1[Fivavaky ny ory mba hovonjen'Andriamanitra tsy ho azon'ny hery sy ny reharehan'ny fahavalony] Fivavak'i Davida. Jehovah ô, mihainoa ny rariny, mandrenesa ny fitarainako, atongilano ny sofinao amin'ny fivavako avy amin'ny molotra tsy misy fitaka.
1Pregxo de David. Auxskultu, ho Eternulo, la justulon, atentu mian krion, Donu orelon al mia pregxo el ne malsincera busxo.
2Hivoaka avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; ny masonao hijery marina.
2De Vi venos mia jugxo; Viaj okuloj rigardos la veremecon.
3Nizaha toetra ny foko Hianao, namantatra ahy nony alina; nizaha toetra ahy tamin'ny memy Hianao, fa tsy nahita na inona na inona; ny vavako tsy hafa noho ny eritreritro. [Na: fa tsy nahita hevi-dratsy; Tsy ho diso ny vavako na: Mikasa tsy hampanota ny vavako aho]
3Vi esploras mian koron, ekzamenas gxin en la nokto; Vi elprovas min, Kaj Vi trovas nenion, kion mi intencus, Sed kio ne volus eliri el mia busxo.
4Ny amin'ny asan'ny olona, dia ny tenin'ny molotrao no nitandremako tsy ho amin'ny lalan'ny mpanao an-keriny.
4Pri homaj faroj, konforme al la vortoj el Via busxo, Mi gardis min de vojoj kontrauxlegxaj.
5Ny diako maharitra eo amin'ny lalanao, tsy solafaka ny tongotro.
5Miaj pasxoj tuj sekvas en Viaj postesignoj, miaj piedoj ne sxanceligxas.
6Izaho miantso Anao, ka mamaly ahy Hianao, Andriamanitra ô; atongilano amiko ny sofinao, ka henoy ny teniko.
6Mi vokas al Vi, cxar Vi respondos al mi, ho Dio; Klinu al mi Vian orelon kaj auxdu mian parolon.
7Ataovy mahagaga ny famindram-ponao, ry Mpamonjy amin'ny tananao ankavanana izay olona mialoka aminao, mba tsy ho azon'ny fahavalo.
7Montru Vian mirindan favorkorecon, Vi, kiu per Via dekstra mano helpas la fidantojn kontraux la atakantoj.
8Arovy tahaka ny anakandriamaso aho, afeno ao ambanin'ny aloky ny elatrao,
8Gardu min kiel la pupilon de la okulo, Per la ombro de Viaj flugiloj kasxu min
9Mba tsy ho azon'ny ratsy fanahy izay mampahory ahy, dia ny fahavaloko masiaka, izay manodidina ahy.
9De la malbonuloj, kiuj atakas min, De miaj malamikoj, kiuj cxirkauxe insidas kontraux mia animo.
10Efa mihirim-belona izy; teny miavonavona no aloaky ny vavany.
10Sian koron ili fermis, Per sia busxo ili parolas fiere.
11Manodidina anay amin'ny alehanay ankehitriny izy, Vandrininy hapotrany amin'ny tany izahay;[Na: Ahy]
11Kien ni iras, ili nin cxirkauxas; Siajn okulojn ili direktas, por jxeti nin sur la teron.
12Ny fijery azy dia tahaka ny liona noana ta-hamiravira, sy tahaka ny liona tanora mamitsaka ao am-pierena.
12Li similas leonon, kiu avidas akiron, Kaj leonidon, kiu sidas en kasxita loko.
13Mitsangàna, Jehovah ô, sakano izy, aripaho izy; vonjeo amin'ny sabatrao ny fanahiko tsy ho azon'ny ratsy fanahy;
13Levigxu, ho Eternulo, antauxvenu kaj renversu lin; Savu mian animon kontraux la malbonulo per Via glavo,
14Vonjeo amin'ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon'ny olon'izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin'izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an'ny zanany madinika.Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.
14Kontraux la homoj, ho Eternulo, per Via mano, Kontraux la homoj de cxi tiu mondo, kiuj havas sian parton en la nuna vivo, Kaj kies ventron Vi plenigis per Viaj trezoroj, Ke iliaj filoj estos sataj kaj ili lasos restajxon por siaj infanoj.
15Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.
15Kaj mi en pieco rigardos Vian vizagxon; Vekigxante, mi satigxos per Via bildo.