1[BOKY FAHAROA][Faniriana an'Andriamanitra raha lavitra an'i Ziona] Ho an'ny mpiventy hira. Maskila. Nataon'ny Koraita. Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an'ony no anirian'ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô.
1Al la hxorestro. Instruo de la Korahxidoj. Kiel cervo sopiras al fluanta akvo, Tiel mia animo sopiras al Vi, ho Dio.
2Mangetaheta an'Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; Rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan'Andriamanitra?
2Mia animo soifas Dion, la vivantan Dion; Kiam mi venos kaj aperos antaux la vizagxo de Dio?
3Ny ranomasoko no fiahiko andro aman'alina, amin'ny anaovany ahy mandrakariva hoe: Aiza izay Andriamanitrao?
3Miaj larmoj farigxis mia pano tage kaj nokte, CXar oni diras al mi cxiutage:Kie estas via Dio?
4Izao zavatra izao no hotsarovako, ka haidiko ato anatiko ny fanahiko, dia ny nandrosoako niaraka tamin'ny maro, sy ny nitarihako azy ho any an-tranon'Andriamanitra, nanao feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana.
4Elversxigxas mia animo, kiam mi rememoras, Kiel mi iradis kun la granda homamaso, kaj kondukis gxin en la domon de Dio, CXe lauxta kantado kaj glorado de festanta amaso.
5Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko, ka mitoloko ato anatiko? Manantenà an'Andriamanitra ianao, fa mbola hidera Azy ihany aho noho ny famonjen'ny tavany.
5Kial vi malgxojas, ho mia animo? Kaj kial vi konsternigxas en mi? Esperu al Dio; CXar ankoraux mi dankos Lin, La savanton de mia vizagxo kaj mian Dion.
6Andriamanitro ô, mitanondrika ato anatiko ny fanahiko; Izany no ahatsiarovako Anao eo amin'ny tanin'i Jordana sy amin'ireo Hermona ary amin'ny tendrombohitra Mizara.
6Malgxojas en mi mia animo; Tial mi rememoras pri Vi en la lando de Jordan kaj HXermon, Sur la monto Micar.
7Ny lalina miantso ny lalina noho ny firohondrohon'ny riananao; ny onjanao rehetra sy ny alon-dranonao efa nanafotra ahy.
7Abismo resonas al abismo per la bruo de Viaj falakvoj; CXiuj Viaj akvoj kaj ondoj pasis super mi.
8Jehovah handidy ny famindram-pony nony andro, ary ho amiko nony alina ny fihirana Azy, dia vavaka amin'Andriamanitry ny aiko.
8En la tago la Eternulo aperigas al mi Sian bonecon, Kaj en la nokto mi havas kanton al Li, Pregxon al la Dio de mia vivo.
9Hoy izaho amin'Andriamanitra Vatolampiko: nahoana no nanadino ahy Hianao? nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian'ny fahavaloko?
9Mi diras al Dio, mia Roko:Kial Vi min forgesis? Kial mi iradas malgaja pro la premado de la malamiko?
10Toy ny zavatra mahatorotoro ny taolako no fandatsan'ny fahavaloko ahy, ka hoy izy isan'andro: Aiza izay Andriamanitrao?Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.
10Kvazaux dispremante miajn ostojn, mokas min miaj malamikoj, Dirante al mi cxiutage:Kie estas via Dio?
11Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? Manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho, Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.
11Kial vi malgxojas, ho mia animo? Kaj kial vi konsternigxas en mi? Esperu al Dio; CXar ankoraux mi dankos Lin, La savanton de mia vizagxo kaj mian Dion.