1[Fahitana fahadimy: ny amin'ny fanaovan-jiro, sy ny hazo oliva roa] Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko ka namoha ahy toy ny olona fohazina amin-tory.
1Kaj revenis la angxelo, kiu antauxe parolis kun mi; kaj li vekis min, kiel oni vekas iun el lia dormo.
2Dia hoy izy tamiko: Inona no hitanao? Ary hoy izaho: Hitako fa, indro, misy fanaovan-jiro tena volamena, ary ny fitoeran-diloilony dia eo an-tampony, ary ny lela fanaovan-jirony fito kosa dia eo aminy, ary misy fantsona fito avy amin'ny isan'ny lela fanaovan-jiro izay eo an-tampony;
2Kaj li diris al mi:Kion vi vidas? Mi respondis:Mi vidas kandelabron tute el oro, kaj kaliketon gxi havas sur sia supro, kaj sep lucernoj estas sur gxi, kaj po sep tubetoj trovigxas sur la lucernoj supre de gxi.
3ary misy hazo oliva roa eo anilany, ny anankiray eo an-kavanan'ny fitoeran-diloilo, ary ny anankiray eo an-kaviany.
3Kaj du olivarboj trovigxas super gxi:unu dekstre de la kaliketo kaj la dua maldekstre de gxi.
4Dia niteny tamin'ilay anjely niresaka tamiko aho nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?
4Kaj mi ekparolis kaj diris al la angxelo, kiu parolis kun mi:Kio tio estas, ho mia sinjoro?
5Ary ilay anjely niresaka tamiko dia namaly ka nanao tamiko hoe: Tsy fantatrao va ireo? Fa hoy izaho: Tsia, tompoko.
5La angxelo, kiu parolis kun mi, respondis kaj diris:CXu vi ne scias, kio tio estas? Mi diris:Ne, mia sinjoro.
6Dia namaly izy ka nanao tamiko hoe: Izao no tenin'i Jehovah amin'i Zerobabela: Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana, fa amin'ny Fanahiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro .
6Tiam li responde diris al mi jene:Tio estas la vorto de la Eternulo al Zerubabel, kaj signifas:Ne per militistaro kaj ne per forto, sed nur per Mia spirito, diras la Eternulo Cebaot.
7Iza moa ianao, ry tendrombohitra lehibe ? Ho tonga tany lemaka eo anoloan'i Zerobabela ianao; ary ho entiny mivoaka ny vato hatao tendrony sady hisy fiantsoana hoe: Fahasoavana, fahasoavana anie ho aminy! [Na: ry tendrombohitra lehibe eo anoloan'i Zerobabela? Ho tany lemaka ianao]
7Kiu vi estas, ho granda monto? antaux Zerubabel vi farigxos ebenajxo; kaj li metos la unuan sxtonon sub komuna vokado:Felicxo, felicxo al gxi!
8Dia tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
8Kaj aperis al mi vorto de la Eternulo, dirante:
9Ny tànan'i Zerobabela no nanao ny fanorenan'ity trano ity, ary ny tànany koa no hamita azy; ka dia ho fantatrao fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminao.
9La manoj de Zerubabel fondis cxi tiun domon, kaj liaj manoj ankaux finos gxin; kaj vi ekscios, ke la Eternulo Cebaot sendis min al vi.
10Fa iza no nanamavo ny andron'ny zava-madinika? Ho faly mahita ny pilao eny an-tànan'i Zerobabela ireo fito ireo, dia ny mason'i Jehovah, izay mijery eny tontolo eny eran'ny tany rehetra
10CXar kiu povas malsxati cxi tiun tagon kiel malgrandan, kiam gxoje rigardas la vertikalsxnuron en la mano de Zerubabel tiuj sep okuloj de la Eternulo, kiuj trapenetras per sia rigardo la tutan teron?
11Dia namaly aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo hazo oliva roa eo an-kavanan'ny fanaovan-jiro sy eo an-kaviany ireo?
11Tiam mi denove parolis kaj diris al li:Kion signifas tiuj du olivarboj dekstre kaj maldekstre de la kandelabro?
12Ary namaly koa aho ka nanao taminy hoe: Inona moa ireo sampahon'oliva roa eo amin'ny fantsona volamena izay mampijononoka ny diloilo volamena avy ao aminy ireo?
12Kaj mi parolis ankoraux kaj diris al li:Kion signifas la du brancxoj de olivarboj, kiuj trovigxas apud la du oraj tubetoj, tra kiuj fluas oro?
13Dia namaly izy hoe: Tsy fantatrao va ireo? Ary hoy izaho: Tsia, tompoko.Dia hoy izy: Ireo no zana-diloilo roa, izay mitsangana eo anoloan'ny Tompon'ny tany rehetra.
13Li respondis al mi kaj diris:CXu vi ne scias, kio tio estas? Mi diris:Ne, mia sinjoro.
14Dia hoy izy: Ireo no zana-diloilo roa, izay mitsangana eo anoloan'ny Tompon'ny tany rehetra.
14Tiam li diris:Tio estas du oleitoj, kiuj staras apud la Reganto de la tuta tero.