Malagasy

French 1910

2 Samuel

19

1Ary dia niontana terỳ ny fon'ny mpanjaka, ka niakatra nankeo amin'ny efi-trano teo ambony vavahady izy sady nitomany teny am-pandehanana ka nanao hoe: Ry Absaloma, zanako, zanako, ry Absaloma, zanako ô! Inay anie aho no maty nisolo anao, ry Absaloma zanako, zanako ô!
1On vint dire à Joab: Voici, le roi pleure et se lamente à cause d'Absalom.
2Ary nambara tamin'i Joaba hoe: Indro, mitomany sy misaona an'i Absaloma ny mpanjaka.
2Et la victoire, ce jour-là, fut changée en deuil pour tout le peuple, car en ce jour le peuple entendait dire: Le roi est affligé à cause de son fils.
3Ary ny famonjena dia tonga fisaonana tamin'ny vahoaka rehetra androtrizay, satria ren'ny vahoaka tamin'izany andro izany hoe: Malahelo ny zanany ny mpanjaka.
3Ce même jour, le peuple rentra dans la ville à la dérobée, comme l'auraient fait des gens honteux d'avoir pris la fuite dans le combat.
4Ka dia niakatra nisokosoko tao an-tanàna ny olona tamin'izany andro izany, toy ny fisokosokon'ny olona menatra raha mandositra amin'ny ady.
4Le roi s'était couvert le visage, et il criait à haute voix: Mon fils Absalom! Absalom, mon fils, mon fils!
5Fa ny mpanjaka nanarona ny tavany sady nidradradradra tamin'ny feo mafy hoe: Ry Absaloma, zanako, ry Absaloma, zanako, zanako ô!
5Joab entra dans la chambre où était le roi, et dit: Tu couvres aujourd'hui de confusion la face de tous tes serviteurs, qui ont aujourd'hui sauvé ta vie, celle de tes fils et de tes filles, celle de tes femmes et de tes concubines.
6Ary niditra tao amin'ny mpanjaka tao an-trano Joaba ka nanao hoe: Efa nomenarinao androany ny mpanomponao rehetra izay namonjy ny ainao androany sy ny ain'ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ain'ny vadinao sy ny vaditsindranonao;
6Tu aimes ceux qui te haïssent et tu hais ceux qui t'aiment, car tu montres aujourd'hui qu'il n'y a pour toi ni chefs ni serviteurs; et je vois maintenant que, si Absalom vivait et que nous fussions tous morts en ce jour, cela serait agréable à tes yeux.
7fa ny mankahala anao no tianao, ary ny tia anao kosa no halanao, ka nasehonao androany fa tsinontsinona aminao ny manamboninahitra sy ny miaramila; ary hitako izao fa raha velona Absaloma, ka izahay rehetra no maty androany, dia izany no sitrakao.
7Lève-toi donc, sors, et parle au coeur de tes serviteurs! Car je jure par l'Eternel que, si tu ne sors pas, il ne restera pas un homme avec toi cette nuit; et ce sera pour toi pire que tous les malheurs qui te sont arrivés depuis ta jeunesse jusqu'à présent.
8Koa mitsangàna ankehitriny, ka mivoaha, ary manaova teny soa amin'ny mpanomponao; fa mianiana amin'i Jehovah aho fa raha tsy mivoaka ianao, dia tsy hisy na dia iray akory aza hitoetra eto aminao anio alina; ka dia izany no ho mafy lavitra aminao noho ny fahoriana rehetra izay nanjo anao hatry ny fony ianao vao zaza ka ambaraka ankehitriny.
8Alors le roi se leva, et il s'assit à la porte. On fit dire à tout le peuple: Voici, le roi est assis à la porte. Et tout le peuple vint devant le roi. Cependant Israël s'était enfui, chacun dans sa tente.
9Dia nivoaka ny mpanjaka ka nijanona teo am-bavahady; ary nolazaina tamin'ny vahoaka rehetra hoe: Indro, ny mpanjaka mijanona eo am-bavahady. Ary ny vahoaka rehetra dia nankeo anatrehan'ny mpanjaka. [Ny nodian'i Davida indray] Ary ny Isiraely dia samy efa lasa nandositra ho any amin'ny lainy avy.
