1[Fangatahana mba tsy hatao ho naman'ny ratsy fanahy] Nataon'i Davida. Tsarao aho, Jehovah ô, fa mandeha amin'ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho.
1De David. Jugxu min, ho Eternulo, cxar mi iris en sincereco kaj la Eternulon mi fidis; Mi ne sxanceligxos.
2Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko.
2Esploru min, ho Eternulo, kaj elprovu min; Refandu mian internajxon kaj mian koron.
3Fa ny famindram-ponao no eo anoloan'ny masoko; ary mandeha amin'ny fahamarinanao aho.
3CXar Via favorkoreco estas antaux miaj okuloj; Kaj mi marsxas en Via vero.
4Tsy mba miara-mipetraka amin'ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin'ny olom-petsy.
4Mi ne sidas kun homoj malveremaj, Kaj kun falsemuloj mi ne iros.
5Halako ny fiangonan'ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin'ny ratsy fanahy aho.
5Mi malamas societon de malbonfarantoj, Kaj kun malpiuloj mi ne sidos.
6Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin'ny alitaranao, Jehovah ô,
6Mi lavas miajn manojn per senkulpeco; Kaj mi movigxas cxirkaux Via altaro, ho Eternulo,
7Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra.
7Por auxdigi lauxte gloradon Kaj famigi cxiujn Viajn miraklojn.
8Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan'ny voninahitrao.
8Ho Eternulo, mi amas la ejon de Via domo, Kaj la lokon, en kiu logxas Via gloro.
9Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin'ny mpanota, na ny aiko amin'ny mpandatsa-drà,
9Ne pereigu mian animon kune kun la pekuloj, Nek mian vivon kun la sangaviduloj,
10Izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana.
10En kies manoj estas krimo Kaj kies dekstra mano estas plena de subacxetaj donacoj.
11Fa izaho kosa dia mandeha amin'ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho.Ny tongotro mijoro eo amin'ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an'i Jehovah.
11Kaj mi iras en senkulpeco; Liberigu min kaj korfavoru min.
12Ny tongotro mijoro eo amin'ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an'i Jehovah.
12Mia piedo staras sur ebena loko; En kunvenoj mi benos la Eternulon.