Malagasy

French 1910

1 Chronicles

27

1[Ny nandaminana ny miaramila] Ary ny amin'ny Zanak'Isiraely araka ny isany, dia ny lohan'ny fianakaviany sy ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny mpifehy azy, izay nanompo ny mpanjaka tamin'izay raharahany rehetra isan-tokony, Izay nifandimby isam-bolana mandritra ny herintaona, dia efatra arivo amby roa alina avy no isan'ny isan-tokony.
1Enfants d'Israël selon leur nombre, chefs de maisons paternelles, chefs de milliers et de centaines, et officiers au service du roi pour tout ce qui concernait les divisions, leur arrivée et leur départ, mois par mois, pendant tous les mois de l'année, chaque division étant de vingt-quatre mille hommes.
2Ny nifehy ny antokony voalohany, ho amin'ny volana voalohany, dia Jasobeama, zanak'i Zabdiela, ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina;
2A la tête de la première division, pour le premier mois, était Jaschobeam, fils de Zabdiel; et il avait une division de vingt-quatre mille hommes.
3isan'ny taranak'i Fareza izy sady lohan'ny mpifehy rehetra tamin'ny miaramila amin'ny volana voalohany.
3Il était des fils de Pérets, et il commandait tous les chefs des troupes du premier mois.
4Ary ny nifehy ny antokony ho amin'ny volana faharoa dia Dodo Ahohita; Miklota andriandahy no isan'ny antokony; ary ny antokon'ny Ahohita dia efatra arivo amby roa alina.
4A la tête de la division du second mois était Dodaï, l'Achochite; Mikloth était l'un des chefs de sa division; et il avait une division de vingt-quatre mille hommes.
5Ny komandin'ny antokony fahatelo tamin'ny miaramila, ho amin'ny volana fahatelo, dia Benaia lohany, zanak'i Joiada mpisorona; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
5Le chef de la troisième division, pour le troisième mois, était Benaja, fils du sacrificateur Jehojada, chef; et il avait une division de vingt-quatre mille hommes.
6Io no ilay Benaia, izay nahery sady ambony tamin'izy telo-polo lahy; Amizabada zanany no isan'ny antokony.
6Ce Benaja était un héros parmi les trente et à la tête des trente; et Ammizadab, son fils, était l'un des chefs de sa division.
7Ny fahefatra, ho amin'ny volana fahefatra, dia Asahela, rahalahin'i Joaba, ary Zebadia zanany no nanarakaraka azy; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
7Le quatrième, pour le quatrième mois, était Asaël, frère de Joab, et, après lui, Zebadia, son fils; et il avait une division de vingt-quatre mille hommes.
8Ny fahadimy, ho amin'ny volana fahadimy, dia Samihota Jizarita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
8Le cinquième, pour le cinquième mois, était le chef Schamehuth, le Jizrachite; et il avait une division de vingt-quatre mille hommes.
9Ny fahenina, ho amin'ny volana fahenina, dia Ira, zanak'Ikesy Tekoita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
9Le sixième, pour le sixième mois, était Ira, fils d'Ikkesch, le Tekoïte; et il avait une division de vingt-quatre mille hommes.
10Ny fahafito, ho amin'ny volana fahafito, dia Heleza Pelonita, isan'ny taranak'i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
10Le septième, pour le septième mois, était Hélets, le Pelonite, des fils d'Ephraïm; et il avait une division de vingt-quatre mille hommes.
11Ny fahavalo, ho amin'ny volana fahavalo, dia Sibekay Hosatita, isan'ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
11Le huitième, pour le huitième mois, était Sibbecaï, le Huschatite, de la famille des Zérachites; et il avait une division de vingt-quatre mille hommes.
12Ny fahasivy, ho amin'ny volana fahasivy, dia Abiezera Anatotita, Isan'ny Benjamita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
12Le neuvième, pour le neuvième mois, était Abiézer, d'Anathoth, des Benjamites; et il avait une division de vingt-quatre mille hommes.
13Ny fahafolo, ho amin'ny volana fahafolo, dia Maharay Netofatita, isan'ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
13Le dixième, pour le dixième mois, était Maharaï, de Nethopha, de la famille des Zérachites; et il avait une division de vingt-quatre mille hommes.
14Ny fahiraika ambin'ny folo, ho amin'ny volana fahiraika ambin'ny folo, dia Benaia Piratonita, isan'ny taranak'i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
14Le onzième, pour le onzième mois, était Benaja, de Pirathon, des fils d'Ephraïm; et il avait une division de vingt-quatre mille hommes.
15Ny faharoa ambin'ny folo, ho amin'ny volana faharoa ambin'ny folo, dia Helday Netofatita, isan'ny taranak'i Otniela; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
15Le douzième, pour le douzième mois, était Heldaï, de Nethopha, de la famille d'Othniel; et il avait une division de vingt-quatre mille hommes.
16[Ny lohan'ny firenena roa ambin'ny folo] Ary izao no lohan ny firenen'Isiraely: Tamin'ny Robenita dia Eliezera, zanakalahin'i Zikry; tamin'ny Simeonita dia Sefatia, zanakalahin'i Maka;
