Malagasy

French 1910

Deuteronomy

23

1Tsy mahazo maka ny vadin-drainy ny olona, na maniry amin'izay nandrian-drainy.
1Celui dont les testicules ont été écrasés ou l'urètre coupé n'entrera point dans l'assemblée de l'Eternel.
2[Didy maro samy hafa] Tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah izay torotoro vihina, na izay voatapaka ny filahiany.
2Celui qui est issu d'une union illicite n'entrera point dans l'assemblée de l'Eternel; même sa dixième génération n'entrera point dans l'assemblée de l'Eternel.
3Ny zazasary tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah: na dia hatramin'ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah.
3L'Ammonite et le Moabite n'entreront point dans l'assemblée de l'Eternel, même à la dixième génération et à perpétuité,
4Ny Amonita sy ny Moabita tsy mahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah: na dia hatramin'ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah hatramin'ny mandrakizay ireny,
4parce qu'ils ne sont pas venus au-devant de vous avec du pain et de l'eau, sur le chemin, lors de votre sortie d'Egypte, et parce qu'ils ont fait venir contre toi à prix d'argent Balaam, fils de Beor, de Pethor en Mésopotamie, pour qu'il te maudisse.
5satria tsy nitsena hanina sy rano anareo teny an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary satria nanamby an'i Balama, zanak'i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy.
5Mais l'Eternel, ton Dieu, n'a point voulu écouter Balaam; et l'Eternel, ton Dieu, a changé pour toi la malédiction en bénédiction, parce que tu es aimé de l'Eternel, ton Dieu.
6Kanefa Jehovah Andriamanitrao tsy nety nihaino an'i Balama, fa nampody ny fanozonana ho fitahiana anao Izy noho ny fitiavany anao.
6Tu n'auras souci ni de leur prospérité ni de leur bien-être, tant que tu vivras, à perpétuité.
7Aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy amin'ny andronao rehetra mandrakizay.
7Tu n'auras point en abomination l'Edomite, car il est ton frère; tu n'auras point en abomination l'Egyptien, car tu as été étranger dans son pays:
8Aza atao ho fahavetavetana ny Edomita, fa rahalahinao izy, na ny Egyptiana, fa efa mba vahiny tany amin'ny taniny ianao.
8les fils qui leur naîtront à la troisième génération entreront dans l'assemblée de l'Eternel.
9Ny zafiafin'ireo dia hahazo miditra amin'ny fiangonan'i Jehovah.
9Lorsque tu camperas contre tes ennemis, garde-toi de toute chose mauvaise.
10Raha mivoaka hiady amin'ny fahavalonao ny tafikao, dia mifadia ny ratsy rehetra.
10S'il y a chez toi un homme qui ne soit pas pur, par suite d'un accident nocturne, il sortira du camp, et n'entrera point dans le camp;
11Raha misy olona eo aminao, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin'ny alina, dia hivoaka eny ivelan'ny toby izy, fa tsy hiditra ao anatiny.
11sur le soir il se lavera dans l'eau, et après le coucher du soleil il pourra rentrer au camp.
12Fa rehefa hariva, dia aoka handro amin'ny rano izy; ary nony tokony ho maty masoandro, dia mahazo miverina eo amin'ny toby indray izy.
12Tu auras un lieu hors du camp, et c'est là dehors que tu iras.
13Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan'ny toby ho fivoahanao;
13Tu auras parmi ton bagage un instrument, dont tu te serviras pour faire un creux et recouvrir tes excréments, quand tu voudras aller dehors.
14ary mitondrà fantaka miaraka amin'ny fiadianao, ka raha hipetraka eny ivelany ianao, dia mihadia lavaka amin'ny fantaka, ka totofy ny fivalananao.
14Car l'Eternel, ton Dieu, marche au milieu de ton camp pour te protéger et pour livrer tes ennemis devant toi; ton camp devra donc être saint, afin que l'Eternel ne voie chez toi rien d'impur, et qu'il ne se détourne point de toi.
15Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan'ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masina ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao.
15Tu ne livreras point à son maître un esclave qui se réfugiera chez toi, après l'avoir quitté.
16Aza atolotrao amin'ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mamonjy tena ho eo aminao.
16Il demeurera chez toi, au milieu de toi, dans le lieu qu'il choisira, dans l'une de tes villes, où bon lui semblera: tu ne l'opprimeras point.
17Eo aminao no hitoerany, dia eo amin'ny tanàna izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy.
17Il n'y aura aucune prostituée parmi les filles d'Israël, et il n'y aura aucun prostitué parmi les fils d'Israël.
18Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin'ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.
18Tu n'apporteras point dans la maison de l'Eternel, ton Dieu, le salaire d'une prostituée ni le prix d'un chien, pour l'accomplissement d'un voeu quelconque; car l'un et l'autre sont en abomination à l'Eternel, ton Dieu.
19Aza mitondra ny tangin'ny vehivavy janga, na ny karaman'alika, ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo.
19Tu n'exigeras de ton frère aucun intérêt ni pour argent, ni pour vivres, ni pour rien de ce qui se prête à intérêt.
20Aza mampanàna zavatra amin'ny rahalahinao, na vola, na hanina, na zavatra hafa mety hampananaina.
20Tu pourras tirer un intérêt de l'étranger, mais tu n'en tireras point de ton frère, afin que l'Eternel, ton Dieu, te bénisse dans tout ce que tu entreprendras au pays dont tu vas entrer en possession.
21Ny olona hafa firenena ihany no hampanananao zavatra; fa ny rahalahinao kosa dia tsy hampanananao; mba hotahin'i Jehovah Andriamanitrao ianao amin'izay rehetra ataon'ny tananao eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana.
21Si tu fais un voeu à l'Eternel, ton Dieu, tu ne tarderas point à l'accomplir: car l'Eternel, ton Dieu, t'en demanderait compte, et tu te chargerais d'un péché.
22Raha mivoady amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia aza ela fanefa; fa hadinin'i Jehovah Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotana aminao.
22Si tu t'abstiens de faire un voeu, tu ne commettras pas un péché.
23Fa raha tsy mivoady ianao, dia tsy fahotana aminao izany.
23Mais tu observeras et tu accompliras ce qui sortira de tes lèvres, par conséquent les voeux que tu feras volontairement à l'Eternel, ton Dieu, et que ta bouche aura prononcés.
24Izay aloaky ny vavanao dia tandremo hotanterahinao, araka ny sitraponao nivoadianao tamin'i Jehovah ihany, dia izay nolazain'ny vavanao.
24Si tu entres dans la vigne de ton prochain, tu pourras à ton gré manger des raisins et t'en rassasier; mais tu n'en mettras point dans ton vase.
25Raha mankany amin'ny tanim-boaloboky ny namanao ianao, dia mahazo manaram-po mihinam-boaloboka hahavoky anao; fa aza mitondra mody.Raha mankany amin'ny tanimbarin'ny namanao ianao, dia mahazo mioty salohim-bary ny tananao; fa aza jinjanao antsy ny varin'ny namanao.
25Si tu entres dans les blés de ton prochain, tu pourras cueillir des épis avec la main, mais tu n'agiteras point la faucille sur les blés de ton prochain.
26Raha mankany amin'ny tanimbarin'ny namanao ianao, dia mahazo mioty salohim-bary ny tananao; fa aza jinjanao antsy ny varin'ny namanao.