1Ny tonon-kira tsara indrindra, izay nataon'i Solomona.
1Alta kanto de Salomono.
2[Ny ampakarina sy ny zanakavavin'i Jerosalema] Enga anie ka hanoroka ahy amin'ny fanorohan'ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao.
2Ho, li kisu min per kisoj de sia busxo! CXar via amo estas pli bona, ol vino.
3Mani-pofona ny menakao tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan'ny zatovovavy anao.
3Ho, kiel bonodoras viaj aromajxoj! Via nomo similas al elversxita oleo; Tial la frauxlinoj amas vin.
4Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin'ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.
4Altiru min; ni postkuros vin. La regxo envenigu min en siajn cxambrojn; Ho, ni gxojos kaj gajigxos kun vi; Ni memoros vian amon pli, ol vinon; Sincere oni amas vin.
5Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin'i Jerosalema, toy ny lain'i Kedara, toy ny ambain-dain'i Solomona.
5Mi estas nigra, tamen beleta, Ho filinoj de Jerusalem, Kiel la tendoj de Kedar, Kiel la tapetoj de Salomono.
6Aza mibanjina ahy, fa mivalomainty aho, satria efa azon'ny hainandro; Tezitra tamiko ny zanak'ineny; Notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho; Nefa ny tanim-boaloboko kosa, dia ny an'ny tenako, tsy mba nandrasako.
6Ne rigardu min, ke mi estas nigreta: La suno min brulkolorigis. La filoj de mia patrino koleris kontraux mi; Ili faris min gardistino de la vinbergxardenoj; Mian propran vinbergxardenon mi ne gardis.
7Lazao amiko, ry ilay tian'ny fanahiko, izay iandrasanao ny ondrinao, sy izay ampandrianao azy raha antoandro; Fa nahoana no ho tahaka izay mivezivezy foana aho Eny amin'ny andian'ny namanao? [Na: misarona fisalobonana]
7Diru al mi, ho vi, kiun mia animo amas, Kie vi pasxtas, kie vi ripozigas vian brutaron tagmeze: Kial mi similu al vagistino CXe la brutaroj de viaj kamaradoj?
8Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin'ny vehivavy, dia mandehana hanaraka ny andian'ny ondry aman'osy, ary andraso eny amin'ny lain'ny mpiandry ondry ny zanak'osinao.
8Se vi ne scias tion, ho belulino inter virinoj, Sekvu la pasxojn de la sxafaro, Kaj pasxtu viajn kapridojn cxe la tendoj de la pasxtistoj.
9[Ny mpanjaka sy ny ampakarina] Ry tompokovavy havako, ianao dia ampitahaiko amin'ny soavalivaviko mitarika ny kalesin'i Farao.
9Al la cxevalino en la cxaroj de Faraono Mi komparas vin, ho mia amatino.
10Mahatsara ny tarehinao ireo voahangy voatohy; Manendrika ny vozonao ireo rado.
10Belaj estas viaj vangoj sub la orelringoj, Via kolo sub la lacxoj de perloj.
11Nefa rojo volamena misy voavola mibontsimbontsina kosa no hataonay ho anao.
11Orajn orelringojn ni faros al vi, Kun argxentaj enkrustajxoj.
12Raha mipetraka amin'ny latabany ny mpanjaka, dia mamerovero tsara ny nardako.
12Dum la regxo sidas cxe la festotablo, Mia nardo bonodoras.
13Ny malalako dia miora am-pehezana madinika mandry eo an-tratrako.
13Kiel fasko de mirho, restanta inter miaj mamoj, Estas al mi mia amato.
14Ny malalako dia tahaka ny vonin'ny kofera amiko, any an-tanimbolin'i En-jedy.
14Kiel floraro de kofero estas por mi mia amato, En la vinbergxardenoj de En-Gedi.
15Indro, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako; Indro, tsara tarehy ianao; Voromailala ny masonao.[Na: Manana masom-boromailala ianao]
15Ho, vi estas bela, mia amatino; ho, vi estas ja bela; Viaj okuloj estas kiel cxe kolomboj.
16Indro, tsara tarehy ianao, ry malalako, eny, mahafinaritra; Maitso ny fandriantsika.Sedera ny sakamandimbin'ny tranontsika, ary kypreso ny peta-drindrintsika.
16Ho, vi estas bela, mia amato, kaj cxarma; Nia lito estas kiel fresxaj herboj;
17Sedera ny sakamandimbin'ny tranontsika, ary kypreso ny peta-drindrintsika.
17La traboj de nia domo estas cedraj, Niaj cxevronoj estas abiaj.