Malagasy

Esperanto

Psalms

49

1[Ny fahafoanan'ny harena amam-boninahitra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao:
1Al la hxorestro. De la Korahxidoj. Psalmo. Auxskultu cxi tion, cxiuj popoloj; Atentu, cxiuj logxantoj de la mondo,
2Na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo.
2Kaj altrangulo kaj malaltrangulo, Ricxulo kaj malricxulo kune.
3Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan'ny foko dia fahalalana.
3Mia busxo diros sagxajxon, Kaj la penso de mia koro prudentajxon.
4Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga.
4Mi klinos mian orelon al sentenco; Sur harpo mi esprimos mian enigmon.
5Nahoana no hatahotra amin'ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian'ny mpamingana ahy,
5Kial mi devus timi en tagoj de malbono, Kiam min cxirkauxas la malboneco de miaj persekutantoj,
6Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin'ny haben'ny fananany?
6Kiuj fidas sian potencon Kaj fanfaronas per sia granda ricxeco?
7Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an'Andriamanitra izay avony,
7Fraton tute ne liberigos homo, Nek donos al Dio elacxeton por li
8(Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay),
8(Multekosta estus la elacxeto de ilia animo, Kaj neniam tio estos),
9Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin'ny lavaka.[Na: ho tratry no lò]
9Ke li restu viva eterne, Ke li ne vidu la tombon.
10Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an'ny hafa.
10Oni ja vidas, ke sagxuloj mortas, Kaj ankaux malsagxulo kaj sensciulo pereas Kaj lasas al aliaj sian havon.
11Araka ny heviny dia ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka fara mandimby; araka ny anarany no anononany ny taniny.[Na: Ankalazaina ny anarany eny amin'ny tany maro]
11Ilia deziro estas, ke iliaj domoj ekzistu por cxiam, Kaj iliaj logxejoj de generacio al generacio; Ili nomas siajn bienojn laux siaj nomoj.
12Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy.
12Sed homo ne restas longe en honoro; Li egaligxas al bruto bucxota.
13Izany no falehan'ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny.
13Tia estas ilia vojo, ilia espero, Kaj iliaj posteuloj aprobas ilian opinion. Sela.
14Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin'ny fiainan-tsi-hita; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin'ny fiainan-tsi-hita, ka tsy hisy fonenany.[Heb: Sheola]
14Kiel sxafoj ili estos metataj en SXeolon; La morto ilin pasxtos; Kaj matene virtuloj ilin ekposedos, Kaj ilia bildo pereos en SXeol, perdinte logxejon.
15Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin'ny herin'ny fiainan-tsi-hita,3 satria handray ahy Izy.[Na: Rehefa azony aho]
15Sed Dio liberigos mian animon el la mano de SXeol, CXar Li prenos min. Sela.
16Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony;
16Ne timu, kiam homo ricxigxas, Kiam grandigxas la gloro de lia domo.
17Fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny.
17CXar mortante li nenion prenos; Ne iros post li malsupren lia honoro.
18Na dia miarahaba tena aza izy, raha mbola velona - Fa hidera anao ny olona, raha manisy soa ny tenanao ianao -
18CXar kvankam li gxuigas sian animon dum sia vivado, Kaj oni vin lauxdas por tio, ke vi faras al vi bone,
19Dia hankany amin'ny razany izy, tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay ireny.Izay olona manana voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty.
19Tamen li iros al la generacio de siaj patroj, Kiuj neniam vidos lumon.
20Izay olona manana voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty.
20Homo, kiu estas en honoro, sed ne havas prudenton, Estas egala al bruto bucxota.