1[Ny handravana an'i Edoma noho ny nandrafiany ny Isiraely] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
1La parole de l'Eternel me fut adressée, en ces mots:
2Ry zanak'olona, manandrifia ny tendrombohitra Seïra, ka maminania ny hamelezana azy,
2Fils de l'homme, tourne ta face vers la montagne de Séir, Et prophétise contre elle!
3dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry tendrombohitra Seïra, ary hahinjitro aminao ny tanako, ka hataoko foana sy lao ianao.
3Tu lui diras: Ainsi parle le Seigneur, l'Eternel: Voici, j'en veux à toi, montagne de Séir! J'étends ma main sur toi, Et je fais de toi une solitude et un désert.
4Ny tanànanao hataoko korontam-bato, ary ianao ho lao; Ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.
4Je mettrai tes villes en ruines, Tu deviendras une solitude, Et tu sauras que je suis l'Eternel.
5Noho ny fandrafianao hatry ny fony ela sy ny nanoloranao ny zanak'Isiraely ho fatin'ny sabatra, fony tamin'ny andro nahitany loza, dia ny fotoan'ny heloka mahafaty,[Heb. ho eo an-tànan']
5Parce que tu avais une haine éternelle, Parce que tu as précipité par le glaive les enfants d'Israël, Au jour de leur détresse, Au temps où l'iniquité était à son terme,
6Dia izao no lazain'i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hataoko manjary rà ianao, ary rà no hanenjika anao; Satria tsy nankahalainao ny rà, dia rà kosa no hanenjika anao.
6Je suis vivant! dit le Seigneur, l'Eternel, Je te mettrai à sang, et le sang te poursuivra; Puisque tu n'as pas haï le sang, Le sang te poursuivra.
7Hataoko foana sy lao ny tendrombohitra Seïra, sady hataoko tsy misy intsony ny mandroso sy ny miverina,
7Je ferai de la montagne de Séir une solitude et un désert, Et j'en exterminerai les allants et les venants.
8Ary hofenoiko ny olony voavono ny tendrombohiny; Eny, ao amin'ny havoananao sy ny lohasahanao Ary amoron'ny lohasahan-driakanao rehetra no hiampatramparan'izay voatrabaky ny sabatra.
8Je remplirai de morts ses montagnes; Sur tes collines, dans tes vallées, dans tous tes ravins, Tomberont ceux qui seront frappés par l'épée.
9Hataoko rava mandrakizay ianao, ary tsy honenana intsony ny tanànanao; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
9Je ferai de toi des solitudes éternelles, Tes villes ne seront plus habitées, Et vous saurez que je suis l'Eternel.
10Ary noho ny nanaovanao hoe: Ireto firenena roa ireto sy ireto tany roa ireto dia ho ahy avokoa, Ka hanana azy izahay kanefa teo ihany Jehovah
10Parce que tu as dit: Les deux nations, les deux pays seront à moi, Et nous en prendrons possession, Quand même l'Eternel était là,
11Dia izao no lazain'i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hanao araka ny fahatezeranao sy ny fialonanao Aho, izay nataonao noho ny fandrafianao azy; Ary hampahafantariko ao aminy ny tenako amin'ny hitsarako anao.
11Je suis vivant! dit le Seigneur, l'Eternel, J'agirai avec la colère et la fureur Que tu as montrées, dans ta haine contre eux; Et je me ferai connaître au milieu d'eux, Quand je te jugerai.
12Ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no efa nandre ny fanaratsiana, izay nolazainao ny amin'ireny tendrombohitry ny Isiraely hoe: Foana ireny ka nomena anay ho fivelomanay.
12Tu sauras que moi, l'Eternel, J'ai entendu tous les outrages Que tu as proférés contre les montagnes d'Israël, En disant: Elles sont dévastées, Elles nous sont livrées comme une proie.
13Ary nanao teny miavonavona namely Ahy ianareo sy nanamaro ny teninareo namely Aha; efa reko izany.
13Vous vous êtes élevés contre moi par vos discours, Vous avez multiplié vos paroles contre moi: J'ai entendu.
14Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Rehefa mifaly ny tany rehetra, dia hofoanako kosa ianao,Toy ny nifalianao ny amin'ny lovan'ny taranak'Isirady, satria nofoanana ireny, dia toy izany kosa no hataoko aminao: Ho foana ianao, ry tendrombohitra Seïra sy Edoma rehetra; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
14Ainsi parle le Seigneur, l'Eternel: Lorsque tout le pays sera dans la joie, Je ferai de toi une solitude.
15Toy ny nifalianao ny amin'ny lovan'ny taranak'Isirady, satria nofoanana ireny, dia toy izany kosa no hataoko aminao: Ho foana ianao, ry tendrombohitra Seïra sy Edoma rehetra; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
15A cause de la joie que tu as éprouvée Parce que l'héritage de la maison d'Israël était dévasté, Je te traiterai de la même manière; Tu deviendras une solitude, montagne de Séir, Toi, et Edom tout entier. Et ils sauront que je suis l'Eternel.