9Et dans toutes les tribus d'Israël, tout le peuple était en contestation, disant: Le roi nous a délivrés de la main de nos ennemis, c'est lui qui nous a sauvés de la main des Philistins; et maintenant il a dû fuir du pays devant Absalom.
10Ary ny vahoaka rehetra tamin'ny firenen'Isiraely nifanditra hoe: Ny mpanjaka no namonjy antsika tamin'ny tanan'ny fahavalontsika, indrindra fa tamin'ny tanan'ny Filistina; nefa ankehitriny dia efa nandositra niala tamin'ny tany izy noho ny amin'i Absaloma.
10Or Absalom, que nous avions oint pour qu'il régnât sur nous, est mort dans la bataille: pourquoi ne parlez-vous pas de faire revenir le roi?
11Ary Absaloma, izay nohosorantsika hanjaka amintsika, dia efa maty tamin'ny ady. Koa nahoana ianareo no tsy miteny akory ny amin'ny hampodiana ny mpanjaka?
11De son côté, le roi David envoya dire aux sacrificateurs Tsadok et Abiathar: Parlez aux anciens de Juda, et dites-leur: Pourquoi seriez-vous les derniers à ramener le roi dans sa maison? -Car ce qui se disait dans tout Israël était parvenu jusqu'au roi.
12Ary Davida mpanjaka naniraka tany amin'i Zadoka sy Abiatara mpisorona ka nanao hoe: Ataovy amin'ny loholon'ny Joda hoe: Nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka ho any an-tranony? fa ny tenin'ny Isiraely rehetra efa tonga tao amin'ny mpanjaka tao an-tranony
12Vous êtes mes frères, vous êtes mes os et ma chair; pourquoi seriez-vous les derniers à ramener le roi?
13rahalahiko ianareo, ary taolako sy nofoko ianareo; koa nahoana no dia ianareo Indray no ho farany amin'ny fampodiana ny mpanjaka?
13Vous direz aussi à Amasa: N'es-tu pas mon os et ma chair? Que Dieu me traite dans toute sa rigueur, si tu ne deviens pas devant moi pour toujours chef de l'armée à la place de Joab!
14Ary ataovy amin'i Amasa koa hoe: Tsy taolako sy nofoko va ianao? Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy komandin'ny miaramila eo anatrehako mandrakariva ho solon'i Joaba ianao.
14David fléchit le coeur de tous ceux de Juda, comme s'ils n'eussent été qu'un seul homme; et ils envoyèrent dire au roi: Reviens, toi, et tous tes serviteurs.
15Ary dia nampitodika ny fon'ny lehilahy rehetra amin'ny Joda ho toy ny olona iray izy; ka dia naniraka tany amin'ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Modia ianao sy ny mpanomponao rehetra.
15Le roi revint et arriva jusqu'au Jourdain; et Juda se rendit à Guilgal, afin d'aller à la rencontre du roi et de lui faire passer le Jourdain.
16Ary dia nody ny mpanjaka ka tonga tao Jordana; ary ny Joda tonga tao Gilgala hitsena ny mpanjaka hitondra azy hita an'i Jordana.
16Schimeï, fils de Guéra, Benjamite, qui était de Bachurim, se hâta de descendre avec ceux de Juda à la rencontre du roi David.
17Ary Simey, zanak'i Gera, Benjamita avy any Bahorina, dia nidodododo nidina araka tamin'ny lehilahy amin'ny Joda tsena an'i Davida mpanjaka.
17Il avait avec lui mille hommes de Benjamin, et Tsiba, serviteur de la maison de Saül, et les quinze fils et les vingt serviteurs de Tsiba. Ils passèrent le Jourdain à la vue du roi.
18Ary nisy benjamita arivo lahy koa nanaraka azy, ary Ziba, mpanompon'ny taranak'i Saoly, mbamin'ny zananilahy dimy ambin'ny folo sy mpanompony roa-polo lahy izay nanaraka azy; ary dia nita an'i Jordana teo alohan'ny mpanjaka izy ireo.
