Malagasy

Esperanto

Psalms

66

1[Fiantsoana izao rehetra izao hisaotra an'Andriamanitra noho ny nataony ho an'ny mpanompony] Ho an'ny mpiventy hira. Tonon-kira. Salamo. Mihobia ho an'Andriamanitra, ry tany rehetra;
1Al la hxorestro. Kanto-psalmo. GXoje kriu al Dio tuta la tero.
2Mankalazà ny voninahitry ny anarany; omeo voninahitra Izy ho fiderana Azy.
2Muziku la gloron de Lia nomo, Faru honoron al Lia gloro.
3Lazao amin'Andriamanitra hoe: endrey, mahatahotra ny asanao! ny fahalehibiazan'ny herinao no hikoizan'ny fahavalonao Anao.
3Diru al Dio:Kiel timindaj estas Viaj faroj! Pro Via granda forto kasxigxas antaux Vi Viaj malamikoj.
4Ny tany rehetra hiankohoka eo anatrehanao ka hankalaza Anao; eny, hankalaza ny anaranao izy.
4La tuta tero klinigxas antaux Vi kaj kantas al Vi, Kantas Vian nomon. Sela.
5Avia, ka jereo ny asan'Andriamanitra, mahatahotra ny zavatra ataony amin'ny zanak'olombelona.
5Venu, kaj rigardu la farojn de Dio, Kiu estas timinda pro Siaj faroj inter la homidoj.
6Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin'Andriamanitra.[Na: Ao no aoka hifaliantsika amin']
6Li faris el maro sekan teron; Riveron oni transpasxis piede; Tie ni gxojis pro Li.
7Manjaka mandrakizay amin'ny heriny Izy, ary ny masony mandinika ny firenen-tsamy hafa; aoka tsy hanandra-tena ny maditra.
7Li regas per Sia potenco eterne; Liaj okuloj rigardas la popolojn; La ribelantoj ne levigxu. Sela.
8Misaora an'Andriamanitsika, ry firenena; ary asandrato ny feo fiderana Azy,
8Lauxdu, ho popoloj, nian Dion, Kaj lauxte auxdigu Lian gloron.
9Izay mampitoetra ny fanahintsika amin'ny fiainana ka tsy mamela ny tongotsika hangozohozo.
9Li donis vivon al nia animo, Kaj ne lasis falsxanceligxi nian piedon.
10Fa efa nizaha toetra anay Hianao, Andriamanitra ô; efa nanadio anay Hianao, tahaka ny fanadio volafotsy amin'ny memy.
10CXar Vi esploris nin, ho Dio; Vi refandis nin, kiel oni refandas argxenton.
11Efa nampiditra anay tamin'ny fandrika Hianao; efa nanisy enta-mavesatra teo am-balahanay Hianao.
11Vi enirigis nin en kaptilon, Vi metis sxargxon sur niajn lumbojn;
12Efa nampandeha ny olona hanitsaka ny lohanay Hianao; nandeha namaky ny afo sy ny rano izahay; fa nitondra anay nivoaka ho amin'ny fitahiana mahatretrika Hianao.
12Vi rajdigis homojn sur niaj kapoj; Ni trapasis fajron kaj akvon, Sed Vi elirigis nin en bonstaton.
13Hiditra ao an-tranonao mitondra fanatitra dorana aho; hefaiko aminao ny voadiko,
13Mi eniros en Vian domon kun bruloferoj; Mi plenumos al Vi miajn promesojn,
14Izay notononin'ny molotro sy naloaky ny vavako, fony aho azom-pahoriana.
14Kiujn eligis miaj lipoj kaj elparolis mia busxo, Kiam mi estis en premo.
15Hateriko aminao ho fanatitra dorana ny matavy mbamin'ny setroky ny ondrilahy; hanatitra omby sy osilahy aho.
15Grasajn bruloferojn mi alportos al Vi kun fumo de virsxafoj; Mi oferos bovidojn kaj kaprojn. Sela.
16Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an'Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an'ny fanahiko.
16Venu, auxskultu, cxiuj, kiuj timas Dion; Kaj mi rakontos, kion Li faris por mia animo.
17Izy no nantsoin'ny vavako; ary ny fanandratana Azy no teo ambanin'ny lelako.
17Al Li mi vokis per mia busxo, Kaj Lia glorado estis sub mia lango.
18Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo;[Heb: nijery]
18Se mi vidus maljustajxon en mia koro, Mia Sinjoro min ne auxskultus;
19Kanefa efa nihaino tokoa Andriamanitra; efa nihaino ny feon'ny fivavako Izy.Isorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony tamiko.
19Sed Dio auxskultis, Li atentis la vocxon de mia pregxo.
20Isorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako, na nanaisotra ny famindram-pony tamiko.
20Glorata estu Dio, Kiu ne forpusxis mian pregxon kaj ne rifuzis al mi Sian bonecon.