1[Ny amin'ny mpanjaka sy ny fanatitra hataony sy ny hataon'ny vahoaka, sy ny zavatra homeny ho an'ny zanany sy ny mpanompony, ary ny amin'ny fahandroana ny fanatitra naterin'ny vahoaka] Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny vavahadin'ny kianja anatiny izay manatrika ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha; fa amin'ny Sabata sy amin'ny andro voaloham-bolana kosa no hivoha izy.
1Ainsi parle le Seigneur, l'Eternel: La porte du parvis intérieur, du côté de l'orient, restera fermée les six jours ouvriers; mais elle sera ouverte le jour du sabbat, elle sera aussi ouverte le jour de la nouvelle lune.
2Dia hiditra avy any ivelany amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady ny mpanjaka ka hijanona eo anilan'ny tolam-bavahady, ary ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany dia haterin'ny mpisorona, ary ny mpanjaka hiankohoka eo amin'ny tokonam-bavahady, dia hivoaka izy; ary tsy hirindrina ny vavahady, raha tsy efa hariva ny andro.
2Le prince entrera par le chemin du vestibule de la porte extérieure, et se tiendra près des poteaux de la porte; les sacrificateurs offriront son holocauste et ses sacrifices d'actions de grâces; il se prosternera sur le seuil de la porte, puis il sortira, et la porte ne sera pas fermée avant le soir.
3Ary ny vahoaka koa hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah eo am-bavahady amin'ny Sabata sy amin'ny andro voaloham-bolana.
3Le peuple du pays se prosternera devant l'Eternel à l'entrée de cette porte, aux jours de sabbat et aux nouvelles lunes.
4Ary ny fanatitra dorana izay haterin'ny mpanjaka ho an'i Jehovah amin'ny andro Sabata dia zanak'ondry enina tsy misy kilema sy ondrilahy iray tsy misy kilema koa.
4L'holocauste que le prince offrira à l'Eternel, le jour du sabbat, sera de six agneaux sans défaut et d'un bélier sans défaut;
5Ary ny fanatitra hohanina fanampin'ilay ondrilahy iray dia iray efaha, ary ny fanatitra hohanina fanampin'ireo zanak'ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo iray hina isan'efaha.[Na: tratry ny ananany]
5et son offrande, d'un épha pour le bélier, et de ce qu'il voudra pour les agneaux, avec un hin d'huile par épha.
6ary amin'ny andro voaloham-bolana dia vantotr'ombilahy iray tsy misy kilema sy zanak'ondry enina ary ondrilahy iray; samy tsy hisy kilema ireo.
6Le jour de la nouvelle lune, il offrira un jeune taureau sans défaut, six agneaux et un bélier qui seront sans défaut;
7Ary hanatitra fanatitra hohanina izy, dia iray efaha isam-bantotr'ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy koa; ary ny amin'ny zanak'ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia iray hina isan'efaha.[Na: tratry ny ananany]
7et son offrande sera d'un épha pour le taureau, d'un épha pour le bélier, et de ce qu'il voudra pour les agneaux, avec un hin d'huile par épha.
8Ary raha miditra ny mpanjaka, dia amin'ny lalana mankamin'ny lavarangan'ny vavahady no hidirany ary amin'ny lalana nalehany ihany koa no hivoahany.
8Lorsque le prince entrera, il entrera par le chemin du vestibule de la porte, et il sortira par le même chemin.
9Fa raha ny vahoaka kosa no miditra ho eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fotoam-pivavahana, dia izay miditra amin'ny vavahady avaratra hiankohoka dia hivoaka amin'ny vavahady atsimo kosa; ary izay miditra amin'ny vavahady atsimo dia hivoaka amin'ny vavahady avaratra kosa: tsy hiverina amin'ilay vavahady nidirany izy, fa amin'izay tandrifiny ihany no hivoahany
9Mais lorsque le peuple du pays se présentera devant l'Eternel, aux solennités, celui qui entrera par la porte septentrionale pour se prosterner sortira par la porte méridionale, et celui qui entrera par la porte méridionale sortira par la porte septentrionale; on ne devra pas s'en retourner par la porte par laquelle on sera entré, mais on sortira par celle qui lui est opposée.
10Ary ny mpanjaka dia hiara-miditra amin'ireo, ary raha mivoaka ireo, dia hiara-mivoaka aminy.
10Le prince entrera parmi eux quand ils entreront, et sortira quand ils sortiront.
11Ary amin'ny andro firavoravoana sy ny fotoam-pivavahana dia iray efaha no ho fanatitra hohanina isam-bantotr'ombilahy iray, ary iray efaha isan-ondrilahy iray, ary ny amin'ny zanak'ondry, dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia eran'ny hina isan-efaha.[Na: tratry ny ananany]
11Aux fêtes et aux solennités, l'offrande sera d'un épha pour le taureau, d'un épha pour le bélier, et de ce qu'il voudra pour les agneaux, avec un hin d'huile par épha.
12Ary raha ny mpanjaka no manatitra fanatitra dorana na fanati-pihavanana ho fanatitra sitrapo ho an'i Jehovah, dia hovohana ho azy ny vavahady manatrika ny atsinanana, dia hateriny ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany, tahaka izay àtaony amin'ny Sabata; ary rehefa tafavoaka izy, dia harindrina ny vavahady.