18Le bateau, mis à la disposition du roi, faisait la traversée pour transporter sa maison; et au moment où le roi allait passer le Jourdain, Schimeï, fils de Guéra, se prosterna devant lui.
19Ary navoivoy teo ny lakana hampitana ny ankohonan'ny mpanjaka sy hanaovany izay sitrany. Ary nony efa hita an'i Jordana ny mpanjaka, dia indro Simey, zanak'i Gera, niankohoka teo anatrehany.
19Et il dit au roi: Que mon seigneur ne tienne pas compte de mon iniquité, qu'il oublie que ton serviteur l'a offensé le jour où le roi mon seigneur sortait de Jérusalem, et que le roi n'y ait point égard!
20Ary hoy izy tamin'ny mpanjaka: Aoka tsy hisain'ny tompoko heloka aho, ary aoka tsy hotsarovanao ny ratsy nataon'ny mpanomponao tamin'ny andro nivoahan'ny mpanjaka tompoko niala tany Jerosalema, ary aoka tsy ho eritreretin'ny mpanjaka izany;
20Car ton serviteur reconnaît qu'il a péché. Et voici, je viens aujourd'hui le premier de toute la maison de Joseph à la rencontre du roi mon seigneur.
21fa fantatro, izaho mpanomponao, fa nanota aho; ka he! izaho no avy voalohany androany amin'ny taranak'i Josefa rehetra ka nidina hitsena ny mpanjaka tompoko.
21Alors Abischaï, fils de Tseruja, prit la parole et dit: Schimeï ne doit-il pas mourir pour avoir maudit l'oint de l'Eternel?
22Fa namaly Abisay, zanak'i Zeroia, ka nanao hoe: Tsy hovonoina va Simey noho izany, satria efa nanozona ny voahosotr'i Jehovah izy?
22Mais David dit: Qu'ai-je affaire avec vous, fils de Tseruja, et pourquoi vous montrez-vous aujourd'hui mes adversaires? Aujourd'hui ferait-on mourir un homme en Israël? Ne sais-je donc pas que je règne aujourd'hui sur Israël?
23Dia hoy Davida: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak'i Zeroia, no tonga mpanohitra ahy ianareo anio? Tokony hisy olona hatao maty va eto amin'ny Isiraely izao? Fa moa tsy fantatra va fa izaho no mpanjakan'ny Isiraely anio?
23Et le roi dit à Schimeï: Tu ne mourras point! Et le roi le lui jura.
24Ary dia hoy ny mpanjaka tamin'i simey: Tsy ho faty ianao. Ary ny mpanjaka dia nianiana taminy.
24Mephiboscheth, fils de Saül, descendit aussi à la rencontre du roi. Il n'avait point soigné ses pieds, ni fait sa barbe, ni lavé ses vêtements, depuis le jour où le roi s'en était allé jusqu'à celui où il revenait en paix.
25Ary Mefiboseta, zanakalahin'i Saoly, nidina hitsena ny mpanjaka, ary tsy nanasa tongotra na namboatra volom-bava na nanasa lamba izy hatramin'ny andro nialan'ny mpanjaka ka hatramin'ny andro nahatongavany soa aman-tsara.
25Lorsqu'il se rendit au-devant du roi à Jérusalem, le roi lui dit: Pourquoi n'es-tu pas venu avec moi, Mephiboscheth?
26Ary nony efa tonga hitsena ny mpanjaka ny avy any Jerosalema, dia hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no tsy mba nandeha niaraka tamiko ianao, ry Mefiboseta?
26Et il répondit: O roi mon seigneur, mon serviteur m'a trompé, car ton serviteur, qui est boiteux, avait dit: Je ferai seller mon âne, je le monterai, et j'irai avec le roi.
27Fa hoy izy: Ry mpanjaka tompoko, nofitahin'ny mpanompoko aho: Hanisy lasely ny boriky aho hitaingenako ka hankany amin'ny mpanjaka; fa malemy tongotra ny mpanomponao.
