1[Atỳ nanjakan'i Jotama] Dimy amby roa-polo taona Jotama, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin'i Zadoka.
1Jotham avait vingt-cinq ans lorsqu'il devint roi, et il régna seize ans à Jérusalem. Sa mère s'appelait Jeruscha, fille de Tsadok.
2Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, tahaka izay nataon'i Ozia rainy; nefa kosa tsy mba niditra tao amin'ny tempolin'i Jehovah izy. Ary ny vahoaka rehetra mbola nanao ratsy ihany.
2Il fit ce qui est droit aux yeux de l'Eternel, entièrement comme avait fait Ozias, son père. Seulement, il n'entra point dans le temple de l'Eternel. Toutefois, le peuple se corrompait encore.
3Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin'ny tranon'i Jehovah sady nandrafitra be tamin'ny mandan'i Ofela koa.
3Jotham bâtit la porte supérieure de la maison de l'Eternel, et il fit beaucoup de constructions sur les murs de la colline.
4Ary nanao tanàna teny amin'ny tany havoan'i Joda sy trano fiarovana ary tilikambo tany an'ala koa izy.
4Il bâtit des villes dans la montagne de Juda, et des châteaux et des tours dans les bois.
5Ary niady tamin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona koa izy ka naharesy azy. Ary tamin'izany taona izany ny taranak'i Amona nanome azy talenta volafotsy zato ary vary tritika sy vary hordea iray alina kora avy; izany no naloan'ny taranak'i Amona ho azy tamin'ny-taona faharoa sy fahatelo koa.
5Il fut en guerre avec le roi des fils d'Ammon, et il l'emporta sur eux. Les fils d'Ammon lui donnèrent cette année-là cent talents d'argent, dix mille cors de froment, et dix mille d'orge; et ils lui en payèrent autant la seconde année et la troisième.
6Ary dia nitombo hery Jotama, satria nizotra tsara teo anatrehan'i Jehovah Andriamaniny izy.
6Jotham devint puissant, parce qu'il affermit ses voies devant l'Eternel, son Dieu.
7Ary ny tantaran'i Jotama sisa mbamin'ny adiny rehetra sy ny fanaony, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny Joda izany.
7Le reste des actions de Jotham, toutes ses guerres, et tout ce qu'il a fait, cela est écrit dans le livre des rois d'Israël et de Juda.
8Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tany an-Tanànan'i Davida izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
8Il avait vingt-cinq ans lorsqu'il devint roi, et il régna seize ans à Jérusalem.
9Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tany an-Tanànan'i Davida izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy.
9Jotham se coucha avec ses pères, et on l'enterra dans la ville de David. Et Achaz, son fils, régna à sa place.