1[Ny fahakaikin'ny Mpitsara, sy ny kapoaky ny fahatezerany] Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona.
1Al la hxorestro. Por Al-tasxhxet. Psalmo de Asaf. Kanto. Ni gloras Vin, ho Dio, ni gloras Vin; Proksima estas Via nomo; Oni rakontas Viajn miraklojn.
2Fa ho avy tokoa amin'ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina.
2Kiam Mi elektos tempon, Mi faros justan jugxon.
3Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny.
3Tremas la tero kaj cxiuj gxiaj logxantoj; Mi fortikigis gxiajn kolonojn. Sela.
4Hoy izaho tamin'ny mpirehareha: aza mirehareha, ary tamin'ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka;[Na: Hoy izaho tamin'ny adala: Aza manao adala]
4Mi diras al la fanfaronuloj:Ne fanfaronu; Kaj al la malvirtuloj:Ne levu kornon;
5Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin'ny fahamafian-katoka.
5Ne levu supren vian kornon, Ne parolu kun nefleksebla kolo;
6Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana.[Na: Na avy amin'ny efitra ny tendrombohitra no ihavian'ny fitsarana]
6CXar ne de oriento kaj ne de okcidento Kaj ne de la dezerto venas alteco.
7Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.
7Nur Dio estas jugxanto; Unu homon Li malaltigas, kaj alian Li altigas.
8Fa misy kapoaka eo an-tànan'i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany dia hitroka ny faikany.[Na: mena]
8CXar la pokalo estas en la mano de la Eternulo, Kaj la vino sxauxmas, plena de aromajxo, kaj Li versxas el gxi; Sed nur gxian fecxon elsucxos kaj trinkos cxiuj malvirtuloj de la tero.
9Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an'Andriamanitr'i Jakoba.Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.
9Kaj mi eterne predikos, Mi kantos al la Dio de Jakob.
10Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.
10Kaj cxiujn kornojn de la malvirtuloj mi rompos; Altigxos la kornoj de virtulo.