27Et il a calomnié ton serviteur auprès de mon seigneur le roi. Mais mon seigneur le roi est comme un ange de Dieu. Fais ce qui te semblera bon.
28Nefa nendrikendrehiny tamin'ny mpanjaka tompoko izaho mpanomponao; fa ny mpanjaka tompoko dia hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra; koa ataovy izay sitrakao.
28Car tous ceux de la maison de mon père n'ont été que des gens dignes de mort devant le roi mon seigneur; et cependant tu as mis ton serviteur au nombre de ceux qui mangent à ta table. Quel droit puis-je encore avoir, et qu'ai-je à demander au roi?
29Fa ny taranaky ny raiko rehetra dia samy olona tokony ho faty teo anatrehan'ny mpanjaka tompoko; nefa ianao nampitoetra ahy mpanomponao ho isan'izay mihinana amin'ny latabatrao. Koa inona intsony no rariny ho ahy, ary inona no mbola hitarainako amin'ny mpanjaka?
29Le roi lui dit: A quoi bon toutes tes paroles? Je l'ai déclaré: Toi et Tsiba, vous partagerez les terres.
30Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no lazainao indray ny raharahanao? Nefa izaho efa nilaza hoe: Hianao sy Ziba no hizara ny tany.
30Et Mephiboscheth dit au roi: Qu'il prenne même le tout, puisque le roi mon seigneur rentre en paix dans sa maison.
31Ary hoy Mefiboseta tamin'ny mpanjaka: Aoka dia ho azy avokoa izy rehetra, fa ianao mpanjaka tompoko efa tonga soa aman-tsara ao amin'ny tranonao indray.
31Barzillaï, le Galaadite, descendit de Roguelim, et passa le Jourdain avec le roi, pour l'accompagner jusqu'au delà du Jourdain.
32Ary Barzilay Gileadita nidina avy tany Rogelima, dia niara-nita an'i Jordana tamin'ny mpanjaka izy mba hanatitra azy hita an'i Jordana.
32Barzillaï était très vieux, âgé de quatre-vingts ans. Il avait entretenu le roi pendant son séjour à Mahanaïm, car c'était un homme fort riche.
33Ary Barzilay dia lehilahy antitra, efa valo-polo taona; ary izy efa nanome hanina ny mpanjaka, raha nitoetra tany Mahanaima izy; fa mpanjatobe indrindra izy.
33Le roi dit à Barzillaï: Viens avec moi, je te nourrirai chez moi à Jérusalem.
34Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Barzilay: Andeha hiara-mita amiko ianao hovelomiko any amiko any Jerosalema.
34Mais Barzillaï répondit au roi: Combien d'années vivrai-je encore, pour que je monte avec le roi à Jérusalem?
35Fa hoy Barzilay tamin'ny mpanjaka: Hoatrinona intsony moa no andro hahavelomako, no hiara-miakatra amin'ny mpanjaka hankany Jerosalema aho?
35Je suis aujourd'hui âgé de quatre-vingts ans. Puis-je connaître ce qui est bon et ce qui est mauvais? Ton serviteur peut-il savourer ce qu'il mange et ce qu'il boit? Puis-je encore entendre la voix des chanteurs et des chanteuses? Et pourquoi ton serviteur serait-il encore à charge à mon seigneur le roi?
36Valo-polo taona izay ny andro nahavelomako, ka mahalala izay soa sy ratsy intsony va aho? Mahatsiaro ny tsiron-javatra haniko sy sotroiko intsony va aho mpanomponao? Mahare izay feon'ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy intsony va aho? Koa nahoana ny mpanomponao no mbola ho enta-mavesatra amin'ny mpanjaka tompoko?
36Ton serviteur ira un peu au delà du Jourdain avec le roi. Pourquoi, d'ailleurs, le roi m'accorderait-il ce bienfait?
37Kely foana no handehanan'ny mpanomponao eo an-dafin'i Jordana hiaraka amin'ny mpanjaka; koa nahoana ny mpanjaka no dia hamaly fitia ahy loatra toy izany?
37Que ton serviteur s'en retourne, et que je meure dans ma ville, près du sépulcre de mon père et de ma mère! Mais voici ton serviteur Kimham, qui passera avec le roi mon seigneur; fais pour lui ce que tu trouveras bon.
