efrata isika; Nahita azy tao amin'ny saha anaty ala isika.[Na: tany an-tsahan'i Jara]
6Jen ni auxdis, ke gxi estas en Efrata; Ni gxin trovis sur arbara kampo.
7Aoka hiditra any amin'ny fonenany isika Ka hivavaka eo amin'ny fitoeran-tongony.
7Ni iru en Lian logxejon, Ni klinigxu antaux la benketo de Liaj piedoj.
8Mitsangàna, Jehovah ô, ho amin'ny fitsaharanao, Dia Hianao sy ny fiaran'ny herinao.
8Levigxu, ho Eternulo, en Vian ripozejon, Vi kaj la kesto de Via potenco.
9Aoka ny mpisoronao hirafy fahamarinana Ary aoka ny olonao masina hihoby.
9Viaj pastroj vestigxu per justeco, Kaj Viaj fideluloj triumfu.
10Noho ny amin'i Davida mpanomponao Dia aza mampiala maina ny tavan'ny voahosotrao.
10Pro David, Via sklavo, Ne forturnu la vizagxon de Via sanktoleito.
11Jehovah efa nianiana tamin'i Davida, Ary marina izany ka tsy hitsoahany Ny ateraky ny kibonao no hapetrako eo ambonin'ny seza fiandriananao.
11La Eternulo jxuris al David veron, kaj Li ne deklinigxos de gxi: Frukton de via ventro Mi sidigos sur via trono;
12Raha hotandreman'ny zanakao ny fanekeko Sy ny teny vavolombeloko izay hampianariko azy, Dia hipetraka eo ambonin'ny seza fiandriananao mandrakizay doria kosa ny zanany.
12Se viaj filoj observos Mian interligon kaj Mian legxon, kiun Mi instruos al ili, Tiam ankaux iliaj filoj eterne sidos sur via trono.
13Fa Jehovah efa nifidy an'i Ziona. Ary naniry azy ho fonenany.
13CXar la Eternulo elektis Cionon, Kaj deziris, ke gxi estu logxejo por Li:
14Ity, hoy Izy, no fitsaharako mandrakizay doria; Eto no honenako, fa efa niriko ity.
14CXi tio estas Mia ripozejo por eterne; CXi tie Mi logxos, cxar gxin Mi ekdeziris.
15Hotahiko tokoa ny fihinana ao; Hovokisako hanina ny malahelo ao.
15GXian nutrajxon Mi abunde benos, GXiajn malricxulojn Mi satigos per pano.
16Ny mpisorona ao dia hampitafiko famonjena; Ary hihoby tokoa ny olo-masina ao.
16Kaj gxiajn pastrojn Mi vestos per savo; Kaj gxiaj fideluloj gxojos kaj triumfos.
17Ao no hampitsimohako tandroka ho an'i Davida Sy hanamboarako jiro ho an'ny voahosotro.Ny fahavalony hampitafiko henatra; Fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satro-boninahiny.
17Tie Mi elkreskigos kornon al David, Tie Mi arangxos lumilon por Mia sanktoleito.
18Ny fahavalony hampitafiko henatra; Fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satro-boninahiny.
18Liajn malamikojn Mi kovros per honto; Sed sur li brilos lia krono.