1[Fifaliana amin'Andriamanitra noho ny asany sy ny fitsarany marina] Salamo. Tonon-kira hatao amin'ny andro Sabata. Tsara ny hidera an'i Jehovah Sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô,
1Psalmo-kanto por la tago sabata. Bone estas glori la Eternulon Kaj prikanti Vian nomon, ho Plejaltulo;
2Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina,
2Rakonti matene pri Via boneco Kaj nokte pri Via fideleco,
3Amin'ny valiha tory folo Sy amin'ny feon-dokanga.
3Sur dekkorda instrumento kaj sur psaltero, Per solenaj sonoj de harpo.
4Fa ampifalinao amin'ny nataonao aho Jehovah ô; Ny asan'ny tananao no hihobiako.
4CXar Vi gxojigis min, ho Eternulo, per Viaj agoj; La farojn de Viaj manoj mi prikantos.
5Jehovah ô, akory ny halehiben'ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao.
5Kiel grandaj estas Viaj faroj, ho Eternulo! Tre profundaj estas Viaj pensoj.
6Ny ketrina tsy mahafantatra izany, Ary ny adala koa tsy mba mahalala.
6Malklerulo ne scias, Kaj malsagxulo tion ne komprenas.
7Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, Ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, Dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay.
7Kiam malvirtuloj verdestas kiel herbo Kaj cxiuj malbonaguloj floras, Tio kondukas al ilia ekstermigxo por eterne.
8Nefa Hianao, Jehovah ô, dia avo mandrakizay.
8Kaj Vi estas alta eterne, ho Eternulo.
9Fa, indreo, ny fahavalonao, Jehovah ô, Fa, indreo, ringana ny fahavalonao; Mihahaka ny mpanao ratsy rehetra.
9CXar jen Viaj malamikoj, ho Eternulo, Jen Viaj malamikoj pereas, Diskuras cxiuj malbonaguloj.
10Fa ny tandroko kosa asandratrao ho tahaka ny an'ny ombimanga; Mihosotra diloilo vaovao aho.
10Sed mian kornon Vi altigas kiel la kornon de bubalo; Mi estas oleita per fresxa oleo.
11Ary faly ny masoko mahita ny amin'ny fahavaloko, Ary finaritra ny sofiko mandre ny amin'ny ratsy fanahy izay efa mitsangana hamely ahy.
11Kaj mia okulo rigardas miajn malamikojn; Pri la malbonaguloj, miaj kontrauxuloj, auxdas miaj oreloj.
12Ny marina hamololona tahaka ny rofia; Hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy; [palma][Heb. Ho tonga lehibe]
12Virtulo verdestas, kiel palmo, Staras alte, kiel cedro sur Lebanon.
13Efa nambolena tao an-tranon'i Jehovah izy Ka maniry eo an-kianjan'Andriamanitsika;
13Plantitaj en la domo de la Eternulo, Ili verdestas en la kortoj de nia Dio.
14Mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza; Dofodofotra sy maitso izy,Mba hanambara fa mahitsy Jehovah, Vatolampiko Izay tsy misy tsiny.
14Ili floras ankoraux en la maljuneco, Estas sukplenaj kaj fresxaj,
15Mba hanambara fa mahitsy Jehovah, Vatolampiko Izay tsy misy tsiny.
15Por sciigi, ke la Eternulo estas justa, Mia fortikajxo, kaj ne ekzistas en Li maljusteco.