Malagasy

Esperanto

Psalms

40

1[Fisaorana noho ny famonjena efa azo sy fanolorana ny tena hankatò ny tenin'Andriamanitra, ary fangatahana ho amin'ny andro sisa] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Niandry dia niandry an'i Jehovah aho; ary nitodika nitsinjo ahy Izy ka nandre ny fitarainako.
1Al la hxorestro. Psalmo de David. Mi atende esperis al la Eternulo, Kaj Li klinigxis al mi kaj auxskultis mian krion.
2Dia nampakatra ahy avy tao amin'ny lavaka fandringanana Izy, eny, tamin'ny fotaka mandrevo; ary nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy.
2Kaj Li eltiris min el la pereiga foso, el la sxlima marcxo, Kaj Li starigis sur roko mian piedon kaj fortikigis miajn pasxojn.
3Ary nanisy fihiram-baovao teo am-bavako Izy, dia fideràna an'Andriamanitsika; maro no hahita sy hatahotra ary hatoky an'i Jehovah.
3Kaj Li metis en mian busxon novan kanton, lauxdon al nia Dio. Multaj tion vidos kaj ektimos, Kaj ili esperos al la Eternulo.
4Sambatra izay olona manao an'i Jehovah ho tokiny, ka tsy mivily ho naman'ny mpiavonavona na ny mpivadika ho amin'ny lainga.
4Felicxa estas la homo, kiu metis sian esperon sur la Eternulon Kaj ne turnis sin al la fieruloj kaj al la mensogemuloj.
5Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô. Tsy misy azo ampitahaina aminao Raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina.
5Multon Vi faris, ho Eternulo, mia Dio! Viaj mirakloj kaj pensoj estas pri ni. Neniu egalas Vin. Mi rakontos kaj parolos, Sed ili estas super cxiu kalkulo.
6Ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina tsy mba sitrakao ny sofiko nataonao malady ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy mba nilainao; [Heb: Ny sofiko no nohadinao]
6Oferojn kaj donacojn Vi ne deziras; La orelojn Vi malfermis al mi; Bruloferojn kaj pekoferojn Vi ne postulas.
7Dia hoy izaho:inty aho tonga ao amin'ny horonam-boky no nanoratana ahy.
7Tiam mi diris:Jen mi venas; En la skribrulajxo estas skribite pri mi.
8Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalanao no ato anatiko.
8Plenumi Vian volon, mia Dio, mi deziras, Kaj Viaj ordonoj estas en mia koro.
9Efa nilaza teny mahafaly ny amin'ny fahamarinana teo amin'ny fiangonana lehibe aho; indro ny molotro tsy mba nakomboko; Jehovah ô, Hianao no mahalala.
9Mi predikas justecon en granda kunveno; Jen mi ne fermas mian busxon, ho Eternulo, Vi tion scias.
10Ny fahamarinanao tsy mba nafeniko tato am-poko; ny fahamarinanao sy ny famonjenao no nambarako; tsy nanafina ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao tamin'ny fiangonana lehibe aho.
10Vian justecon mi ne kasxis en mia koro, Pri Via fideleco kaj Via helpo mi parolis; Mi ne kasxis Vian favorkorecon kaj Vian verecon antaux la granda kunveno.
11Hianao, Jehovah ô, aza miaro ny antranao tsy ho amiko; aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva.
11Vi, ho Eternulo, ne fermu Vian favorkorecon antaux mi, Via boneco kaj Via vereco cxiam min gardu.
12Fa nanodidina ahy ny fahoriana tsy tambo isaina; nahazo ahy ny heloko, ka tsy mahay mijery aho; maro noho ny volon-dohako ireny, ka reraka ny foko.
12CXar cxirkauxis min suferoj sennombraj, Atingis min miaj kulpoj, ke mi ne povas vidi; Ili estas pli multenombraj, ol la haroj sur mia kapo, kaj mia koro min forlasis.
13Aoka ho sitraky ny fonao, Jehovah ô, ny hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.
13Volu, ho Eternulo, savi min; Ho Eternulo, rapidu helpi min.
14Aoka ho indray menatra sy mangaihay izay mitady hanimba ny aiko; aoka hiamboho sy ho menatra izay mankasitraka ahy ho ory.
14Hontigxu kaj konfuzigxu tiuj, kiuj volas pereigi mian animon; Retirigxu kaj estu mokataj tiuj, kiuj deziras al mi malbonon.
15Aoka ho ankona noho ny fahamenarany ireny manao amiko hoe: Hià! sakoa izay!
15Teruritaj estu de sia honto tiuj, Kiuj diras al mi:Ha, ha!
16Aoka ho faly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; aoka izay rehetra tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Jehovah.Fa na dia ory sy malahelo aza aho, ny Tompo no mihevitra ahy; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Andriamanitro ô.
16Gaju kaj gxoju pro Vi cxiuj Viaj sercxantoj; La amantoj de Via helpo diru cxiam: Granda estas la Eternulo.
17Fa na dia ory sy malahelo aza aho, ny Tompo no mihevitra ahy; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Andriamanitro ô.
17Kaj mi estas mizera kaj malricxa; Mia Sinjoro pensu pri mi. Vi estas mia helpo kaj mia savanto; Ho mia Dio, ne malrapidu.