Malagasy

Esperanto

Psalms

21

1[Fisaorana atao rehefa miverina avy any an-tafika ny mpanjaka] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, ny herinao no hifalian'ny mpanjaka; ary endrey ny haben'ny hiravoravoany amin'ny famonjenao!
1Al la hxorestro. Psalmo de David. Ho Eternulo, pro Via forto gxojas la regxo, Kaj pro Via helpo kiel forte li triumfas!
2Ny nirin'ny fony dia nomenao azy, ary ny nangatahin'ny molony tsy mba nolavinao.
2Kion lia koro deziris, tion Vi donis al li; Kaj la peton de lia busxo Vi ne rifuzis. Sela.
3Fa notsenainao fitahiana soa izy; teo an-dohany nasianao satro-boninahitra tena volamena.
3Vi antauxvenas al li kun beno de bono; Vi metis sur lian kapon kronon el pura oro.
4Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.
4Vivon li petis de Vi; Kaj Vi donis al li longan vivon por cxiam kaj eterne.
5Lehibe ny voninahiny amin'ny famonjenao; Laza sy voninahitra no nataonao taminy.
5Granda estas lia honoro pro Via helpo; Gloron kaj majeston Vi metis sur lin.
6Fa nataonao ho fitahiana mandrakizay izy; ampifalinao indrindra amin'ny tavanao izy.
6Vi donas al li eternajn benojn; Vi gajigas lin per gxojo antaux Via vizagxo.
7Fa ny mpanjaka matoky an'i Jehovah, ary noho ny famindram-pon'ny Avo Indrindra dia tsy hangozohozo izy.
7CXar la regxo fidas la Eternulon, Kaj pro favoro de la Plejaltulo li ne falos.
8Ho azon'ny tananao ny fahavalonao rehetra; eny, ho azon'ny tananao ankavanana ny mankahala anao;
8Trovos Via mano cxiujn Viajn malamikojn, Via dekstra trovos Viajn malamantojn.
9Hataonao tahaka ny fatana misy afo mirehitra izy amin'ny andro hisehoanao, Jehovah handany azy amin'ny fahatezerany, ary handevona azy ny afo.
9Vi similigos ilin al brulanta forno, kiam Vi koleros; La Eternulo englutos ilin per Sia kolero, Kaj fajro ilin formangxos.
10Ny zanany haringanao tsy ho eo amin'ny tany, ary ny taranany tsy ho eo amin'ny zanak'olombelona;[Heb: vokany]
10Ilian naskitaron Vi ekstermos de sur la tero, Kaj ilian semon el inter la homidoj.
11Fa nikasa hanisy ratsy anao izy, ka namoron-kevi-dratsy fa tsy nahefa.
11CXar ili preparis malbonon por Vi, Pripensis atencon, sed ne povis gxin plenumi.
12Fa hampiamboho azy ianao; ny tsipìkanao no ikendrenao ny tavany.Misandrata amin'ny herinao, Jehovah ô, hihira sy hankalaza ny herinao izahay.
12Vi devigos ilin turni al Vi la dorson, Viajn tendenojn Vi direktos kontraux iliajn vizagxojn.
13Misandrata amin'ny herinao, Jehovah ô, hihira sy hankalaza ny herinao izahay.
13Levigxu, ho Eternulo, en Via forto; Ni kantos kaj gloros Vian potencon.