1[Ny lapa nataon'i Davida, sy ny anaran'ny zanany] Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka olona tany amin'i Davida sady nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpanao trano vato sy mpandrafitra hanao trano ho azy.
1Hiram, roi de Tyr, envoya des messagers à David, et du bois de cèdre, et des tailleurs de pierres et des charpentiers, pour lui bâtir une maison.
2Dia fantatr'i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan'ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin'ny Isiraely olony.
2David reconnut que l'Eternel l'affermissait comme roi d'Israël, et que son royaume était haut élevé, à cause de son peuple d'Israël.
3Ary Davida nampaka-bady koa tany Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy.
3David prit encore des femmes à Jérusalem, et il engendra encore des fils et des filles.
4Ary izao no anaran'ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
4Voici les noms de ceux qui lui naquirent à Jérusalem: Schammua, Schobab, Nathan, Salomon,
5sy Jibara sy Elisoa sy Elipeleta
5Jibhar, Elischua, Elphéleth,
6sy Noga sy Nafega sy Jafia
6Noga, Népheg, Japhia,
7sy Elisama sy Seliada ary Elifeleta.
7Elischama, Beéliada et Eliphéleth.
8[Ny nandresen'i Davida ny Filistina] Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan'ny Isiraely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren'i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy.
8Les Philistins apprirent que David avait été oint pour roi sur tout Israël, et ils montèrent tous à sa recherche. David, qui en fut informé, sortit au-devant d'eux.
9Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
9Les Philistins arrivèrent, et se répandirent dans la vallée des Rephaïm.
10Ary Davida nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy.
10David consulta Dieu, en disant: Monterai-je contre les Philistins, et les livreras-tu entre mes mains? Et l'Eternel lui dit: Monte, et je les livrerai entre tes mains.
11Dia niakatra nankao Bala-perazima Davida ka namely azy teo; dia hoy izy: Ny tanako no namakian'Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran'izany tany izany hoe Bala-perazima.[Bala-perazima = Tany nahavakiana]
11Ils montèrent à Baal-Peratsim, où David les battit. Puis il dit: Dieu a dispersé mes ennemis par ma main, comme des eaux qui s'écoulent. C'est pourquoi l'on a donné à ce lieu le nom de Baal-Peratsim.
12Dia nilaozan'ireny teo ireo andriamaniny, ka dia nasain'i Davida nodorana tamin'ny afo.
12Ils laissèrent là leurs dieux, qui furent brûlés au feu d'après l'ordre de David.
13Ary tonga indray ny Filistina ka nihahakahaka teny an-dohasaha indray.
13Les Philistins se répandirent de nouveau dans la vallée.
14Dia nanontany tamin'Andriamanitra indray Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy; fa mivilia azy, dia mandehana, fa ho tonga eo aminy ianao eo amin'ny tandrifin'ny hazo balsama.
14David consulta encore Dieu. Et Dieu lui dit: Tu ne monteras pas après eux; détourne-toi d'eux, et tu arriveras sur eux vis-à-vis des mûriers.
15Ary raha toa mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia miaingà amin'izay hiady; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan'ny Filistina.
15Quand tu entendras un bruit de pas dans les cimes des mûriers, alors tu sortiras pour combattre, car c'est Dieu qui marche devant toi pour battre l'armée des Philistins.
16Ary dia nanao araka izay nandidian'Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan'ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy.Ary ny lazan'i Davida niely teny amin'ny tany rehetra; ary nataon'i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an'i Davida.
16David fit ce que Dieu lui avait ordonné, et l'armée des Philistins fut battue depuis Gabaon jusqu'à Guézer.
17Ary ny lazan'i Davida niely teny amin'ny tany rehetra; ary nataon'i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an'i Davida.
17La renommée de David se répandit dans tous les pays, et l'Eternel le rendit redoutable à toutes les nations.