Malagasy

French 1910

1 Chronicles

19

1[Ny nahatonga ny niadian'i Davida tamin'ny Syriana sy ny Amonita, ary ny nahareseny azy] Ary rehefa afaka izany, dia maty Nahasy, mpanjakan'ny taranak'i Amona, ary ny zanany no nanjaka nandimby azy.
1Après cela, Nachasch, roi des fils d'Ammon, mourut, et son fils régna à sa place.
2Ary hoy Davida: Hanisy soa an'i Hanona, zanak'i Nahasy, aho, fa soa no nataon'ny rainy tamiko. Ary Davida naniraka olona hitsapa alahelo azy noho ny amin-drainy. Ary tonga tany amin'i Hanona tany amin'ny tanin'ny Amonita ny mpanompon'i Davida hitsapa alahelo azy.
2David dit: Je montrerai de la bienveillance à Hanun, fils de Nachasch, car son père en a montré à mon égard. Et David envoya des messagers pour le consoler au sujet de son père. Lorsque les serviteurs de David arrivèrent dans le pays des fils d'Ammon auprès de Hanun, pour le consoler,
3Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak'i Amona tamin'i Hanona: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan'i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha sy handrava ary hisafo ny tany va no nalehan'ireo mpanompony ireo atỳ aminao?
3les chefs des fils d'Ammon dirent à Hanun: Penses-tu que ce soit pour honorer ton père que David t'envoie des consolateurs? N'est-ce pas pour reconnaître la ville et pour la détruire, et pour explorer le pays, que ses serviteurs sont venus auprès de toi?
4Dia nosamborin'i Hanona ny mpanompon'i Davida ka noharatany, sady nofolonany hatreo amin'ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
4Alors Hanun saisit les serviteurs de David, les fit raser, et fit couper leurs habits par le milieu jusqu'au haut des cuisses. Puis il les congédia.
5Ary dia nisy lasa nanambara tamin'i Davida izay natao tamin'ireo lehilahy ireo; ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra izy, ka dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin'ny somotrareo, vao mody ianareo.[Na: menatra]
5David, que l'on vint informer de ce qui était arrivé à ces hommes, envoya des gens à leur rencontre, car ils étaient dans une grande confusion; et le roi leur fit dire: Restez à Jéricho jusqu'à ce que votre barbe ait repoussé, et revenez ensuite.
6Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa efa nanao izay nampangidy hoditra azy tamin'i Davida izy, dia naniraka nampanatitra talenta volafotsy arivo hakaramany kalesy sy mpitaingin-tsoavaly any Mesopotamia sy Syriamaka ary Zoba Hanona sy ny taranak'i Amona.
6Les fils d'Ammon virent qu'ils s'étaient rendus odieux à David, et Hanun et les fils d'Ammon envoyèrent mille talents d'argent pour prendre à leur solde des chars et des cavaliers chez les Syriens de Mésopotamie et chez les Syriens de Maaca et de Tsoba.
7Dia nanakarama kalesy roa arivo amby telo alina mbamin'ny mpanjakan'i Maka sy ny olony izy; ary tonga ireo ka nitoby tandrifin'i Medeba. Ary nivory ny taranak'Amona niala tany amin'ny tanànany avy ka tamy hiady.
7Ils prirent à leur solde trente-deux mille chars et le roi de Maaca avec son peuple, lesquels vinrent camper devant Médeba. Les fils d'Ammon se rassemblèrent de leurs villes, et marchèrent au combat.
8Ary nony ren'i Davida izany, dia naniraka an'i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery.
8A cette nouvelle, David envoya contre eux Joab et toute l'armée, les hommes vaillants.
9Ary ny taranak'i Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna; fa ireo mpanjaka tonga ireo kosa dia nitokana teny an-tsaha.
9Les fils d'Ammon sortirent, et se rangèrent en bataille à l'entrée de la ville; les rois qui étaient venus prirent position séparément dans la campagne.
10Ary rehefa hitan'i Joaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin'ireo voafantina tamin'ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin'ny Syriana.
10Joab vit qu'il avait à combattre par devant et par derrière. Il choisit alors sur toute l'élite d'Israël un corps, qu'il opposa aux Syriens;
11Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin'i Abisay rahalahiny, ka dia nilahatra hiady amin'ny taranak'i Amona ireo.
11et il plaça sous le commandement de son frère Abischaï le reste du peuple, pour faire face aux fils d'Ammon.
12Ary hoy Joaba: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak'i Amona, dia hovonjeko ianao;
12Il dit: Si les Syriens sont plus forts que moi, tu viendras à mon secours; et si les fils d'Ammon sont plus forts que toi, j'irai à ton secours.
13mahereza, ary aoka hitombandahy isika ho an'ny firenentsika sy ireo tanànan'Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.
13Sois ferme, et montrons du courage pour notre peuple et pour les villes de notre Dieu, et que l'Eternel fasse ce qui lui semblera bon!
14Ary nandroso hiady tamin'ny Syriana Joaba sy ny olona nanaraka azy; ka dia nandositra niala teo anoloany ireo.
14Joab, avec son peuple, s'avança pour attaquer les Syriens, et ils s'enfuirent devant lui.
15Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra niala teo anoloan'i Abisay, rahalahin'i Joaba, koa izy ka niditra tao an-tanàna. Ary dia tonga tany Jerosalema Joaba.
15Et quand les fils d'Ammon virent que les Syriens avaient pris la fuite, ils s'enfuirent aussi devant Abischaï, frère de Joab, et rentrèrent dans la ville. Et Joab revint à Jérusalem.
16Ary nony hitan'ny Syriana fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia naniraka olona izy haka ny Syriana izay tany an-dafin'ny Ony; ary Sobaka, komandin'ny miaramilan'i Hadarezera, no nitarika azy.[Eofrata]
16Les Syriens, voyant qu'ils avaient été battus par Israël, envoyèrent chercher les Syriens qui étaient de l'autre côté du fleuve; et Schophach, chef de l'armée d'Hadarézer, était à leur tête.
17Ary nony nambara tamin i Davida izany, dia namory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an'i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Ary nony nilahatra hiady amin'ny Syriana Davida, dia niady taminy ireo.
17On l'annonça à David, qui assembla tout Israël, passa le Jourdain, marcha contre eux, et se prépara à les attaquer. David se rangea en bataille contre les Syriens.
18Fa vaky nandositra teo anoloan'ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny teo amin'ny kalesy fito arivo sy miaramila an-tongotra efatra alina tamin'ny Syriana Davida; ary matiny koa Sobaka, komandin'ny miaramila.Ary nony hitan'ireo nanoa an'i Hadarezera fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin'i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak'i Amona intsony ny Syriana.
18Mais les Syriens, après s'être battus avec lui, s'enfuirent devant Israël. David leur tua les troupes de sept mille chars et quarante mille hommes de pied, et il fit mourir Schophach, chef de l'armée.
19Ary nony hitan'ireo nanoa an'i Hadarezera fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin'i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak'i Amona intsony ny Syriana.
19Les serviteurs d'Hadarézer, se voyant battus par Israël, firent la paix avec David et lui furent assujettis. Et les Syriens ne voulurent plus secourir les fils d'Ammon.