16Voici les chefs des tribus d'Israël. Chef des Rubénites: Eliézer, fils de Zicri; des Siméonites: Schephathia, fils de Maaca;
17tamin'ny Levita dia Hasabia, zanakalahin'i Kemoela; tamin'ny Aronita dia Zadoka;
17des Lévites: Haschabia, fils de Kemuel; de la famille d'Aaron: Tsadok;
18tamin'ny Joda dia Eliho, izay isan'ny rahalahin'i Davida; tamin'ny Isakara dia Omry, zanakalahin'i Mikaela;
18de Juda: Elihu, des frères de David; d'Issacar: Omri, fils de Micaël;
19tamin'ny Zebolona dia Jismala, zanakalahin'i Obadia; tamin'ny Naftaly dia Jerimota, zanakalahin'i Azriela;
19de Zabulon: Jischemaeja, fils d'Abdias; de Nephthali: Jerimoth, fils d'Azriel;
20tamin'ny taranak'i Efraima dia Hosea, zanakalahin'i Azazia; tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Joela, zanakalahin'i Pedaia;
20des fils d'Ephraïm: Hosée, fils d'Azazia; de la demi-tribu de Manassé: Joël, fils de Pedaja;
21tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase tao Gileada dia Ido, zanakalahin'i Zakaria; tamin'ny Benjamina dia Jasiela, zanakalahin'i Abnera;
21de la demi-tribu de Manassé en Galaad: Jiddo, fils de Zacharie; de Benjamin: Jaasiel, fils d'Abner;
22tamin'ny Dana dia Azarela, zanakalahin'i Jerohama. Ireo no lohan'ny firenen'Isiraely.
22de Dan: Azareel, fils de Jerocham. Ce sont là les chefs des tribus d'Israël.
23Nefa tsy nanisa ny hatramin'ny roa-polo taona no ho midina Davida; fa Jehovah efa nilaza fa hampitombo ny Isiraely ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Izy.
23David ne fit point le dénombrement de ceux d'Israël qui étaient âgés de vingt ans et au-dessous, car l'Eternel avait promis de multiplier Israël comme les étoiles du ciel.
24Joaba, zanak'i Zeroia, nanomboka nanisa, fa tsy nahefa, satria nisy fahatezerana nihatra tamin'ny Isiraely tamin'izany, ka dia tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'i Davida mpanjaka ny isany.
24Joab, fils de Tseruja, avait commencé le dénombrement, mais il ne l'acheva pas, l'Eternel s'étant irrité contre Israël à cause de ce dénombrement, qui ne fut point porté parmi ceux des Chroniques du roi David.
25[Ny mpitandrina ny fananan'i Davida, sy ny mpanolo-tsaina azy] Ary ny tonian'ny rakitry ny mpanjaka dia Azmaveta, zanak'i Adiela; ary ny tonian ny trano firaiketana tany ambany vohitra, na tamin'ny tanàna, na tamin'ny vohitra, na tamin'ny tilikambo, dia Jonatana, zanak'i Ozia;
25Azmaveth, fils d'Adiel, était préposé sur les trésors du roi; Jonathan, fils d'Ozias, sur les provisions dans les champs, les villes, les villages et les tours;
26ary ny mpifehy ny mpiasa tany an-tsaha hiasa ny tany dia Ezry, zanak'i Keloba;
26Ezri, fils de Kelub, sur les ouvriers de la campagne qui cultivaient la terre;
27ary ny tonian'ny tanim-boaloboka dia Simey Ramatita; ary ny tonian'ny divay tehirizina any amin'ny tanim-boaloboka dia Zebdy Sifmita;
27Schimeï, de Rama, sur les vignes; Zabdi, de Schepham, sur les provisions de vin dans les vignes;
28ary ny tonian'ny hazo oliva sy ny aviavy eny amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Bala-hanana Gaderita; ary ny tonian'ny diloilo tehirizina dia Joasy;[Heb. Sefela]
28Baal-Hanan, de Guéder, sur les oliviers et les sycomores dans la plaine; Joasch, sur les provisions d'huile;
29ary ny tonian'ny omby nandrasana tany Sarôna dia Sitray Sarônita; ary ny tonian'ny omby tany an-dohasaha dia Safata, zanak'i Adlay;
29Schithraï, de Saron, sur les boeufs qui paissaient en Saron; Schaphath, fils d'Adlaï, sur les boeufs dans les vallées;
30ary ny tonian'ny rameva dia Obila Ismaelita; ary ny tonian'ny borikivavy dia Jedda Meronotita;
30Obil, l'Ismaélite, sur les chameaux; Jechdia, de Méronoth, sur les ânesses;
31ary ny tonian'ny ondry aman'osy dia Jaziza Hagarita. Ireo rehetra ireo no tonian'ny fananan'i Davida mpanjaka.
31Jaziz, l'Hagarénien, sur les brebis. Tous ceux-là étaient intendants des biens du roi David.
32Ary Jonatana, rahalahin-drain'i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sady be fahalalana izy; ary Jehiela, zanak'i Hakmony, dia teo amin'ny zanaky ny mpanjaka;ary Ahitofela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka; ary Hosay Arkita no sakaizan'ny mpanjaka; ary ny manarakaraka an'i Ahitofela dia Joiada, zanak'i Benaia, sy Abiatara; ary ny komandin'ny miaramilan'ny mpanjaka dia Joaba.
32Jonathan, oncle de David, était conseiller, homme de sens et de savoir; Jehiel, fils de Hacmoni, était auprès des fils du roi;
33ary Ahitofela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka; ary Hosay Arkita no sakaizan'ny mpanjaka; ary ny manarakaraka an'i Ahitofela dia Joiada, zanak'i Benaia, sy Abiatara; ary ny komandin'ny miaramilan'ny mpanjaka dia Joaba.
33Achitophel était conseiller du roi; Huschaï, l'Arkien, était ami du roi;
34après Achitophel, Jehojada, fils de Benaja, et Abiathar, furent conseillers; Joab était chef de l'armée du roi.