1[Ny nandehanan'ny zanak'i Jakoba fanindroany, sy ny nizahan'i Josefa toetra azy] Ary mafy ny mosary teo amin'ny tany.
1La famine s'appesantissait sur le pays.
2AryY rehefa laniny ny vary izay efa nalainy tany Egypta, dia hoy ny rainy taminy: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika.
2Quand ils eurent fini de manger le blé qu'ils avaient apporté d'Egypte, Jacob dit à ses fils: Retournez, achetez-nous un peu de vivres.
3Ary Joda niteny taminy ka nanao hoe: Efa nilaza mafy taminay ralehilahy ka nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
3Juda lui répondit: Cet homme nous a fait cette déclaration formelle: Vous ne verrez pas ma face, à moins que votre frère ne soit avec vous.
4Raha hampandehaninao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao;
4Si donc tu veux envoyer notre frère avec nous, nous descendrons, et nous t'achèterons des vivres.
5fa raha tsy hampandehaninao izy, dia tsy hidina izahay; fa hoy ralehilahy taminay: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo.
5Mais si tu ne veux pas l'envoyer, nous ne descendrons point, car cet homme nous a dit: Vous ne verrez pas ma face, à moins que votre frère ne soit avec vous.
6Ary hoy Isiraely: Nahoana no dia nampidi-doza tamiko ianareo ka nanambara tamin-dralehilahy fa mbola nanan-drahalahy koa ianareo?
6Israël dit alors: Pourquoi avez-vous mal agi à mon égard, en disant à cet homme que vous aviez encore un frère?
7Ary hoy izy ireo: Nanadina dia nanadina ny amin'ny tenanay sy ny mpianakavinay ralehilahy ka nanao hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory va izay hanaovany hoe: Ento midina ny rahalahinareo?
7Ils répondirent: Cet homme nous a interrogés sur nous et sur notre famille, en disant: Votre père vit-il encore? avez-vous un frère? Et nous avons répondu à ces questions. Pouvions-nous savoir qu'il dirait: Faites descendre votre frère?
8Ary hoy Joda tamin'Isiraely rainy: Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika koa.
8Juda dit à Israël, son père: Laisse venir l'enfant avec moi, afin que nous nous levions et que nous partions; et nous vivrons et ne mourrons pas, nous, toi, et nos enfants.
9Izaho no hiantoka azy; amin'ny tanako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin'ny andro rehetra hiainako aho;
9Je réponds de lui; tu le redemanderas de ma main. Si je ne le ramène pas auprès de toi et si je ne le remets pas devant ta face, je serai pour toujours coupable envers toi.
10fa raha tsy nijanonjanona izahay, dia efa tafaverina fanindroany toy izay.
10Car si nous n'eussions pas tardé, nous serions maintenant deux fois de retour.
11Ary hoy Isiraely rainy taminy: Raha izany ary no izy, dia izao no ataovy: analao ny vokatra malaza amin'ny tany ka ataovy ao anatin'ny fitondran-entanareo, dia ento midina haterina ho an-dralehilahy, dia balsama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota sy pistakia ary amygdala;
11Israël, leur père, leur dit: Puisqu'il le faut, faites ceci. Prenez dans vos sacs des meilleures productions du pays, pour en porter un présent à cet homme, un peu de baume et un peu de miel, des aromates, de la myrrhe, des pistaches et des amandes.
12ary mitondra vola toraka ny teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan'ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany.
12Prenez avec vous de l'argent au double, et remportez l'argent qu'on avait mis à l'entrée de vos sacs: peut-être était-ce une erreur.
13Ary ny rahalahinareo ento ihany; dia miainga ka miverena indray ho any amin-dralehilahy;
13Prenez votre frère, et levez-vous; retournez vers cet homme.
14ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany.
14Que le Dieu tout-puissant vous fasse trouver grâce devant cet homme, et qu'il laisse revenir avec vous votre autre frère et Benjamin! Et moi, si je dois être privé de mes enfants, que j'en sois privé!
15Dia nentin'ireo lehilahy ireo ny zavatra hateriny, ary vola indroa toraka ny teo koa no nentiny teny an-tànany mbamin'i Benjamina; ary niainga izy, dia nidina tany Egypta ka tonga teo anatrehan'i Josefa.
15Ils prirent le présent; ils prirent avec eux de l'argent au double, ainsi que Benjamin; ils se levèrent, descendirent en Egypte, et se présentèrent devant Joseph.
16Ary Josefa, raha nahita an'i Benjamina niaraka taminy, dia nanao tamin'ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra izy ka anaovy nahandro; fa hiara-mihinana amiko izy raha mitataovovonana ny andro.
16Dès que Joseph vit avec eux Benjamin, il dit à son intendant: Fais entrer ces gens dans la maison, tue et apprête; car ces gens mangeront avec moi à midi.
17Dia nataon-dralehilahy araka izay nandidian'i Josefa; ka nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i Josefa ireo.
17Cet homme fit ce que Joseph avait ordonné, et il conduisit ces gens dans la maison de Joseph.
18Dia raiki-tahotra ireo lehilahy ireo, satria nampidirina tao an-tranon'i Josefa, ka hoy izy: Maintsy ilay vola naverina tao anatin'ny lasakantsika fahiny va no nampidirana antsika, hivarinany amintsika sy hianjerany amintsika! dia halainy ho andevo isika, ary halainy koa ny borikintsika.
