1[Ny nanjakan'i Ahazia] Ary ny mponina tany Jerosalema nampanjaka an'i Ahazia, faralahin'i Jehorama, handimby azy; fa ny zokiny rehetra efa matin'ny mpitoha ady izay nanaraka ny Arabo hatrany an-toby avokoa. Koa Ahazia, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, no nanjaka.
1Les habitants de Jérusalem firent régner à sa place Achazia, son plus jeune fils; car la troupe venue au camp avec les Arabes avait tué tous les plus âgés. Ainsi régna Achazia, fils de Joram, roi de Juda.
2Roa amby efa-polo taona Ahazia, fony izy vao nanjaka, ary herintaona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Atalia, zanak'i Omry.[Na: Roa amby roa-polo; izahao 2 Mpan. viii. 26]
2Achazia avait quarante-deux ans lorsqu'il devint roi, et il régna un an à Jérusalem. Sa mère s'appelait Athalie, fille d'Omri.
3Nandeha tamin'ny lalan'ny taranak'i Ahaba koa izy; fa ny reniny no nanome saina azy hanao ratsy.
3Il marcha dans les voies de la maison d'Achab, car sa mère lui donnait des conseils impies.
4Ka dia nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah toy ny taranak'i Ahaba izy; fa ireny no nanome saina azy taorian'ny nahafatesan'ny rainy ka nampidi-doza taminy.
4Il fit ce qui est mal aux yeux de l'Eternel, comme la maison d'Achab, où il eut après la mort de son père des conseillers pour sa perte.
5Ary ny saina nomen'ireo azy no narahiny, ka niara-nandeha tamin'i Jorama, zanak'i Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, izy hiady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, teo Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an'i Jorama.
5Entraîné par leur conseil, il alla avec Joram, fils d'Achab, roi d'Israël, à la guerre contre Hazaël, roi de Syrie, à Ramoth en Galaad. Et les Syriens blessèrent Joram.
6Dia niverina mba hotsaboina tao Jezirela izy amin'ny feriny tamin'ny nahavoazana azy tao Rama, fony izy niady tamin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria. Ary Azaria, zanak'i Jehorama, mpanjakan'ny Joda, nidina mba hamangy an'i Jorama, zanak'i Ahaba, tao Jezirela, satria marary izy. [Na: Ahazia; izahao and. 1]
6Joram s'en retourna pour se faire guérir à Jizreel des blessures que les Syriens lui avaient faites à Rama, lorsqu'il se battait contre Hazaël, roi de Syrie. Azaria, fils de Joram, roi de Juda, descendit pour voir Joram, fils d'Achab, à Jizreel, parce qu'il était malade.
7Ary avy tamin'Andriamanitra ny loza nanjo an'i Ahazia tamin'ny nankanesany tany amin'i Jorama, fa nony tonga izy, dia niara-nivoaka tamin'i Jorama mba hitsena an'i Jeho, zanak'i Nimsy, izay nohosoran'i Jehovah handringana ny taranak'i Ahaba.
7Par la volonté de Dieu, ce fut pour sa ruine qu'Achazia se rendit auprès de Joram. Lorsqu'il fut arrivé, il sortit avec Joram pour aller au-devant de Jéhu, fils de Nimschi, que l'Eternel avait oint pour exterminer la maison d'Achab.
8Ary tamin'ny namalian'i Jeho ny taranak'i Ahaba dia hitany ireo mpanapaka ny Joda sy ny zana-drahalahin'i Ahazia, izay nanompo an'i Ahazia, ka novonoiny.
8Et comme Jéhu faisait justice de la maison d'Achab, il trouva les chefs de Juda et les fils des frères d'Achazia, qui étaient au service d'Achazia, et il les tua.
9Ary nitady an'i Ahazia koa izy; koa nisy nahita azy, raha mbola niery tany Samaria izy, dia nitondra azy ho any amin'i Jeho, ary namono azy ny olona ka nandevina azy; fa hoy ireo: Zanak'i Josafata, ilay nitady an'i Jehovah tamin'ny fony rehetra, ity. [Ny nanjakan'i Atalia, sy ny namonoana azy, ary ny nampanjakana an'i Joasy handimby azy] Ka dia tsy nahatana ny fanjakana ny terak'i Ahazia.
9Il chercha Achazia, et on le saisit dans Samarie, où il s'était caché. On l'amena auprès de Jéhu, et on le fit mourir. Puis ils l'enterrèrent, car ils disaient: C'est le fils de Josaphat, qui cherchait l'Eternel de tout son coeur. Et il ne resta personne de la maison d'Achazia qui fût en état de régner.
10Ary nony hitan'i Atalia, renin'i Ahazia, fa maty ny zanany, dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak'andriana rehetra tamin'ny taranak'i Joda.
10Athalie, mère d'Achazia, voyant que son fils était mort, se leva et fit périr toute la race royale de la maison de Juda.
11Fa Joseba, zanakavavin'ny mpanjaka, dia naka an'i Joasy, zanak'i Ahazia, ka namonjy azy avy teo amin'ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina, dia nampiditra azy sy ny mpitaiza azy ho ao an-trano fitehirizam-pandriana. Ary nafenin'i Joseba, zanakavavin'i Jehorama mpanjaka, vadin'i Joiada mpisorona, izy (fa anabavin'i Ahazia ravehivavy) mba tsy ho hitan'i Atalia, ka dia tsy mba voavonony izy.Ary niery enin-taona tao aminy tao an-tranon'Andriamanitra izy. Ary Atalia no nanjaka tamin'ny tany
11Mais Joschabeath, fille du roi, prit Joas, fils d'Achazia, et l'enleva du milieu des fils du roi, quand on les fit mourir: elle le mit avec sa nourrice dans la chambre des lits. Ainsi Joschabeath, fille du roi Joram, femme du sacrificateur Jehojada, et soeur d'Achazia, le déroba aux regards d'Athalie, qui ne le fit point mourir.
12Ary niery enin-taona tao aminy tao an-tranon'Andriamanitra izy. Ary Atalia no nanjaka tamin'ny tany
12Il resta six ans caché avec eux dans la maison de Dieu. Et c'était Athalie qui régnait dans le pays.