Malagasy

Esperanto

Psalms

2

1[Ny mpikomy amin'Andriamanitra sy ny Mesiany] Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena?
1Kial tumultas popoloj, Kaj gentoj pripensas vanajxon?
2Ireo mpanjakan'ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe:
2Levigxas regxoj de la tero, Kaj eminentuloj konsiligxas kune, Kontraux la Eternulo kaj kontraux Lia sanktoleito, dirante:
3"Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany."
3Ni dissxiru iliajn ligilojn, Kaj ni dejxetu de ni iliajn sxnurojn!
4Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo.
4La logxanta en la cxielo ridas, La Sinjoro mokas ilin.
5Dia hiteny azy amin'ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin'ny fahatezerany hoe:
5Tiam Li parolos al ili en Sia kolero, Kaj per Sia furiozo Li ilin ektimigos, dirante:
6"Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin'i Ziona, tendrombohitro masina."
6Mi starigis ja Mian regxon Super Cion, Mia sankta monto.
7"Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.
7Mi raportos pri la decido: La Eternulo diris al mi:Vi estas Mia filo, Hodiaux Mi vin naskis.
8Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran'ny tany ho fanananao.
8Petu Min, kaj Mi donos al vi popolojn por heredo, Kaj por posedo limojn de tero.
9Hotorotoroinao amin'ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy."
9Vi disbatos ilin per fera sceptro, Kiel potan vazon vi ilin dispecigos.
10Ary amin'izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran'ny tany.
10Kaj nun, ho regxoj, prudentigxu; Instruigxu, jugxistoj de la tero!
11Manompoa an'i Jehovah amin'ny fahatahorana, ary mifalia amin'ny fangovitana.Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.
11Servu al la Eternulo kun timo, Kaj gxoju kun tremo.
12Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy.
12Kisu la filon, ke Li ne koleru, kaj vi ne pereu sur la vojo, CXar baldaux ekbrulos Lia kolero. Felicxaj estas cxiuj, kiuj fidas Lin.