18Ils eurent peur lorsqu'ils furent conduits à la maison de Joseph, et ils dirent: C'est à cause de l'argent remis l'autre fois dans nos sacs qu'on nous emmène; c'est pour se jeter sur nous, se précipiter sur nous; c'est pour nous prendre comme esclaves, et s'emparer de nos ânes.
19Dia nanatona an-dralehilahy, mpikarakara ny tao an-tranon'i Josefa, izy ka niteny taminy teo am-baravaran'ny trano nanao hoe:
19Ils s'approchèrent de l'intendant de la maison de Joseph, et lui adressèrent la parole, à l'entrée de la maison.
20Mba henoy kely izahay, tompokolahy: nidina hividy hanina tokoa izahay fahiny:
20Ils dirent: Pardon! mon seigneur, nous sommes déjà descendus une fois pour acheter des vivres.
21ary rehefa tonga teo amin'izay nandrianay izahay, dia nosokafanay ny lasakanay, ka indreo ny volanay isan-dahy teo am-bavan'ny lasakanay avy, tonga lanja avokoa ny volanay; ary efa nentinay niverina eto an-tananay izany.
21Puis, quand nous arrivâmes, au lieu où nous devions passer la nuit, nous avons ouvert nos sacs; et voici, l'argent de chacun était à l'entrée de son sac, notre argent selon son poids: nous le rapportons avec nous.
22Ary nitondra vola hafa koa eto an-tananay izahay hamidy hanina: tsy fantatray izay nanao ny volanay tao anatin'ny lasakanay.
22Nous avons aussi apporté d'autre argent, pour acheter des vivres. Nous ne savons pas qui avait mis notre argent dans nos sacs.
23Ary hoy izy: Matokia ianareo, fa aza matahotra; Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin'ny lasakanareo; ny volanareo dia efa tonga tatỳ amiko ihany. Dia namoaka an'i Simeona ho eo aminy izy.
23L'intendant répondit: Que la paix soit avec vous! Ne craignez rien. C'est votre Dieu, le Dieu de votre père, qui vous a donné un trésor dans vos sacs. Votre argent m'est parvenu. Et il leur amena Siméon.
24Ary nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano, dia nanasa tongotra izy, ary ny borikiny nomeny hanina koa.
24Cet homme les fit entrer dans la maison de Joseph; il leur donna de l'eau et ils se lavèrent les pieds; il donna aussi du fourrage à leurs ânes.
25Dia nandamina ny zavatra hateriny izy mandra-pihavin'i Josefa rehefa mitataovovonana ny andro; fa efa reny fa eo no hihinanany hanina.
25Ils préparèrent leur présent, en attendant que Joseph vienne à midi; car on les avait informés qu'ils mangeraient chez lui.
26Ary rehefa tonga tao an-trano Josefa, dia nampidirin'izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba hatolotra azy ireo zavatra efa nentiny, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany izy.
26Quand Joseph fut arrivé à la maison, ils lui offrirent le présent qu'ils avaient apporté, et ils se prosternèrent en terre devant lui.
27Ary Josefa nanontany ny toeny ka nanao hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra nolazainareo? mbola velona ihany va izy?
27Il leur demanda comment ils se portaient; et il dit: Votre vieux père, dont vous avez parlé, est-il en bonne santé? vit-il encore?
28Dia hoy izy: Tsara ihany ny mpanomponao rainay; mbola velona ihany izy. Dia niondrika izy ireo ka niankohoka.
28Ils répondirent: Ton serviteur, notre père, est en bonne santé; il vit encore. Et ils s'inclinèrent et se prosternèrent.
29Ary Josefa nanopy ny masony ka nahita an'i Benjamina rahalahiny, zanakalahin'ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy, izay nolazainareo tamiko? Sady hoy koa izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka
29Joseph leva les yeux; et, jetant un regard sur Benjamin, son frère, fils de sa mère, il dit: Est-ce là votre jeune frère, dont vous m'avez parlé? Et il ajouta: Dieu te fasse miséricorde, mon fils!
30Dia niala faingana Josefa, fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny, ka nitady izay hitomaniany izy; dia niditra tao an-efi-trano izy ka nitomany tao.
30Ses entrailles étaient émues pour son frère, et il avait besoin de pleurer; il entra précipitamment dans une chambre, et il y pleura.
31Ary rehefa nanasa ny tavany izy, dia nivoaka; ary nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka nanao hoe: Ento ny nahandro.
31Après s'être lavé le visage, il en sortit; et, faisant des efforts pour se contenir, il dit: Servez à manger.
32Dia narosony mitokana ny ho an'i Josefa, ary mitokana ny ho an'ny rahalahiny, ary mitokana koa ny ho an'ny Egyptiana izay nihinana teo aminy, satria ny Egyptiana tsy mahazo miara-komana amin'ny Hebreo, fa fahavetavetana amin'ny Egyptiana izany.
32On servit Joseph à part, et ses frères à part; les Egyptiens qui mangeaient avec lui furent aussi servis à part, car les Egyptiens ne pouvaient pas manger avec les Hébreux, parce que c'est à leurs yeux une abomination.
33Dia nipetraka teo anatrehany izy, ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny faralahy araka ny fizandriany; dia samy talanjona ka nifampijerijery izy.Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan'i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin'i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin'izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy.
33Les frères de Joseph s'assirent en sa présence, le premier-né selon son droit d'aînesse, et le plus jeune selon son âge; et ils se regardaient les uns les autres avec étonnement.
34Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan'i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin'i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin'izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy.
34Joseph leur fit porter des mets qui étaient devant lui, et Benjamin en eut cinq fois plus que les autres. Ils burent, et s'égayèrent avec lui.