Malagasy

Esperanto

Psalms

59

1[Fitarainan'izay misy fahavalo maro mitady hahafaty azy] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Miktama nataon'i Davida, fony Saoly naniraka, ka nisy niambina ny trano hamonoana azy. Afaho amin'ny fahavaloko aho, Andriamanitro ô; asondroty eo amin'ny avo aho tsy ho azon'izay miodina amiko.
1Al la hxorestro. Por Al-asxhxet. Verko de David, kiam Saul sendis, ke oni gardu la domon, por lin mortigi. Savu min de miaj malamikoj, mia Dio; Defendu min kontraux tiuj, kiuj levigxis kontraux mi.
2Afaho amin'ny mpanao ratsy aho, ary vonjeo amin'ny mpandatsa-drà.
2Savu min de la krimuloj, Kaj kontraux la sangaviduloj helpu min.
3Fa, indro, manotrika hahazo ny aiko izy; miangona hanohitra ahy ny mahery, nefa tsy fahadisoako ary tsy fahotako, Jehovah ô.
3CXar jen ili embuskas kontraux mia animo, Fortuloj kolektigxas kontraux mi, Ne por mia krimo kaj ne por mia peko, ho Eternulo.
4Tsy heloko no ihazakazahany sy iomanany, koa mifohaza hitsena ahy, ka jereo.[Heb. vokatra]
4Sen kulpo de mia flanko ili kunkuras kaj armigxas; Rapidu renkonte al mi, kaj rigardu.
5Ary Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, mifohaza hitsara ny firenen-tsamy hafa; aza mamindra fo amin'izay mpivadika ratsy fanahy.
5Vi, ho Eternulo, Dio Cebaot, Dio de Izrael, Vekigxu, por punviziti cxiujn popolojn; Ne indulgu cxiujn krimajn malbonfarantojn. Sela.
6Miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna.
6Ili revenas vespere, bojas kiel hundoj, Kaj iras cxirkaux la urbo.
7Indro, mirezadrezatra amin'ny vavany izy; sabatra no eo amin'ny molony, fa iza, hono, no handre?
7Jen ili parolacxas per siaj busxoj; Glavoj estas sur iliaj lipoj; cxar kiu, ili diras, auxdas?
8Kanjo Hianao, Jehovah ô, hihomehy azy; Hianao haneso ny firenena rehetra.
8Sed Vi, ho Eternulo, ridos pri ili; Vi mokos cxiujn popolojn.
9Koa noho ny herin'ireny dia hiandry Anao aho; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy.
9Ho mia forto, al Vi mi min turnas; CXar Dio estas mia rifugxo.
10Andriamanitra, Izay mamindra fo amiko, no hialoha ahy; hataon'Andriamanitra faly mijery ny amin'ny fahavaloko aho.
10Mia bona Dio rapidos al mi; Dio vidigos al mi vengxon sur miaj malamikoj.
11Aza mahafaty azy Hianao, fandrao hanadino izany ny fireneko. Ampirenireneo amin'ny herinao izy, ka aripaho, ry Tompo ô, Ampinganay.
11Ne mortigu ilin, por ke ne forgesu mia popolo; Disbatu ilin per Via forto kaj faligu ilin, Ho Sinjoro, nia sxildo.
12Ny fahotan'ny vavany dia ny tenin'ny molony; aoka hosamborina amin'ny fireharehany izy, eny, noho ny ozona sy ny lainga ataony.
12La parolo de iliaj lipoj estas peko de iliaj busxoj; Ili kaptigxu per sia malhumileco, CXar ili parolas nur pri jxurrompo kaj mensogo.
13Aringano an-katezerana izy, aringano mba tsy ho ao intsony; ary aoka ho fantany fa Andriamanitra no manapaka eo amin'ny Jakoba ka hatramin'ny faran'ny tany.
13Ekstermu ilin en kolerego, ekstermu, ke ili ne plu ekzistu; Kaj ili eksciu, ke Dio regas cxe Jakob, GXis la limoj de la mondo. Sela.
14Ary miverina nony hariva ireny ka mierona tahaka ny alika, sady mandehandeha eran'ny tanàna.
14Ili revenas vespere, bojas kiel hundoj, Kaj iras cxirkaux la urbo.
15Miriorio mitady hanina izy; raha tsy voky izy, dia any ihany mandritra ny alina.
15Ili vagas pro mangxo, Kaj sen satigxo pasigas la nokton.
16Fa izaho kosa dia hihira ny herinao, ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina, satria fiarovana avo ho ahy Hianao, ary fandosirako amin'ny andro fahoriana.Ry Heriko ô, Hianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra Izay mamindra fo amiko.
16Sed mi kantos Vian forton, Kaj matene mi gloros Vian bonecon; CXar Vi estis por mi defendo kaj rifugxo En la tago de mia malfelicxo.
17Ry Heriko ô, Hianao no hankalazaiko; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, dia Andriamanitra Izay mamindra fo amiko.
17Ho mia forto, al Vi mi kantos; CXar Dio estas mia defendo, la Dio de mia favoro.