1[Ny fisehoan'ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny hery izay maharava ny sampy, fa mahasoa ny mpanompon'Andriamanitra kosa] Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro.
1La Eternulo regxas; gxoju la tero; Estu gajaj la multaj insuloj.
2Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandrianany.
2Nubo kaj mallumo estas cxirkaux Li; Vero kaj justeco estas la fundamento de Lia trono.
3Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina.
3Fajro iras antaux Li, Kaj bruligas cxirkauxe Liajn malamikojn.
4Mahazava izao tontolo izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro.
4Liaj fulmoj lumigas la mondon; La tero vidas, kaj tremas.
5Ny tendrombohitra miempo tahaka ny savoka eo anatrehan'i Jehovah, Dia eo anatrehan'ny Tompon'ny tany rehetra.
5Montoj fandigxas kiel vakso antaux la vizagxo de la Eternulo, Antaux la vizagxo de la Sinjoro de la tuta tero.
6Ny lanitra maneho ny fahamarinany, Ary ny firenena rehetra mahita ny voninahiny.
6La cxielo rakontas Lian veron, Kaj cxiuj popoloj vidas Lian gloron.
7Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin'ny andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan'i Jehovah ianareo andriamanitra rehetra.
7Hontigxu cxiuj, kiuj servas al idoloj, Kiuj lauxdas sin pro diacxoj. Klinigxu antaux Li cxiuj dioj.
8Ziona mandre ka faly; Ary ravoravo ny zanakavavin'i Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô.
8Auxdis kaj ekgxojis Cion, Kaj ektriumfis la filinoj de Jehuda Pro Viaj jugxoj, ho Eternulo.
9Fa Hianao, Jehovah ô, no avo indrindra ambonin'ny tany rehetra; Efa avo ambonin'ny andriamanitra rehetra Hianao.
9CXar Vi, ho Eternulo, estas Plejalta super la tuta tero, Vi tre alte levigxis super cxiuj dioj.
10Hianareo izay tia an'i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin'ny olony masina Izy Ary mamonjy azy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy.
10Amantoj de la Eternulo, malamu malbonon. Li gardas la animojn de Siaj fideluloj; Li savos ilin de la mano de malvirtuloj.
11Ny fahazavana no voafafy ho an'ny marina, Ary ny fifafiana ho an'ny mahitsy fo.Mifalia amin'i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masina.[Na: ny fahatsiarovana ny fahamasinany]
11Lumo versxigxas sur virtulon, Kaj gxojo sur purkorulojn.
12Mifalia amin'i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masina.[Na: ny fahatsiarovana ny fahamasinany]
12GXoju, virtuloj, pro la Eternulo, Kaj gloru Lian sanktan nomon.