1[Fangatahana mba hampodin'Andriamanitra indray ny fankasitrahany ny olony] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ny Koraita. Jehovah ô, efa naneho fitia tamin'ny taninao Hianao, Efa nampodinao Jakoba avy tamin'ny fahababoany.
1Al la hxorestro. Psalmo de la Korahxidoj. Vi korfavoris, ho Eternulo, Vian landon, Vi revenigis la forkaptitojn de Jakob;
2Voaisotrao ny heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra.
2Vi pardonis la kulpon de Via popolo, Vi kovris cxiujn gxiajn pekojn. Sela.
3Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Hianao, Ary niala tamin'ny fahatezeranao mirehitra.
3Vi retenis Vian tutan koleron, Forlasis Vian furiozon.
4Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay.
4Turnu Vin al ni, ho Dio de nia savo, Kaj cxesigu Vian koleron kontraux ni.
5Ho tezitra aminay mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao?
5CXu eterne Vi nin koleros, Dauxrigos Vian koleron de generacio al generacio?
6Tsy hovelominao indray va izahay, Mba hifalian'ny olonao aminao?
6CXu Vi ne revivigos nin denove, Ke Via popolo gxoju per Vi?
7Asehoy anay ny famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay ny famonjenao.
7Aperigu al ni, ho Eternulo, Vian favoron, Kaj Vian helpon donu al ni.
8Hihaino izay holazain'i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin'ny olony Izy, dia amin'ny olony masina; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin'ny fahadalana ireo.
8Mi auxdu, kion diras Dio, la Eternulo; CXar Li deklaros pacon al Sia popolo kaj al Siaj fideluloj, Ke ili ne reiru al malsagxeco.
9Eny tokoa, akaikin'izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran'ny voninahitra eo amin'ny tanintsika.
9Jam proksima estas Lia helpo al tiuj, kiuj Lin timas, Por ke ekregu honoro en nia lando.
10Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana.
10Bono kaj vero renkontigxas, Justeco kaj paco sin kisas.
11Ny fahamarinana mitsimoka amin'ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra.
11Vero elkreskas el la tero, Kaj justeco rigardas el la cxielo.
12Eny, Jehovah hanome ny tsara Ary ny tanintsika hahavoka-javatra.Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.
12Kaj la Eternulo donos bonon, Kaj nia tero donos siajn produktojn.
13Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.
13Justeco iros antaux Li Kaj faros vojon por Liaj pasxoj.