Malagasy

Esperanto

Psalms

55

1[Fitarainana nataon'izay navadiky ny sakaizany nahatoky azy] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Maskila nataon'i Davida. Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin'ny fitarainako.
1Al la hxorestro. Por kordaj instrumentoj. Instruo de David. Auxskultu, ho Dio, mian pregxon, Kaj ne kasxu Vin de mia petego.
2Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho,
2Atentu min, kaj respondu al mi; Mi gxemas en mia malgxojo, kaj mi ploregas,
3Noho ny feon'ny fahavalo sy ny fampahorian'ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin'ny fahatezerana no ankahalany ahy.
3Pro la kriado de la malamiko, Pro la premado de la malbonulo, CXar ili preparas kontraux mi malicon Kaj kolere min malamas.
4Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana.
4Mia koro tremas en mi; Kaj teruroj de morto min atakis;
5Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro.
5Timo kaj tremo venis sur min, Kaj konsternego min kovris.
6Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako;
6Kaj mi diris:Ho, se mi havus flugilojn kiel kolombo! Mi forflugus kaj mi ie eklogxus;
7Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any an-efitra.
7Malproksimen mi forigxus, Mi eklogxus en dezerto. Sela.
8Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon'ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra.
8Mi rapidus al rifugxejo For de ventego kaj fulmotondro.
9Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho.
9Pereigu, ho mia Sinjoro, disigu ilian langon; CXar mi vidas rabadon kaj malpacon en la urbo.
10Hodidininy andro aman'alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy;
10Tage kaj nokte ili cxirkauxas gxiajn murojn; Kaj malbonfaroj estas interne de gxi;
11Ratsy no ao anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin'ny lalàmbeny.
11Pereigemo estas interne de gxi, Kaj trompo kaj falso ne forlasas gxian straton.
12Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,- fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho;
12Ne malamiko min ja insultas-mi tion tolerus; Ne mia malamanto tenas sin grande kontraux mi-mi kasxus min de li;
13Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra,
13Sed vi, kiu estas tia sama homo, kiel mi, Mia amiko, mia kamarado,
14Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin'ny maro ho ao an-tranon'Andriamanitra.
14Vi, kun kiu ni kune intime paroladis, Iradis en la domon de Dio en la homamaso.
15Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. Aoka hidina velona any amin'ny fiainan-tsi-hita izy; fa ratsy no ao amin'ny fonenany, dia ao afovoany. [Na: Aoka hahazo azy ny fandringanana][Heb: Sheola][Na: Fa hevi-dratsy ny ao amin'ny firaketany, dia ao am-pony]
15La morto ilin kaptu, Ili iru vivaj en SXeolon; CXar malbonagado estas en iliaj logxejoj, en ilia mezo.
16Raha izaho, dia Andriamanitra no hantsoiko; ary Jehovah no hamonjy ahy.
16Mi vokas al Dio, Kaj la Eternulo min savos.
17Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy,
17Vespere kaj matene kaj tagmeze mi plendas kaj gxemas; Kaj Li auxskultas mian vocxon.
18Ka hanavotra ny fanahiko ho amin'ny fiadanana hahafahako amin'ny adin'ireny amiko, fa maro no miady amiko.
18Li liberigis pace mian animon de atako kontraux mi, Kiam ili grandanombre estis kontraux mi.
19Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin'ny taloha, ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra an'Andriamanitra.
19Dio auxskultos, kaj Li humiligos ilin, La vivanto de eterne; Sela. CXar ili ne sxangxigxas Kaj ili ne timas Dion.
20Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy.
20Li metis sian manon sur siajn amikojn, Li rompis sian interligon;
21Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny.
21Pli glata ol butero estas lia busxo, Sed milito estas en lia koro; Liaj vortoj estas pli delikataj ol oleo, Sed ili estas nudigitaj glavoj.
22Apetraho amin'i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao.
22Metu vian sxargxon sur la Eternulon, Kaj Li vin subtenos; Neniam Li lasos fali piulon.
23Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao.
23Vi, ho Dio, malsuprenigos ilin en la foson de pereo; La homoj de sango kaj falso ne atingos la duonon de siaj tagoj; Sed mi fidas Vin.