38Trarantitra ianao, aoka aho mpanomponao hody ihany ka ho fety any amin'ny vohitro ao akaikin'ny fasan'ikaky sy ineny. Fa indro Kimama mpanomponao; aoka izy no hiaraka amin'ny mpanjaka tompoko, ary ataovy aminy izay sitrakao.
38Le roi dit: Que Kimham passe avec moi, et je ferai pour lui ce qui te plaira; tout ce que tu désireras de moi, je te l'accorderai.
39Dia hoy ny mpanjaka: Handeha hiaraka amiko tokoa Kimama, ka hataoko aminy izay sitrakao, ary izay angatahinao dia hataoko ho anao.
39Quand tout le peuple eut passé le Jourdain et que le roi l'eut aussi passé, le roi baisa Barzillaï et le bénit. Et Barzillaï retourna dans sa demeure.
40Ary ny vahoaka rehetra nita an'i Jordana. Ary nony tafita ny mpanjaka, dia norohan'ny mpanjaka Barzilay sady notsofiny rano, ary dia lasa nody ho any amin'ny fonenany izy.
40Le roi se dirigea vers Guilgal, et Kimham l'accompagna. Tout le peuple de Juda et la moitié du peuple d'Israël avaient fait passer le Jourdain au roi.
41Dia nandroso nankany Gilgala mpanjaka, ary Kimama niaraka taminy; ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy ny antsasaky ny lehilahy amin'ny Isiraely koa nanatitra ny mpanjaka.
41Mais voici, tous les hommes d'Israël abordèrent le roi, et lui dirent: Pourquoi nos frères, les hommes de Juda, t'ont-ils enlevé, et ont-ils fait passer le Jourdain au roi, à sa maison, et à tous les gens de David?
42[Ny nifandiran'ny Isiraely sy ny Joda, ary ny niodinan'i Seba] Ary, indreo, ny lehilahy rehetra amin'Isiraely nankao amin'ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana ny lehilahy amin'ny Joda, rahalahinay, no nangalatra anao ka nitondra ny mpanjaka sy ny ankohonany ary ny olon'i Davida rehetra teny aminy hita an'i Jordana?
42Tous les hommes de Juda répondirent aux hommes d'Israël: C'est que le roi nous tient de plus près; et qu'y a-t-il là pour vous irriter? Avons-nous vécu aux dépens du roi? Nous a-t-il fait des présents?
43Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Joda dia namaly ny lehilahy amin'ny Isiraely hoe: Satria havanay akaiky ny mpanjaka; ka ahoana no mahatezitra anareo amin'izany? Nadany ny mpanjaka va izahay? Na nanome zavatra anay akory va izy?Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely kosa namaly ny lehilahy amin'ny Joda hoe: Izahay manana anjaram-polo amin'ny mpanjaka; eny, izahay manana an'i Davida mihoatra noho ianareo; koa ahoana ianareo no nanao tsinontsinona anay? Tsy izahay va no niteny talohanareo nampody ny mpanjakanay? Ary ny tenin'ny lehilahy amin'ny Joda dia lozaloza kokoa noho ny tenin'ny lehilahy amin'ny Isiraely.
43Et les hommes d'Israël répondirent aux hommes de Juda: Le roi nous appartient dix fois autant, et David même plus qu'à vous. Pourquoi nous avez-vous méprisés? N'avons-nous pas été les premiers à proposer de faire revenir notre roi? Et les hommes de Juda parlèrent avec plus de violence que les hommes d'Israël.
44Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely kosa namaly ny lehilahy amin'ny Joda hoe: Izahay manana anjaram-polo amin'ny mpanjaka; eny, izahay manana an'i Davida mihoatra noho ianareo; koa ahoana ianareo no nanao tsinontsinona anay? Tsy izahay va no niteny talohanareo nampody ny mpanjakanay? Ary ny tenin'ny lehilahy amin'ny Joda dia lozaloza kokoa noho ny tenin'ny lehilahy amin'ny Isiraely.