1[Ny namonoana an'Isboseta, sy ny namalian'i Davida ireo namono azy kosa] Ary nony ren'ny zanakalahin'i Saoly fa maty tany Hebrona Abnera, dia niraviravy tanana izy, ary raiki-tahotra ny Isiraely rehetra.
1Lorsque le fils de Saül apprit qu'Abner était mort à Hébron, ses mains restèrent sans force, et tout Israël fut dans l'épouvante.
2Ary nisy roa lahy, lehiben'ny mpitohan'ny zanakalahin'i Saoly, Bana no anaran'ny iray, ary Rekaba no anaran'ny iray, samy zanak'i Rimona Berotita tamin'ny taranak'i Benjamina (fa Berota koa natao ho isan'ny an'i Benjamina;
2Le fils de Saül avait deux chefs de bandes, dont l'un s'appelait Baana et l'autre Récab; ils étaient fils de Rimmon de Beéroth, d'entre les fils de Benjamin. -Car Beéroth était regardée comme faisant partie de Benjamin,
3ary ny Berotita nandositra nankany Gitaima, dia nivahiny tany mandraka androany).
3et les Beérothiens s'étaient enfuis à Guitthaïm, où ils ont habité jusqu'à ce jour.
4Ary Jonatana, zanak'i Saoly, nanan-janakalahy malemy tongotra. Dimy taona izy, fony tonga avy tany Jezirela ny filazana ny amin'i Saoly sy Jonatana; ary nentin'ny mpitaiza azy nandositra izy; ary raha nentiny nandositra tamin'ny fahatairana izy, dia nianjera ka tonga malemy tongotra, Mefiboseta no anarany.
4Jonathan, fils de Saül, avait un fils perclus des pieds; et âgé de cinq ans lorsqu'arriva de Jizreel la nouvelle de la mort de Saül et de Jonathan; sa nourrice le prit et s'enfuit, et, comme elle précipitait sa fuite, il tomba et resta boiteux; son nom était Mephiboscheth.
5Ary Rekaba sy Bana, zanak'i Rimona Berotita, nandeha; ka rehefa nafana ny andro, dia tonga tao an-tranon'Isboseta, tamin'ilay izy nandriandry tamin'ny antoandro iny.
5Or les fils de Rimmon de Beéroth, Récab et Baana, se rendirent pendant la chaleur du jour à la maison d'Isch-Boscheth, qui était couché pour son repos de midi.
6Ary niditra tao anaty trano Rekaba sy Bana rahalahiny haka vary, ka namely azy tamin'ny kibony, dia lasa nandositra.
6Ils pénétrèrent jusqu'au milieu de la maison, comme pour prendre du froment, et ils le frappèrent au ventre; puis Récab et Baana, son frère, se sauvèrent.
7Fa raha niditra tao an-trano izy roa lahy, ary Isboseta nandry teo amin'ny fandriany tao amin'ny trano fandriany dia namely azy izy roa lahy ka nahafaty azy, dia notapahiny ny lohany ka nentiny; ary nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay izy.[Heb. Arabà]
7Ils entrèrent donc dans la maison pendant qu'il reposait sur son lit dans sa chambre à coucher, ils le frappèrent et le firent mourir, et ils lui coupèrent la tête. Ils prirent sa tête, et ils marchèrent toute la nuit au travers de la plaine.
8Ary nitondra ny lohan'Isboseta tany amin'i Davida tao Hebrona izy ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Indro ny lohan'Isboseta, zanak'i Saoly fahavalonao, izay nitady ny ainao; fa Jehovah efa namaly an'i Saoly sy ny taranany androany noho ny amin'ny mpanjaka tompoko.
8Ils apportèrent la tête d'Isch-Boscheth à David dans Hébron, et ils dirent au roi: Voici la tête d'Isch-Boscheth, fils de Saül, ton ennemi, qui en voulait à ta vie; l'Eternel venge aujourd'hui le roi mon seigneur de Saül et de sa race.
9Ary hoy Davida tamin'i Rekaba sy Bana rahalahiny, zanak'i Rimona Berotita: Raha velona koa Jehovah, Izay namonjy ahy tamin'ny fahoriana rehetra,
9David répondit à Récab et à Baana, son frère, fils de Rimmon de Beéroth: L'Eternel qui m'a délivré de tout péril est vivant!
10ilay nanambara tamiko hoe: Indro, maty Saoly, ka nanao ny tenany ho mpitondra teny mahafaly, dia nohazoniko ka novonoiko tao Ziklaga. hanomezako azy ny valin'ny teny mahafaly nentiny;[Na: dia olona nampoizina homeko valim-pitia noho]
10celui qui est venu me dire: Voici, Saül est mort, et qui croyait m'annoncer une bonne nouvelle, je l'ai fait saisir et tuer à Tsiklag, pour lui donner le salaire de son message;
11koa mainka raha misy olon-dratsy mamono lehilahy marina ao an-tranony eo am-pandriany; koa tsy hadiniko eo an-tananareo va ny ràny, ary tsy hofongorako tsy ho amin'ny tany intsony va ianareoAry Davida nandidy ny zatovony, dia namono azy ireo, ka notapahiny ny tanany sy ny tongony, dia nahantony teo anilan'ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan'Isboseta kosa dia nentina ka nalevina tao am-pasan'i Abnera tao Hebrona.
11et quand des méchants ont assassiné un homme juste dans sa maison et sur sa couche, combien plus ne redemanderai-je pas son sang de vos mains et ne vous exterminerai-je pas de la terre?
12Ary Davida nandidy ny zatovony, dia namono azy ireo, ka notapahiny ny tanany sy ny tongony, dia nahantony teo anilan'ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan'Isboseta kosa dia nentina ka nalevina tao am-pasan'i Abnera tao Hebrona.
12Et David ordonna à ses gens de les tuer; ils leur coupèrent les mains et les pieds, et les pendirent au bord de l'étang d'Hébron. Ils prirent ensuite la tête d'Isch-Boscheth, et l'enterrèrent dans le sépulcre d'Abner à Hébron.