12Si le prince offre à l'Eternel un holocauste volontaire ou un sacrifice volontaire d'actions de grâces, on lui ouvrira la porte qui est du côté de l'orient, et il offrira son holocauste et son sacrifice d'actions de grâces comme il doit le faire le jour du sabbat; puis il sortira, et l'on fermera la porte après qu'il sera sorti.
13Ary zanak'ondry anankiray iray taona tsy misy kilema no haterinao isan'andro ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah; isa-maraina no hanateranao azy.
13Tu offriras chaque jour en holocauste à l'Eternel un agneau d'un an, sans défaut; tu l'offriras tous les matins.
14Ary hanatitra fanatitra hohanina ho fanampiny isa-maraina ianao, dia ampahenin'ny efaha sy diloilo ampahatelon'ny hina handemana ny koba tsara toto; fanatitra hohanina ho an'i Jehovah izany: lalàna tsy miova mandrakizay izany.
14Tu y joindras pour offrande, tous les matins, un sixième d'épha, et le tiers d'un hin d'huile pour pétrir la farine. C'est l'offrande à l'Eternel, une loi perpétuelle, pour toujours.
15Ary toy izany no anatero ny zanak'ondry sy ny fanatitra hohanina ary ny diloilo isa-maraina ho fanatitra mandrakariva.
15On offrira, tous les matins, l'agneau et l'offrande avec l'huile, comme holocauste perpétuel.
16Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Raha manome zavatra ho an'ny anankiray amin'ny zanany ny mpanjaka, dia ho lovan'ny zanany izany; eny, ho zara-lovany izany.
16Ainsi parle le Seigneur, l'Eternel: Si le prince fait à l'un de ses fils un don pris sur son héritage, ce don appartiendra à ses fils, ce sera leur propriété comme héritage.
17Fa raha manome zavatra avy amin'ny lovany ho an'ny anankiray amin'ny mpanompony kosa izy, dia ho azy mandra-pahatongan'ny taona fanafahana ihany izany; dia hiverina ho amin'ny mpanjaka indray izany ka ho lova ho an'ny zanany ihany.
17Mais s'il fait à l'un de ses serviteurs un don pris sur son héritage, ce don lui appartiendra jusqu'à l'année de la liberté, puis il retournera au prince; ses fils seuls posséderont ce qu'il leur donnera de son héritage.
18Ary tsy haka amin'ny lovan'ny vahoaka hampiala azy amin'ny zara-taniny izy; fa homeny lova avy amin'ny fananany ihany ny zanany, mba tsy hielezan'ny oloko hiala amin'ny zara-taniny.
18Le prince ne prendra rien de l'héritage du peuple, il ne le dépouillera pas de ses possessions; ce qu'il donnera en héritage à ses fils, il le prendra sur ce qu'il possède, afin que nul parmi mon peuple ne soit éloigné de sa possession.
19Dia nentiny niditra tamin'ny fidirana eo anilan'ny vavahady aho ho ao amin'ireo efi-trano masin'ny mpisorona, izay manatrika ny avaratra; ary, indro, nisy fitoerana teo amin'ny faran'ny andrefana.
19Il me conduisit, par l'entrée qui était à côté de la porte, dans les chambres saintes destinées aux sacrificateurs, vers le septentrion. Et voici, il y avait un lieu dans le fond, du côté de l'occident.
20Dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana fahandroan'ny mpisorona ny fanati-panonerana sy ny fanatitra noho ny ota sy hanendasany ny fanatitra hohanina, mba tsy hitondrany azy mivoaka lò any amin'ny kianja ivelany hanamasina ny olona.
20Il me dit: C'est le lieu où les sacrificateurs feront cuire la chair des sacrifices de culpabilité et d'expiation, et où ils feront cuire les offrandes, pour éviter de les porter dans le parvis extérieur et de sanctifier le peuple.
21Dia nentiny nivoaka ho any amin'ny kianja ivelany aho ka nampiteteziny ny zorony efatra amin'ny kianja; ary, indro, ao amin'ny isan-joron'ny kianja dia nisy kianja hafa koa.
21Il me conduisit ensuite dans le parvis extérieur, et me fit passer vers les quatre angles du parvis. Et voici, il y avait une cour à chacun des angles du parvis.
22Teny amin'ny zorony efatra amin'ny kianja dia nisy kianja nofefena, efa-polo hazizo avy ny lavany, ary telo-polo avy ny sakany; mitovy ohatra ireo an-jorony efatra ireo.
22Aux quatre angles du parvis il y avait des cours voûtées, longues de quarante coudées et larges de trente; toutes les quatre avaient la même mesure, dans les angles.
23Ary nisy rafitra teo anatiny manodidina azy, dia manodidina ireo efatra ireo, izay nisy fahandroana ambanin'izany rafitra manodidina izany.Dia hoy izy tamiko: Ireto no tranon'ny mpahandro, izay fahandroan'ny mpanao fanompoam-pivavahana eto an-trano ny fanatitra halatsa-drà aterin'ny olona.
23Un mur les entourait toutes les quatre, et des foyers étaient pratiqués au bas du mur tout autour.
24Dia hoy izy tamiko: Ireto no tranon'ny mpahandro, izay fahandroan'ny mpanao fanompoam-pivavahana eto an-trano ny fanatitra halatsa-drà aterin'ny olona.
24Il me dit: Ce sont les cuisines, où les serviteurs de la maison feront cuire la chair des sacrifices offerts par le peuple.