Malagasy

Esperanto

Psalms

45

1[Tonon-kiram-panambadiana, fiderana ny mpanjaka be voninahitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon'ny Koraita. Maskila. Tonon-kiram-pitiavana. Mampiboiboika teny tsara ny foko; miteny aho, ka ny hilaza ny mpanjaka no teny ataoko; fanoratan'ny faingan-tsoratra ny lelako.
1Al la hxorestro. Por sxosxanoj. Instrua ama kanto de la Korahxidoj. Mia koro plenigxis per bona temo; Mi kantos pri regxo; Mia lango estas kiel plumo de lerta skribisto.
2Tsara tarehy noho ny zanak'olombelona ianao; fahasoavana no naidina tamin'ny molotrao; izany no nitahian'Andriamanitra anao mandrakizay.
2Vi estas la plej bela el la homidoj; CXarmo estas sur viaj lipoj; Tial Dio benis vin por cxiam.
3Fehezo eo am-balahanao ny sabatrao, ry ilay mahery, dia ny fiandriananao sy ny voninahitrao.
3Zonu vian lumbon per glavo, Vi, forta per via majesteco kaj beleco.
4Ary mitangena handroso soa aman-tsara amin'ny voninahitrao, noho ny teny marina ny fahalemem-panahim-pahamamarinana; ary hampianatra anao zava-mahatsiravina ny tananao ankavanana.
4Kaj en via beleco prosperu, forrajdu por la vero, Por justeco al la humiluloj; Kaj via dekstra mano montros miraklojn.
5Ny zana-tsipìkanao dia voaranitra - Firenena maro no ringana ka hitsakitsahinao - ka mitsatoka ao am-pon'ny fahavalon'ny mpanjaka.
5Viaj sagoj estas akraj; Kaj, faligante antaux vi la popolojn, Ili penetros en la koron de la malamikoj de la regxo.
6Ny seza fiandriananao, Andriamanitra ô, dia mandrakizay doria; tehim-pahamarinana ny tehim-panjakanao.
6Via trono estas Dia trono por cxiam kaj eterne; La sceptro de via regno estas sceptro de justeco.
7Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana anao mihoatra noho ny namanao.
7Vi amas virton kaj malamas malvirton; Tial Dio, via Dio, oleis vin per oleo de gxojo pli ol viajn kamaradojn.
8Miora sy hazo manitra ary kasia ny fitafianao rehetra, zava-maneno avy ao amin'ny lapa ivory no mampifaly anao.[Heb: ahalota]
8De mirho, aloo, kaj kasio odoras cxiuj viaj vestoj; En palacoj eburaj gxojigas vin muziko.
9Zanakavavin'andriamanjaka no isan'ny malalanao; eo ankavananao no itoeran'ny vadin'ny mpanjaka, miravaka volamena avy any Ofira.
9Regxidinoj estas inter viaj karulinoj; CXe via dekstra flanko staras edzino en Ofira oro.
10Henoy, razazavavy, dia jereo, ka atongilano ny sofinao, ary hadinoy ny firenenao sy ny tranon-drainao;
10Auxdu, filino, rigardu, kaj klinu vian orelon, Kaj forgesu vian popolon kaj la domon de via patro;
11Raha irin'ny mpanjaka ny hatsaran-tarehinao - fa izy no tomponao - dia miankohofa eo anatrehany.
11Kaj kiam la regxo deziros vian belecon, CXar li estas via sinjoro, tiam vi klinigxu antaux li.
12Ary ny zanakavavin'i Tyro hitondra fanatitra; eny, ny manan-karena amin'ny vahoaka hila sitraka aminao.
12Kaj la filino de Tiro venos al vi kun donacoj; Petegos antaux vi la ricxuloj de la popolo.
13Be voninahitra ny zanakavavin'ny mpanjaka ao anaty trano; tenona misy volamena no fitafiany.
13En sia plena ornamo estas interne la regxidino; El ora teksajxo estas sxia vesto.
14Mitafy lamba misoratsoratra izy ka entina ho ao amin'ny mpanjaka: ny zazavavy sakaizany izay manaraka azy dia entina ao aminao.
14En broditaj vestoj sxi estas kondukata al la regxo; Post sxi estas kondukataj al vi knabinoj, sxiaj koleginoj.
15Entina amin'ny fifaliana sy ny firavoravoana ireny; hiditra ao an-dapan'ny mpanjaka izy.
15Ili estas kondukataj kun gxojo kaj kantoj; Ili eniras en la palacon de la regxo.
16Ho solon-drainao ny zanakao, hotendrenao ho mpanapaka eny amin'ny tany rehetra izy.Hampahatsiaro ny anaranao hatramin'ny taranaka fara mandimby aho. Izany rehetra izany no hideran'ny firenena anao mandrakizay doria.
16Anstataux viaj patroj estos viaj filoj; Vi faros ilin princoj sur la tuta tero.
17Hampahatsiaro ny anaranao hatramin'ny taranaka fara mandimby aho. Izany rehetra izany no hideran'ny firenena anao mandrakizay doria.
17Mi memorigos vian nomon de generacio al generacio; Tial gloros vin popoloj cxiam kaj eterne.