Malagasy

French 1910

2 Samuel

8

1[Ny nandresen'i Davida ny fahavalony] Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy; ary ny fanapahana ny renivohitra dia nesorin'i Davida tamin'ny tanan'ny Filistina.
1Après cela, David battit les Philistins et les humilia, et il enleva de la main des Philistins les rênes de leur capitale.
2Ary nandresy ny Moabita koa izy, dia nampandriny tamin'ny tany ireo ary nohariny tamin'ny kofehy, ka izay indroan'ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy; ka dia tonga mpanompon'i Davida ny Moabita ka nandoa hetra.
2Il battit les Moabites, et il les mesura avec un cordeau, en les faisant coucher par terre; il en mesura deux cordeaux pour les livrer à la mort, et un plein cordeau pour leur laisser la vie. Et les Moabites furent assujettis à David, et lui payèrent un tribut.
3Dia resin'i Davida koa Hadadezera, zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba, tamin'izy lasa nampody ny fanjakany teo amoron'ny ony Eofrata.
3David battit Hadadézer, fils de Rehob, roi de Tsoba, lorsqu'il alla rétablir sa domination sur le fleuve de l'Euphrate.
4Ary Davida nahazo babo taminy, dia miaramila an-tsoavaly fiton-jato amby arivo sy miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no navelany.
4David lui prit mille sept cents cavaliers et vingt mille hommes de pied; il coupa les jarrets à tous les chevaux de trait, et ne conserva que cent attelages.
5Ary tonga ny Syriana avy tany Damaskosy hanampy an'i Hadadezera, mpanjakan'i Zoba; dia nahafatesan'i Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Syriana.
5Les Syriens de Damas vinrent au secours d'Hadadézer, roi de Tsoba, et David battit vingt-deux mille Syriens.
6Ary nametrahan'i Davida miaramila tany Syria momba an'i Damaskosy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.
6David mit des garnisons dans la Syrie de Damas. Et les Syriens furent assujettis à David, et lui payèrent un tribut. L'Eternel protégeait David partout où il allait.
7Ary nalain'i Davida ny ampinga volamena izay teny amin'ny mpanompon'i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema.
7Et David prit les boucliers d'or qu'avaient les serviteurs d'Hadadézer, et les apporta à Jérusalem.
8Ary teo Beta sy Berotahy, tanànan'i Hadadezera, no nahazoan'i Davida mpanjaka babo varahina be dia be.
8Le roi David prit encore une grande quantité d'airain à Béthach et à Bérothaï, villes d'Hadadézer.
9Ary nony ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa efa naharesy ny miaramilan'i Hadadezera rehetra Davida,
9Thoï, roi de Hamath, apprit que David avait battu toute l'armée d'Hadadézer,
10dia nirahin'i Toy Jorama zanany hankany amin'i Davida mpanjaka hiarahaba azy sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin'i Hadadezera sy ny nandreseny azy (fa Hadadezera dia fahavalon'i Toy); ary gorama nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fanaka varahina;
10et il envoya Joram, son fils, vers le roi David, pour le saluer, et pour le féliciter d'avoir attaqué Hadadézer et de l'avoir battu. Car Thoï était en guerre avec Hadadézer. Joram apporta des vases d'argent, des vases d'or, et des vases d'airain.
11dia nohamasinin'i Davida mpanjaka ho an'i Jehovah koa izany mbamin'ny volafotsy sy ny volamena izay nohamasininy avy tamin'ny firenena rehetra izay efa resiny,
11Le roi David les consacra à l'Eternel, comme il avait déjà consacré l'argent et l'or pris sur toutes les nations qu'il avait vaincues,
12dia tamin'i Syria sy Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Filistina sy ny Amalekita ary ny babo azony tamin'i Hadadezera, zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba.
12sur la Syrie, sur Moab, sur les fils d'Ammon, sur les Philistins, sur Amalek, et sur le butin d'Hadadézer, fils de Rehob, roi de Tsoba.
13Ary Davida nahazo laza nony niverina avy nandresy ny Syriana valo arivo sy iray alina teo amin'ny Lohasahan-tsira.
13Au retour de sa victoire sur les Syriens, David se fit encore un nom, en battant dans la vallée du sel dix-huit mille Edomites.
14Ary nametrahany miaramila tany Edoma; eny, nametrahany miaramila avokoa Edoma rehetra, ary ny mponina rehetra tany Edoma dia tonga mpanompon'i Davida. Ary Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.
14Il mit des garnisons dans Edom, il mit des garnisons dans tout Edom. Et tout Edom fut assujetti à David. L'Eternel protégeait David partout où il allait.
15[Ny mpanao raharaham-panjakana tamin'i Davida] Ary Davida nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra marina ny vahoakany rehetra.
15David régna sur Israël, et il faisait droit et justice à tout son peuple.
16Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no komandin'ny miaramila; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;
16Joab, fils de Tseruja, commandait l'armée; Josaphat, fils d'Achilud, était archiviste;
17ary Zadoka, zanak'i Ahitoba, sy Ahimeleka, zanak'i Abiatara, no mpisorona; ary Seraia no mpanoratra;ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny mpiambina andriana; ary ny zanak'i Davida no mpanolo-tsaina. [Heb. Kerenita sy Peletita][Na: mpisorona]
17Tsadok, fils d'Achithub, et Achimélec, fils d'Abiathar, étaient sacrificateurs; Seraja était secrétaire;
18ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny mpiambina andriana; ary ny zanak'i Davida no mpanolo-tsaina. [Heb. Kerenita sy Peletita][Na: mpisorona]
18Benaja, fils de Jehojada, était chef des Kéréthiens et des Péléthiens; et les fils de David étaient ministres d'état.