1[Fahitana fahafito: ny amin'ny kalesy efatra] Ary natopiko indray ny masoko ka hitako fa, indreo, nisy kalesy efatra nivoaka avy teo anelanelan'ny tendrombohitra roa; ary tendrombohitra varahina ireo tendrombohitra ireo.
1Mi levis denove miajn okulojn, kaj mi ekvidis:jen kvar cxaroj eliras el inter du montoj; kaj la montoj estas kupraj.
2Tamin'ny kalesy voalohany dia nisy soavaly mena; tamin'ny kalesy faharoa dia soavaly mainty;
2La unua cxaro havis cxevalojn rugxajn, la dua cxaro havis cxevalojn nigrajn,
3tamin'ny kalesy fahatelo dia soavaly fotsy; ary tamin'ny kalesy fahefatra dia soavaly sadamena. [na: sada sady matanjaka]
3la tria cxaro havis cxevalojn blankajn, kaj la kvara cxaro havis cxevalojn makulitajn kaj brunajn.
4Dia nanontany tamin'ilay anjely niresaka tamiko aho ka nanao hoe: Inona moa ireo, tompoko?
4Mi ekparolis kaj diris al la angxelo, kiu parolis kun mi:Kio tio estas, mia sinjoro?
5Ary ilay anjely namaly ka nilaza tamiko hoe: Ireo no rivotra efatry ny lanitra, izay mivoaka avy nitsangana teo anatrehan'ny Tompon'ny tany. rehetra.
5La angxelo respondis kaj diris al mi:Tio estas la kvar spiritoj de la cxielo, kiuj eliras post sia starado antaux la Reganto de la tuta tero.
6Io misy ny soavaly mainty dia mivoaka mankamin'ny tany avaratra; ary ny fotsy nivoaka nanaraka azy; ary ny sada nivoaka nankamin'ny tany atsimo.
6La cxaro kun la nigraj cxevaloj iris al la lando norda, la blankaj iris post ili, kaj la makulitaj iris al la lando suda.
7Ary ny mena dia nivoaka ka nitady handeha hivoivoy eny amin'ny tany; dia hoy izy: Mandehana ianareo, mivoivoiza eny amin'ny tany. Ka dia nandeha nivoivoy teny amin'ny tany izy. [na: matanjaka]
7La brunaj eliris, kaj deziris trairi la teron; kaj li diris:Iru, trairu la teron; kaj ili trairis la teron.
8Dia nitaraina mafy tamiko izy ka niteny tamiko hoe: Indro, ireo izay mivoaka mankamin'ny tany avaratra dia nampionona ny fanahiko tany amin'ny tany avaratra.
8Kaj li kriis al mi, kaj diris al mi jene:Vidu, tiuj, kiuj eliris al la lando norda, kontentigis Mian spiriton en la lando norda.
9[Ny satro-boninahitra teo an-dohan'i Josoa] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
9Kaj aperis al mi vorto de la Eternulo, dirante:
10Mandraisa avy amin'ny babo, dia amin'i Helday sy Tobia ary Jedaia, eny, mandehana amin'izany andro izany ihany ianao, ka midìra ao an-tranon'i Josia, zanak'i Zefania, izay novantaniny nony vao tonga avy tany Babylona izy,
10Prenu de la forkondukitoj, de HXeldaj, de Tobija, kaj de Jedaja, kaj iru en la domon de Josxija, filo de Cefanja, iru en la sama tago, kiam ili venos el Babel;
11eny, mandraisa volafotsy sy volamena, ka ataovy satro-boninahitra, dia apetraho eo an-dohan'i Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe;
11prenu argxenton kaj oron, kaj faru kronojn kaj metu sur la kapon de la cxefpastro Josuo, filo de Jehocadak,
12dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro Lehilahy atao hoe Rantsana; ary hitsimoka eo am-pitoerany ihany Izy sady hanao ny tempolin'i Jehovah. [na: solofo] [na: ary hisy hitsimoka eo ambaniny]
12kaj diru al li jene:Tiele diras la Eternulo Cebaot:Jen estas viro, kies nomo estas Markoto; li kreskos el sia loko kaj konstruos la templon de la Eternulo.
13Eny, Izy no hanao ny tempolin'i Jehovah, ary Izy no hitondra voninahitra ka hipetraka sy hanapaka eo amin'ny seza fiandrianany; ary ho mpisorona eo amin'ny seza fiandrianany Izy; ary hisy fisainam-pihavanana amin'izy roroa. [na: ary hisy mpisorona eo amin'ny seza fiandrianany]
13Li konstruos la templon de la Eternulo, li ricevos gloron kaj sidos kaj regos sur sia trono; li estos ankaux pastro sur sia trono, kaj konsiligxo paca estos inter ambaux.
14Ary ny satro-boninahitra dia ho an'i Helema sy Tobia sy Jedaia ary Hena, zanak'i Zefania, ho fampahatsiarovana ao amin'ny tempolin'i Jehovah.Ary izay lavitra dia ho avy ka hanao ao amin'ny tempolin'i Jehovah, ka dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminareo. Dia ho tonga izany, raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
14Kaj tiuj kronoj estos cxe HXelem, Tobija, Jedaja, kaj HXen, filo de Cefanja, kiel memorajxo en la templo de la Eternulo.
15Ary izay lavitra dia ho avy ka hanao ao amin'ny tempolin'i Jehovah, ka dia ho fantatrareo fa Jehovah, Tompon'ny maro, no naniraka ahy ho aminareo. Dia ho tonga izany, raha hazoto hihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
15Kaj malproksime logxantoj venos kaj konstruos en la templo de la Eternulo, kaj vi ekscios, ke la Eternulo Cebaot sendis min al vi; kaj tio okazos, se vi obeados la vocxon de la Eternulo, via Dio.