1[Ny nanovan'Andriamanitra ny anaran'i Abrama mivady, sy ny nanendreny ny fora ho famantarana ny fanekena nataony taminy, ary ny amin'ny hahaterahan'Isaka] Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan'i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.
1Lorsque Abram fut âgé de quatre-vingt-dix-neuf ans, l'Eternel apparut à Abram, et lui dit: Je suis le Dieu tout-puissant. Marche devant ma face, et sois intègre.
2Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra.
2J'établirai mon alliance entre moi et toi, et je te multiplierai à l'infini.
3Dia niankohoka Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy ka nanao hoe:
3Abram tomba sur sa face; et Dieu lui parla, en disant:
4Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain'ny firenena maro ianao.
4Voici mon alliance, que je fais avec toi. Tu deviendras père d'une multitude de nations.
5Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain'ny firenena maro ianao.
5On ne t'appellera plus Abram; mais ton nom sera Abraham, car je te rends père d'une multitude de nations.
6Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho firenena maro ianao; ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao.
6Je te rendrai fécond à l'infini, je ferai de toi des nations; et des rois sortiront de toi.
7Ary haoriko ny fanekeko ho amiko sy ho aminao mbamin'ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
7J'établirai mon alliance entre moi et toi, et tes descendants après toi, selon leurs générations: ce sera une alliance perpétuelle, en vertu de laquelle je serai ton Dieu et celui de ta postérité après toi.
8Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho.
8Je te donnerai, et à tes descendants après toi, le pays que tu habites comme étranger, tout le pays de Canaan, en possession perpétuelle, et je serai leur Dieu.
9Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby.
9Dieu dit à Abraham: Toi, tu garderas mon alliance, toi et tes descendants après toi, selon leurs générations.
10Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.
10C'est ici mon alliance, que vous garderez entre moi et vous, et ta postérité après toi: tout mâle parmi vous sera circoncis.
11Dia hoforana ianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany.
11Vous vous circoncirez; et ce sera un signe d'alliance entre moi et vous.
12Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby: na ny ompikely. na izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena ka tsy avy amin'ny taranakao.
12A l'âge de huit jours, tout mâle parmi vous sera circoncis, selon vos générations, qu'il soit né dans la maison, ou qu'il soit acquis à prix d'argent de tout fils d'étranger, sans appartenir à ta race.
13Tsy maintsy hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao amin'ny nofonareo ho fanekena mandrakizay.
13On devra circoncire celui qui est né dans la maison et celui qui est acquis à prix d'argent; et mon alliance sera dans votre chair une alliance perpétuelle.
14Ary ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy.
14Un mâle incirconcis, qui n'aura pas été circoncis dans sa chair, sera exterminé du milieu de son peuple: il aura violé mon alliance.
15Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Ny amin'i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany.
15Dieu dit à Abraham: Tu ne donneras plus à Saraï, ta femme, le nom de Saraï; mais son nom sera Sara.
16Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan'ny firenena maro avy aminy.
16Je la bénirai, et je te donnerai d'elle un fils; je la bénirai, et elle deviendra des nations; des rois de peuples sortiront d'elle.
17Dia niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona?
17Abraham tomba sur sa face; il rit, et dit en son coeur: Naîtrait-il un fils à un homme de cent ans? et Sara, âgée de quatre-vingt-dix ans, enfanterait-elle?
18Ary hoy Abrahama tamin'Andriamanitra : Enga anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao!
18Et Abraham dit à Dieu: Oh! qu'Ismaël vive devant ta face!
19Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an'ny taranany mandimby azy.
19Dieu dit: Certainement Sara, ta femme, t'enfantera un fils; et tu l'appelleras du nom d'Isaac. J'établirai mon alliance avec lui comme une alliance perpétuelle pour sa postérité après lui.
20Ary ny amin'Isimaela, dia efa nihaino anao Aho; indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa ambin'ny folo izy, satria efa notendreko ho firenena lehibe.
20A l'égard d'Ismaël, je t'ai exaucé. Voici, je le bénirai, je le rendrai fécond, et je le multiplierai à l'infini; il engendrera douze princes, et je ferai de lui une grande nation.
21Nefa ny fanekeko haoriko amin'Isaka. izay haterak'i Saraha aminao raha avy ny taona toy izao.
21J'établirai mon alliance avec Isaac, que Sara t'enfantera à cette époque-ci de l'année prochaine.
22Ary rehefa vita ny teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin'i Abrahama.
22Lorsqu'il eut achevé de lui parler, Dieu s'éleva au-dessus d'Abraham.
23Koa dia nalain'i Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin'izay rehetra novidiny vola dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay nolazain'Andriamanitra taminy.
23Abraham prit Ismaël, son fils, tous ceux qui étaient nés dans sa maison et tous ceux qu'il avait acquis à prix d'argent, tous les mâles parmi les gens de la maison d'Abraham; et il les circoncit ce même jour, selon l'ordre que Dieu lui avait donné.
24Ary efa sivy amby sivi-folo taona Abrahama, raha noforana izy.
24Abraham était âgé de quatre-vingt-dix-neuf ans, lorsqu'il fut circoncis.
25Ary efa telo ambin'ny folo taona Isimaela zanany, raha noforana izy.
25Ismaël, son fils, était âgé de treize ans lorsqu'il fut circoncis.
26Androtrizay indrindra no namorana an'i Abrahama sy Isimaela zanany;ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, dia ny ompikely mbamin'izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena, dia samy niara-noforana taminy avokoa.
26Ce même jour, Abraham fut circoncis, ainsi qu'Ismaël, son fils.
27ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, dia ny ompikely mbamin'izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena, dia samy niara-noforana taminy avokoa.
27Et tous les gens de sa maison, nés dans sa maison, ou acquis à prix d'argent des étrangers, furent circoncis avec lui.